Jereo, Henoy, Hiaino Boky 1 Fiandohana Miaraka Amin' Andriamanitra

Jereo, Henoy, Hiaino Boky 1 Fiandohana Miaraka Amin' Andriamanitra

개요: Adam, Noah, Job, Abraham. 24 sections. It has a picture book to go along with the recording.

스크립트 번호: 418

언어: Malagasy Merina

주제: Sin and Satan (Judgement, Sin, disobedience, Satan (the devil)); Christ (Sacrifice / Atonement); Eternal life (Salvation); Character of God (Grace and Mercy, Nature, character of God, Word of God (the Bible)); Living as a Christian (Worship, Obedience, Faith, trust, believe in Jesus); Bible timeline (Creation, Prophecy, fulfillment of, Gospel, Good News); Problems (Problems, troubles, worries)

청중: General

스타일: Monolog

장르: Bible Stories & Teac

목적: Teaching

성경 인용: Extensive

지위: Publishable

스크립트 텍스트

Lafiny A Fiandohana Miaraka Amin’ Andriamanitra Teny Fampidirana

Lafiny A Fiandohana Miaraka Amin’ Andriamanitra Teny Fampidirana

Fiarabana ho anareo ry namako. Andeha hianatra ny aminin'ny olona voalohany teto ambonin'ny tany isika. Ny fifandriamanitra tamin'izy ireo dia mampianatra antsika ny momba Azy, ilay Andriamanitra tokana sady marina. Jereo ny sary ao amin'ny boky menamena no sady heno ny kasety. Misy fampianarana avy ao amin'ny bokin'Andriamanitra ao, ny Baiboly izany. Rehefa maheno feo (FAMANTARANA) toy izao ianao dia havadio ny pejy manaraka.

Sary 1: Adama Sy Ireo Biby

Sary 1: Adama Sy Ireo Biby

Genesisy 1:1 - 2:14

Tamin'ny voalohany dia tsy nisy afatsy Andriamanitra irery ihany, tsy nisy na dia zavaboary iray aza. Andriamanitra dia tokana. Fanahy Izy. Mahafantatra ny zavatra rehetra Izy ary misy Azy avokoa na aiza na aiza. Ity tany izay hitantsika ankehitriny izao ity dia tsy mbola nisy tamin'izany. Andriamanitra namorona ny zavatra rehetra eto ambonin'ny tany sy ny eny andanitra. Izy no nanisy ny mazava. Any eo nasiany ny lanitra. Nosarahany ny ranomasina sy ny tany maina ka nanomboka nitsiry ny zavamaniry. Vita izany dia namorona ny masoandro, ny volana ary ny kintana Andriamanitra. Avy eo dia noforonin'Andriamantra avokoa ny zavamananaina rehetra tety an-tany sy tany an-dranomasina. Io lehilahy amin'ny sary io no atao hoe Adama. Izy no olona voalohany indrindra niaina. Andriamanitra namorona azy tamin'ny vovoka avy amin'ny tany. Andriamanitra namorona io lehilahy io tahaka ny endriny mba nahafahany nahafantatra an'Andriamanitra (mba ahatonga ny fanahin'io lehilahy io ho iray miaraka amin'ny fanahin'Andriamanitra.) Niray saina sy safidy tamin'Andriamanitra io lehilahy io ary niaranandeha tamin'Andriamanitra izy. Ary hitan'Andriamanitra fa ny zavatra rehetra izay nohariany dia tena tsara.

Sary Faha 2: Vady Ho An’I Adama

Sary Faha 2: Vady Ho An’I Adama

Genesisy 1:27-28, 2:15-25

Andriamanitra nametraka an'i Adama tao amin'ny saha tsara tarehy iray nantsoina hoe Edena ary izy no nasain'Andriamanitra nikarakara izany. Nisy hazo maro isankarazany tao, ary tao anatin'izany ilay hazon'aina. Adama dia nahazo nihinana ireo karazam-boankazo tsara samihafa. Andriamanitra dia nanome alalana an'i Adama hitady anarana ho an'ireo biby sy vorona rehetra. Nisy lahy sy vavy avokoa ny zavamananaina rehetra. Izy ireny dia tsy natahotra sy tsy nanao ratsy ny olombelona. Tsy nisy namana (vady) sahaza an'i Adama anefa ireny na dia iray aza. Noho izany Andriamanitra namorona vehivavy natao ho naman'ny Adama. Andriamanitra nahasondrian-tory an'i Adama. Naka ny taolan-tehezan'i Adama Izy. Avy tamin'iny taolan-tehezana iny no namoronan'Andriamanitra nitondra an'dravehivavy teo amin'ny ralehilahy. Ralehilahy sy ravehivavy dia nitanjaka, saingy tsy nahatsiaro henatra. Nifampiresaka tamin'Andriamanitra tahakan'ny mpinamama izy ireo ary tsy nisy fahoriana, fahafatesana na ratsy tamin'izany toerana tsara izany.

Sary Faha 3: Ilay Menarana Tao An’Tsaha

Sary Faha 3: Ilay Menarana Tao An’Tsaha

Genesisy 2:16, 3; Isaiah 14:12

Andriamanitra nandidy an'i Adama nanao hoe, "Ny hazo rehetra ao amin'ny saha dia azonao hihinanana, saingy ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia tsy azonao hihinanana, fa amin'ny fotoana izay hihinananao azy dia ho faty tokoa hianao." Saingy satana dia namitaka ny vadin'ny Adama. Satana dia anjelin'Andriamanitra taloha, saingy nivadika nanohitra an'Andriamanitra namorona azy izy. Te ho lehibe mihoatra an'Andriamanitra izy. Vokatr'izany dia noroahin'Andriamanitra niala tany an-danitra izy ary lasa fahavalony. Satana, ilay ratsy fanahy, izay nanantona an-dravehivavy tamin'ny endrika menarana (tsara tarehy). Satana (Izy) no nandresy lahatra an-dravehivavy mba hihinana ilay voankazo voarara. Satana nilaza taminy fa tsy ho faty izy raha mihinana amin'io voankazo io. Nihinana ravehivavy ary nanomezany koa i Adama. Raha vao nihinana izy ireo dia nahatsiaro nitanjaka. Nanao fisaronana tamin'ny ravina ho azy izy ireo ary nihezaka ny hihery an'Andriamanitra.

Sary Faha 4: Adama Sy Eva Tany Ivelan’Ny Saha

Sary Faha 4: Adama Sy Eva Tany Ivelan’Ny Saha

Genesisy 3:14-24

Hitantsika eto amin'ity sary ity ny nanjo an'i Adama rehefa tsy nankotoa an'Andriamanitra izy. Andriamanitra voatery nanasazy an'i Adama satri tsy nankatoa ny didiny izy, talohan'izany anefa dia hoy Andriamanitra tamin'ilay monarana, "Satria nanao izao ianao, koa amin'ny biby fiompy rehetra sy ny bibi-dia rehetra dia ianao no voaozona." Nanomboka teo tonga fahavalon'Andriamanitra sy ny olombelona i satana. Nambaran'Andriamanitra ihany koa fa handresy an'i satana ny taranaky Adama sy ny vadiny. Jesosy dia nanatanteraka izany tamin'Izy maty noho ny fahotan'izao tontolo izao, sy nitsangana tamin'ny maty. Hoy Andriamanitra tamin-dravehivavy, "Hahabe dia hahabe ny fahorianao Aho, indrindra fa raha manana anaka hianao ary fahoriana no hiterahanao zanaka." Hoy kosa Andriamanitra tamin'i Adama: satria efa nihaino ny feon'ny vadinao hianao ka nihinanao ny hazo, dia ho voaozona ny tany. Vokatr'izany dia tsimaintsy miasa mafy mandra-pahafatiny izy mba hahazoany vokatra ho azy sy ny ankohonany. Andriamanitra nanaisotra an'i Adama tao amin'ny saha. Adama nanao ny anaran-dravehivavy hoe Eva, izay midika hoe "Aina". Nananjanaka taminy izy. Ny olona rehetra dia taranaky Adama sy Eva. Adama sy Eva ary ny olona rehetra dia nanana faharatsiana tao anatiny ary izany faharatsiana izany dia nampisaraka azy tamin'Andriamanitra sy tamin'izy samy izy. Isika rehetra dia tsy nankatoa an'Andriamanitra; fahotana anefa ny tsy fankatoavana. Ary satria manota isika dia mendrika ny ho faty. Kanefa misy fanantenana ho antsika, satria mahery ilay Jesosy kristy velona sy mpamonjy antsika ho afaka amin'ny herin'ny fahotana sy satana.

Sary Faha 5: Noa Sy Ny Sambo Fiara

Sary Faha 5: Noa Sy Ny Sambo Fiara

Genesisy 6:1 - 7:5

Nihamaro ny zanaka sy taranak, i Adama sy Eva. Ny lalan'ny satana no narahin'izy ireo ka nanao izay fanao ratsy rehetra izy. Andriamanitra nanenina noho ny nanaovany ny olona tambonin'ny tany. Iray ihany ny olona mba nakatoa an'Andriamanitra. Noa no anarany. Indray andro dia nilaza tamin'i Noa Andriamanitra nanao hoe, "Ny faran'ny nofo rehetra efa mby eto anatrehako, satria efa heni-doza ny tany noho ny amin'ny olona. Manaova sambo fiara ho anao." Ny sambo fiara dia sambo lehibe iray. "Ary, indro, Izaho efa hahatonga ny safodrano ambonin'ny tany handringana ny nofo rehetra izay manampofonaina. Nefa kosa haoriko ny fanekeko aminao. Midira ao anaty sambo fiara hianao sy ny vady aman-janakao mbamin'ny vinantonao vavy.

Hitondray roa avy, lahy sy vavy ny karazam-biby sy voro-manidina rehetra, mba hovelominao." Andriamanitra nanoro an'i Noa tamin'ny antsipirihany ny tokony hanamboarany ilay sambo fiara. Noa nanao araka izay nandidian'Andriamanitra azy. Raha mbola teo am-panamboarana ny sambo fiara i Noa dia tsy nitsahatra ny olona fa handringana azy Andriamanitra, kanefa tsy nety niala tamin'ny ratsy fanaony izy ireo.

Sary Faha 6: Ny Safodrano Lehibe

Sary Faha 6: Ny Safodrano Lehibe

Genesisy 7:6-23

Andriamanitra dia manatanteraka hatrany ny teniny. Niditra tao anaty sambo fiara i Noa sy ny vady aman-janany ary ny biby rehetra. Nkaton'Andriamanitra ny varavaran'ilay sambo fiara. Fito andro taorian'izay dia nilatsaka ny orana. Nandritra ny efapolo andro sy efapolo alina izany orana izany.Tonga betsaka ny rano ka safotry ny rano ny tany rehetra. Maty avokoa ny olona sy ny biby ary ny voromanidina rehetra taty ivelan'ny sambo fiara. Tsy niova anefa ny olona. Mbola nanao ny faharatsiana ao anatiny izy dia ny fanarahana an'i satana, sy fandavana hiaino an'Andriamanitra. Hoy Andriamanitra ao amin'ny teniny, dia ny Baiboly, Mbola hoavy Jesosy indray andro any, hitsara ny olona araka ny faharatsiany. Fa Andriamanitra nanome lalana hialana amin'izany ho an'izay mino sy mankatoa Azy.

Sara Faha 7: Ny Avana Sy Ny Teny Faneken’Andriamanitra

Sara Faha 7: Ny Avana Sy Ny Teny Faneken’Andriamanitra

Genesisy 8:1 - 9:17

Herin-taona mahery no naharetan'i Noa mianakavy sy ireo biby rehetra tao anaty sambo fiara. Rehefa nitsahatra ny orana ary maina ny rano teo ambonin'ny tany dia nivoaka avy tao anaty sambo fiara avokoa izy rehetra. Avy eo dia nanamboatra alitara ho an'Andriamanitra i Noa, araka izay eto. Naka biby hatao fanatitra ho dorana ho an'Andriamanitra teo amin'ny alitara izy. Nankasitrahan'Andriamanitra izany ka nametraka ny avana teny amin'ny rahona Izy. Ary nanao fanekena Izy fa tsy handringana ny nofo rehetra amin'ny safodrano. Ny avana di marika fahatsiarovana ho antsika ny teny faneken'Andriamanitra. Tsarovy ny teny faneken'Andriamanitra, kanefa tsarovy ihany koa fa mbola hitsara izao tontolo izao Izy. Amin'ny ho avy dia afo no handevonan'Andriamanitra ny tany. Fa ho an'ireo izay mino an'Andriamanitra sy mankatoa. Azy dia tsy tokony hatahotra izay ho avy. Mankatoava an'i Jesosy Kristy dia tsy ho levona ianao.

Sara Faha 8: Ny Tilikambon’I Babela

Sara Faha 8: Ny Tilikambon’I Babela

Genesisy 11:1-9

Ny olombelona rehetra dia avy amin'ireo zanaka telolahin'i Noa. Andriamanitra nilaza tamin'izy ireo mba hanan-janaka maro ary handeha hameno izao tontolo izao. Niray fiteny ny olona rehetra tamin'izany ary tsy te hiely manerana ny tany izy ireo. Tsy nankatoa an'Andriamanitra izy ireo fa nanorona tanana iray lehibe izay nasiany tilikambo iray avobe nanakatra ny rahona. Andriamanitra nahita ilay tanana sy tilikambo. Noho izany hoy Andriamanitra, "Indro, iray foko ny olona, sady iray fanononana izy rehetra. Aoka isika hidina, ka eny no hanakorontanantsika ny fiteniny, mba tsy hifankalala teny izy." Eto amin'ity sary ity dia tsy mifankahazo teny intsony ny olona. Noho izany dia nitsahatra tsy nanao ny tanana intsony izy ireo ary niparitaka tany amin'ny toerana samy hafa. Noho ny tsy fankatoavan'izy ireo an'Andriamanitra dia samy manana ny fiteniny ny firenena ankehitriny. Rehefa tsy mankatoa an'Andriamanitra isika dia manota. Ny fahotana dia mampisaraka ny olona amin'Andriamanitra ary koa mampisaraka ny olona samy olona. Andeha isika hankato an'Andriamanitra sy hahatoky Azy mandrakariva.

Sara Faha 9: Joba Nanompo An’Andriamanitra

Sara Faha 9: Joba Nanompo An’Andriamanitra

Joba 1:1-12

Eto isika dia mahita lehilahy iray atao hoe Joba. Manao fanatitra ho dorana ho an'Andriamanitra izy. Joba dia nanompo an'Andriamanitra tokana sady marina ary tsy mba nanaraka ny fanaon'ny satana izy. Joba dia nanana zanakalahy fito sy zanakavavy telo ary nanao fanatitra izy noho ny amin'izy ireo. Nangataka famelana tamin'Andriamanitra izy, raha nanao zavatra nampalahelo an'Andriamanitra ireo zanany ireo. Andriamanitra dia nankasitraka an'i Joba. Notahiany tokoa izy ary nomeny harena betsaka. Joba dia nanana biby fiompy sy mpanompo marobe tokoa. Indray andro dia nambaran'Andriamanitra an'i satana fa tena nankasitraka an'i Joba Izy. Fa satana kosa nanomboka nanome tsiny an'i Joba teo anatrehan'Andriamanitra ary nolazainy fa ny fanompoan'i Joba an'Andriamanitra dia ny mba hananany harena fotsiny. Ary hoy satana tamin'Andriamanitra, "Raha hesorinao aminy ny fananan'i Joba rehetra dia hiodina aminao izy." Andriamanitra nahafantatra fa satana dia mpandainga fa i Joba kosa dia olona marina izay tsy nanao afatsy ny nahafalyn an'Andriamanitra. Noho izany dia navelan'Andriamanitra i satana haka ny zavatra rehetra nananan'i Joba ho fitsapana azy.

Sara Faha 10: Joba Teo Amin’Ny Fisaonany

Sara Faha 10: Joba Teo Amin’Ny Fisaonany

Joba 1:13-22

Ity sary ity mampiseho lehibe nanjo an'i Joba. Ireo mpanompony dia nitondra vaovao mahatsiravina ho azy. Ny mpanompony voalohany dia nihazakazaka hilaza taminy fa nisy fahavalo namono ireo mpanompony ary naka ny ombiny sy ny borikivaviny. Mbola tsy tapitra akory ny teniny dia tonga ny mpanompo manaraka. Nilaza izy fa nisy afo nandoro ny ondry aman'osy sy ny mpiandry ondry ary maty avokoa. Ny mpanompo fahatelo tonga nilaza tamin'i Joba fa nisy fahavalo nanafika izy ireo ary nangalariny avokoa ny rameva rehetra. Nisy mpanompo anankiray izay nitondra ny vaovao ratsy indrindra, dia hoy izy, "Raha teo am-pisakafoanana iny indrindra ireo zanakao dia indro nisy rivotra mahery nifofofofo nenjera ny trano ary nahafaty azy rehetra. Taorian'ny nandrenenany izany, dia nanaratra ny lohany i Joba ary niapoka tamin'ny tany ka nainkohaka. Hoy izy, "Ny Tompo no nanome, ary ny Tompo no nanaisotra. Isaorana anie ny anaran'Andriamanitra." Na dia teo aza izany zavatra rehetra izany dia tsy mba nanome tsiny an'Andriamanitra i Joba.

Sara Faha 11: Joba Nijaly

Sara Faha 11: Joba Nijaly

Joba 2:1 - 41:34

Satana nahita fa mbola nanome voninahitra an'Andriamanitra ihany i Joba, ka hoy indray satana tamin'Andriamanitra, "Raha hasianao ny nofony dia handa Anao izy." Andriamanitra namela an'i satana hitsapa an'i Joba indray. Ka namely vay ratsy an'i Joba i satana. Nivoaka tany ivelany i Joba ary nihaorany tamin'ny tavim-bilany ny fery teo aminy. Hoy ny vadiny taminy, "Mahafoiza an'Andriamanitra ianao dia aoka ho faty!"

Fa Joba nanao hoe, "Moa ny soa ihany va no raisintsika amin'Andriamanitra fa tsy ny ratsy koa?" Anankitelo tamin'ireo sakaizan'i Joba no tonga ary niresaka taminy nandritra ny andro maro. Nihezaka namantatra ny anton'ireo loza nanjo an'i Joba izy ireo. Nilaza izy ireo fa mety nanao zava-dratsy teo anatrehan'Aandriamanitra izy ary Andriamanitra nanafy azy. Joba anefa tsy nanai ny amin'ny zavatra nolazain'izy ireo ny aminy. Noho izany dia nanotany ny hevitr'Andriamanitra izy, fa tsy mbola nihodina nanohitra Azy. Vokatr'izany dia nasehon'Andriamanitra an'i Joba ny halebehany ary ny fahalalany ny zavatra rehetra.

Sary Faha 12: Joba Dia Tafarina Indray

Sary Faha 12: Joba Dia Tafarina Indray

Joba 42:1-17

Eto amin'ity sary ity Joba dia salama ary nanan-karena indray. Ho ambarako anao, ahoana no nahatonga izany. Rehefa nihaona tamin'Andriamanitra i Joba, tsapany (fantany) ny fahalebiazan'Andriamanitra ary dia nibebabaka izy (feno fialantsiny marina tokoa izy). Avy eo Andriamanitra niteny tamin'iray tamin'ereo mpiapanga an'i Joba natsoina hoe Elifaza, "Mirehitra aminao sy ny sakaizanao roa lahy ny fahatezerako satria tsy mba marina tahaka ny filazan'i Joba mpanompoko ny filazanareo ahy." Andriamanitra nilaza tamin'Izy ireo ho any amin'i Joba mba hanao fanatitra hodorana ho azy ireo. Ary mba nahafahan'i Joba mpanompony nivavaka ho azy ireo. Andriamanitra ihany koa nilaza fa hamela ny helok'izy ireo Izy. Joba dia nivavaka ho an'ireo namany ary Andriamanitra nihaino ny fivavahany. Taorian'izany dia nanasitrana sy nampanan-karena an'i Joba indray Andriamanitra. Joba sy ireo namany ary ireo fianankaviany dia niaranifaly sy niaranisafo taminy ary nitondra fanomezana ho azy. Andriamanitra nanomea azy zanakalahy fito sy zanakavavy telo tsaratarehy. Taona maro no niainany izay nahitany ireo taranany faramandimby ary efa tratra antitra tokoa izy vao maty. Andriamanitra tiantsika hahatoky Azy sy mba hanana faharetana rehefa mandalo fahoriana isika. Andriamanitra mahafantatra ny antony mampahory antsika eto amin'ity fiainana ity. Izy no manam-pahefana amin'ny zava-drehetra mitranga. Tadidio fa tiantsika Andriamanitra ary tiany ny manome ny zavatra tsara indrindra ho an'ireo izay manonme voninahitra Azy.

Lafiny B Teny Fampidirana

Lafiny B Teny Fampidirana

Ry namako, mamelahy ahy hitantara aminareo ny momba ilay lehilahy iray atao hoe Abrama. Izy dia nakatoa an'Andriamanitra ary noho ny aminy noho ahazoan'ny olona maro fitahiana. Jereo ny sary manaraka rehefa maheno izao feo izao ianareo.

Sara Faha 13: Abrama Sy Lota

Sara Faha 13: Abrama Sy Lota

Genesisy 13:5-18

Eto amin'ity sary dia mahita lehilahy iray antsoina hoe Abrama ianareo, ny vadiny i Saraha, ny zanadrahalahany Lota ary ireo mpanompony. Nandeha lavitra izy ireo satria hoy Andriamanitra tamin'i Abrama, "Mandehana miala amin'ny taninao sy ny havanao ary ny trannon'ny rainao hankany amin'ny tany izay hasehoko anao. Hahatonga anao ho firenena lehibe Aho sady hitahy anao ary aminao no hitahina ny firenena rehetra ambonin'ny tany." Abrama dia nino ny teny faneken'Andriamanitra. Dia nanangona ny fananany rehetra izy sy ny mpiara-dia aminy ary andro maro no nandehanany vao tonga tany amin'ny tany Kanana izy ireo. Tany Andriamanitra no niseho tamin'i Abrama. Hoy Andriamanitra, "Ny taranakao no homeko ity tany ity." Nandeha namakivavaky io tany io Abrama, kanefa rehefa tonga tao amin'ny tany natsoina hoe Negeva izy ireo dia nisy mosary teo amin'ny tany. Ary tsy nisy sakafo ho an'izy ireo mba ho hanina. Noho izany Abrama sy ny mponiny dia voatery nankany amin'ny firenena hafa, Egypta, mba hitady sakafo. Tao aoriana kely anefa dia niverina tany Kanana indray izy satria nino izay nampanatenan'Andriamanitra taminy izy. Andriamanitra dia nampanatena antsika fiainana vaovao sy toerana any andanitra. Tahaka an'i Abrama dia tokony hankatoa an'Andriamanitra koa isiku, mba hahatanteraka izay teny nampanatenainy antsika.

Sary Faha 14: Abrama Sy Lota

Sary Faha 14: Abrama Sy Lota

Genisisy 13:5-18

Abrama sy Lota dia niaraka nipetraka tao Kanana. Nanana biby fiompy maro izy ireo ka dia tsy omby intsony ny toerana nonenany. Ka dia nihady ny mpiandry ombin'i Abrama sy ny an'i Lota. Ka hoy Abrama tamin'i Lota, "Aoka re mba tsy hisy ady amintsika roa lahy, na amin'ny mpiandry ombiko sy ny mpiandry ombinao, fa mpirahalahy isika." Abrama nampisafidy an'i Lota izay tany tiany ho azy. Ny tsara indrindra no tian'i Lota ho azy sy ny biby fiompiny, noho izany dia nisafidy ny lohasaha mahavokatra nanamorona ny rebiranon'ny Jordana izy, izay sady nisy tanana hahafahana nonenana. Lota dia niperaka tao amin'ny lohasahy iray izay nanakaiky ny tanana atao hoe Sodoma. Ny olona tao Sodoma dia tena ratsy fanahy. Nahatonga fahatezerana tamin'Andriamanitra izy ireo. Abrama dia nipetraka tao amin'ny tany Kanana ary Andriamanitra dia niteny taminy indray nanao hoe, Ny tany rehetra izay tazanao dia homeko anao sy ny taranakao mandrakizay." Ry namako, mety misy olona izay tahakan'ny manana fianana tsara indrindra, fa tahakan'i Abrama andeha isika hahatoky an'Andriamanitra mba hitahiany antsika.

Sara Faha 15: Abrama Nihaona Tamin’Ilay Panjakan’Ny Fiadanana

Sara Faha 15: Abrama Nihaona Tamin’Ilay Panjakan’Ny Fiadanana

Genesisy 14:1-24

Raha mbola nihaina tao amin'ilay lohasaha i Lota dia raikitra ny ady. Lota sy ny fianakaviany dia azo babo niaraka tamin'ireo olona rehetra tao Sodoma. Noho izany Abrama sy ireo miaramilany dia niainga hanavotra an'i Lota. Resin'izy ireo ny fahavalo ka voavonjiny ny olona rehetra sy ireo fananany. Raha mbola teny an'dalam piverenana avy niady izy ireo dia nifanena tamin'ny mpanjaka iray, araka izay hitanareo eto amin'ny sary. Ny anaran'ilay mpanjaka dia Melkizedeka. Izy no mpanjakan'ny tanana iray atao hoe Salema, izay midika hoe "fiadanana". Izy dia nanompo an'Andriamanitra tokana sady marina, ary Andriamanitra nankasitraka azy. Izy dia nitondra mofo sy divay ho an'i Abrama. Abrama dia niankohoka teo anolohan'i Melkizedeka ary nitondra fanomezana ho azy. Ny mpanjakan'ny Sodoma dia te hanome fanomezana ho an'i Abrama noho ny fanavotany ny olona, saingy Abrama dia tsy nety nandray nainona na inonna tamin'io mpanjaka ratsy fanahy io. Ry namoka, andeha hanahaka an'i Abrama isika ary tsy hanaraka ny lalan'ny ratsy fanahy. Ireny dia tsy misy afatsy ny mitondra antsika amin'ny fahoriana sy fahafatesana. Ny tenin'Andriamanitra, ny Baiboly, dia mampianatra antsika fa i Melkizedeka dia tahakan'i Tompo Jesosy Kristy. Tokony hanome voninahitra sy hanaraka an'i Jesosy Kristy isika, Fa ny lalany dia mitondra antsika amin'ny fiadanana sy hahitantsika fitia amin'Andriamanitra.

Sary Faha 16: Abrama Sy Ny Kintana

Sary Faha 16: Abrama Sy Ny Kintana

Genesisy 15:1-21

Taorian'ny nanavotan'i Abrama an'i Lota dia nody tany Sodoma i Lota. Avy eo Andriamanitra niteny tamin'i Abrama nanao hoe, "Aza matahotra, ry Abrama; Izaho no ampinganao sy valim-pitia lehibe indrindra ho anao." Andriamanitra dia mbola niteny tamin'i Abrama fa homeny azy io tany io ho anjakany. Ny tany Kanana io tian'Andriamanitra lazaina io. Saingy Abrama dia nalahelo satria Andriamanitra dia tsy nanome azy zanaka. Vokatr'izany dia nentin'Andriamanitra nivoaka teo ivelany i A brama ary nilazany hoe, "Jereo ange ny lanitra, ka isao ny kintana raha mahaisa azy hianao. Ho tahaka izany ny taranakao." Abrama dia nino ny teny fikasan'Andriamanitra, eny fa na dia mbola tsy nanan-janaka aza izy. Ry namako, Andriamanitra dia tiantsika hino sy hankatoa ny teniny ao anatin'ny bokiny, ny Baiboly. Fa Izy no ilay Andriamanitra tsitoha. Raha manao izany isika dia ho tanteraka amintsika koa ny teny fikasan'Andriamanitra, izay tsy inona fa tahaka ny nataon'i Abrama. Mbola hambaranay anareo izany ao aoriana kely.

Sary Faha 17: Ilay Zazakely Atao Hoe Isimaela

Sary Faha 17: Ilay Zazakely Atao Hoe Isimaela

Genesisy 16:1 - 17:22

Hereo anie io sary io e. Abrama dia manana zanakalahy kely. Abrama dia nipetraka tao Kanana nandritra ny folo taona, ary mbola niandry izay nampanantenan"Andriamanitra azy izy, izay ho an'i Saray vadiny fatsy mbola nanan-janaka ihany. Saray dia nanana mpanompo vavy antsoina hoe Hagara.Ary i Hagara dia tian'i Saray hanana zanaka amin'i Abrama ary avy eo dia ho alainy hoy toy ny zanany naterany ilay zaza. Izany mantsy ny fombafomba tamin'izany fotoana izany. Araka izany dia nitoe-jaza tamin'i Abrama i Hagara ka nanjary nialona azy i Saray. Sarahy nampahory azy, mba handosiran'i Hagara.

Fa ny anjelin' Andriamanitra nifenena tamin'i Hagara ary nampahery azy. Ary ny anjely niteny taminy fa hanana zazalahy atao hoe Ismaela izy. Ny hevitr'izany anarana izany moa dia hoe "Ren Andriamanitra". Andriamanitra nilaza fa hitahy an'i Ismaela Izy. Ismaela dia heady anohitra ny olona rehetra. Teraka i Ismaela ary taty aoriana dia izy no razamben'ireo firenena Arabo. Telo ambiny folo taona taorian'ny nahaterahan'i Ismaela, nanao Fanekena indray Andriamanitra fa ny tany Kanana manontolo dia ho an'i Abrama sy ny taranany mandrakizay. Fa Abrama sy ny taranany dia tsy maintsy nakatoa ny tenin'Andriamanitra. Rehefa sivy amby sivi-folo taona i Abrama, tonga teo aminy Andramanitra nanao hoe, "Izaho no Andriamanitra tsitoha, mandehana eo antrehako, ka aoka ho tsy misy tsiny hianao. Fa Izaho hanao ny fanakeko ho amiko sy ho aminao ary hahamaro anao indrindra. Indro aminao ny fanekeko, ka ho tonga rain'ny firenena maro ianao. Noho izany ny anaranao dia tsy hatao hoe Abrama intsony, fa atao hoe Abrahama." Noho izany anarana vaovao nomen'Andriamanitra azy izany dia fantatry Abrahama fa hanome taranka maro azy Andriamanitra. Dia hoy koa Andriamanitra tamin'i Abrahama, "Ary homeko anao sy ny taranakao any aoriana ny tany kanana rehetra, ary ho Andriamaniny Aho." Andriamanitra koa dia nanova ny anaran'i Saray ho Saraha. Andriamanitra nampanantena fa hitahy azy ary hampanana azy ary hampanana azy zazalahy ho an'i Abrahama. Indraindray, tahaka an'i Abrahama sy Sahara dia mihezaka isika hanao zavatra amin'ny herin'ny tenantsika isika. Mety mitondra fahoriana sy fijaliana ho an'ny olona maro anefa izany. Tokony hahatoky sy hankatoa an'Andriamanitra isika ary miandry azy hanatanteraka ny planiny.

Sara Faha 18: Sahary Nihomehy

Sara Faha 18: Sahary Nihomehy

Genesisy 18:1-15

Indray andro, rehefa sivy amby sivi-folo taona i Abrahama, dia indro nisy irak'Andriamanitra telo lahy tonga teo amin'ny lain'i Abrahama. Abrahama niantso an'i Saraha hikarakana sakafo ary nrosiny ho an'izy ireo izany. Ary hoy izy telo lahy tamin'i Abrahama, "Aiza Saraha vadinao?" Abrahama namely nanao hoe, "Indro ao an-day izy." Ny iray tamin'ireo lehilahy ireo dia ny Tompo Andriamanitra mihitsy ka hoy izy tamin'i Abrahama nanao hoe, "Hiverina aminao tokoa Aho raha avy ny taona toy izao; ary, indro, hanana zazalahy Sarahy vadinao." Saraha nadre izany ary nihomehy tamin'ny tenany satria efa sivi-folo taona izy tamin'izany. Tsy nino Azy Saraha. Dia niteny tamin'i Abrahama indray Andriamanitra nanao hoe, "Nahoana no nihomehy Saraha ka nanao hoe: hiteraka tokoa va aho, kanefa izao efa antitra izao? Fa mao misy zavatra mahagaga izay tsy hain'i Tompo va? Hanana zazalahy Saraha.

Sary Faha 19: Abrahama Nivavaka Ho An’I Sodoma

Sary Faha 19: Abrahama Nivavaka Ho An’I Sodoma

Genesisy 18:16 - 19:29

Eto isika dia mahita an'i Abrahama miaraka amin'ireo iraka telolahy. Andriamanitra dia nanampakevitra fa handringana ny tananan'i Sodoma sy Gomora satria ny olona tao dia nano zavatra ratsy nanoloana an'Andriamanitra. Izy ireo dia efa niala tamin'ny planin'Andriamanitra ny amin'ny firaisana masina eo amin'ny lehilahy sy ny vehivavy. Abrahama nahatsiaro an'i Lota ary hoy izy tamin'i Tompo Andriamanitra, "Haringanao miaraka amin'ny meloka va ny marina? Tsy hitsara mariana va ny mpitsaran'ny tany rehetra?" Abrahama dia nanomboka niangavy tamin'Andriamanitra ny mba hamonjeny an'i Sodoma. Tamin'ny farany Andriamanitra dia nilaza fa tsy mba handringana an'i Sodoma Izy raha misy folo manompo Azy. Rehefa tonga tao Sodoma ireo irak'Andriamanitra, dia hitany avokoa ny faharatsian'ny olona rehetra. Ary tsy nisy folo akory ny mpanompon'Andriamanitra tao Sodoma. Ny olona iray izay marina tao dia i Lota. Ireo irak'Andriamanitra dia nandidy an'i Lota sy ny fianakaviany mba hitsaoka hiala an'i Sodoma ary nolazainy izy ireo mba tsy hiherika ao ivohany. Avy eo Andriamanitra nandatsaka solifara sy afo avy tany an-danitra ary Sodoma sy Gomora niaraka tamin'ireo olondratsy rehetra niaina tao dia tapitra ringana avokoa. Ary raha mbola teny apmandosirana i Lota sy ny fianakaviany, dia niherika ny vadiny ka lasa vongan-tsira mitsangana izy. Abrahama dia nitaraina nangataka tamin'Andriamanitra mba tsy handringanany izay olomarina kanefa i Lota sy ireo zanany roa vavy irery novelona.

Sara Faha 20: Ny Fanatitry Abrahama

Sara Faha 20: Ny Fanatitry Abrahama

Genesisy 21:1 - 22:19

Rehefa sivi-folo taona i Saraha dia niteraka zazalahy araka izay nolazain'Andriamanitra. Nantsoiny hoe Isaka ny anarany, izay midika hoe "Mihomehy izy". Raha mbola zaza Isaka dia nizahan'Andriamanitra toetra i Abrahama. Andriamanitra dia te hahita raha tena mankota Azy Abrahama. Andriamanitra nanao taminy hoe, "Ento ny zanakao, ny lahitokanao, izay tianao, dia Isaka, ary hataovy ho fanatitra dorana ho Ahy." Abrahama nankatoa an'Andriamanitra. Nino izy fa raha hofaty Isaka dia hain'Andriamanitra ny mampitsangana an'i Isaka amin'ny maty mba ho velona indray. Nanomana an'i Isaka ho atao fanatitra ho an'Andriamanitra izy, araka izay hitanareo eto amin'ny sary. Raha vao nanainga ny antsy hamonoana an'i Isaka anefa i Abrahama, dia ny Anjelin'Andriamanitra niantso azy ka nanao hoe, Abrahama, "Aza maninjitra ny tananao amin'ny zazalahy, fa hitako izao fa matahotra an'Andriamanitra hianao, ka tsy narovanao tamiko ny zanakao, dia ny lahitokanao." Avy eo Abrahama nahita ondrilahy voasangazotry ny kirihitra ny tandrony. Nataony ho fanatitra ho dorana ho an'Andriamanitra izany ondrilahy izany ho solon'ny zanany. Ary hoy Andriamanitra taminy, "satria efa nankatoa ny teniko ianao, dia hitahy anao tokoa Aho, ary noho ny aminao no hitahiana ny firenena rehetra eto ambonin'ny tany."

Sary Faha 21: Abrahama Sy Ny Mpanompony

Sary Faha 21: Abrahama Sy Ny Mpanompony

Genesisy 24:1 - 25:11

Rehefa antitra i Abrahama dia niantso ny mpanompony izy ary hoy izy taminy, "Mianian amiko fa hianao dia hiverina amin'ny fireneko sy ireo havako, ary maka vady ho an'i Isaka zanoko." Abrahama dia tsy tiany ny handaovan'Isaka ny tany nomen'Andriamanitra azy na ny hakany vady avy amin'ny vehivavy Kananita. Ilay mpanompo dia nankatoa an'Abrahama ary nandeha namakivaky ny tananan'i Nahora. Tany izy no nangataka tamin'Andriamanitra hanoro azy izay tovovavy sahaza an'i Isaka. Tovovavy iray tena tsara tarehy nantsoina hoe Rebeka no indro nivoaka ny tanana mba haka rano teo amin'ny fatsakana. Faly tokoa izy raha naka rano ho an'i mpanompon'i Abrahama sy ireo rameva folony. Ilay mpanompo dia nahafantatra fa Andriamanitra no nitaridalana azy ho eo amin'io vehivavy io ary izy ilay vehivavy izay notadiaviny. Hitany fa zafikelin'ny ralahin'i Abrahama izy io. Ilay mpanompo dia nankalaza an'Andriamanitra satria namely ny fivavany Izy ka nitondra azy tamin'ny havan'ny tompony. Dia tonga vadin'i Isaka i Rebeka. Ary Abrahama dia maty rehefa tonga 175 taona izy. Nandritra ny andro-piainany manontolo dia natoky an'Andriamanitra izy hanatanteraka ny teny fikasany, Noho izany dia nandray sy nitahy azy Andriamanitra. Andriamanitra dia mbola mitahy izay rehetra mahatoky Azy tahakan'i Abrahama.

Sary Faha 22: Teraka I Jesosy

Sary Faha 22: Teraka I Jesosy

Matio 1:18-25; Galatiana 4:4-5

Ny tenin'Andriamanitra dia marina. Andriamanitra dia tsy mandainga. Andriamanitra nilaza tamin'i Adama fa haniraka ilay iray voafidiny Izy mba handresy an'i satana. Nilaza tamn'i Noa Izy fa handripaka ireo ratsy hanahy rehetra. Andriamanitra nampiseho tamin'i Joba fa tiany no hanomea antsika ny tsara indrindra. Nasehony an'i Abrahama fa mitana ny teny fikasany mandrakariva Izy.

Eto amin'ity sary ity dia mahita sarin-jazakely ianao, Jesosy no anarany. Teraka tany amin'ny Israely Izy, izay nantsoina hoe Kanana taloha. Ny anaran'ny reniny dia Maria izay taranaka avy amin'i Abrahama si Isaka. Maria dia mbola virginy raha niteraka an'i Jesosy. Jesosy dia tsy mba nanana ray aranofo. Ny Rainy dia Ilay Andriamanitra tokana sady marina. Jesosy dia ilay tokana nitondra fitahiana ho an'izao totolo izao. Tonga Izy mba hanatanteraka nt teny fikasan'Andriamanitra dia ny handresy an'i satana ary hamerina antsika indray amin'Andriamanitra.

Sary Faha 23: Ny Fahafatesan’I Jesosy

Sary Faha 23: Ny Fahafatesan’I Jesosy

Galatiana 3:13-14

(Raha mbola niaina teto ambonin'ny tany Jesosy) Rehefa nitombo sy nialehibe Jesosy dia nampianatra ny olona ny lalan'Andriamanitra. Nanao fahagagana maro i Jesosy mba hanehoany fa Izy dia avy amin'Andriamanitra. Fa ny ratsy fanahy dia tsy nino Azy. Novonoan'izy ireo Jesosy tamin'ny alalan'ny famantsihana Azy teo amin'ny hazo fijaliana. Miaramila iray nanidrona Azy tamin'ny lefona teo amin'ny lanivoany mba hahazoany antoka tsara fa maty Izy. Ry namako, Andriamanitra dia nanambara an'i Adama fa hofaty izy raha mihinana avy amin'ilay hazo. Efa nandaha an'Andriamanitra avokoa anefa isika ary samy mendrika ny ho faty. Tsaroanao tsara fa Andriamanitra dia nanome zanakondry ho an'i Abrahama mba ho vonoina hatao fanatitra hodorana ho solon'i Isaka. Toy izany koa Andriamanitra nanaome ny zanany lahy tokana mba ho aty teo amin'ny toerantsika, mba ho sorona ny amin'ny fahotantsika. Ny fahotantsika no mampisaraka antsika amin'Andriamanitra. Jesosy no lalana ahafahantsika miverina amin'Andriamanitra. Tadidio fa Andriamanitra dia nilaza tamin'i Adama fa haniraka olona handresy an'i satana Izy. Rehefa maty teo amin'ny hazo fijaliana Jesosy ary nitsangana tamin'ny maty, dia nadresy an'i satana Izy. Ary ho an'izay mahatoky sy mankatoa an'i Jesosy dia efa resy ny herin'i satana. Andriamanitra dia nanao fanekena tamin'i Abrahama toy izany. Andriamanitra nilaza fa amin'ny alalan'ny taranaky Abrahama no hitahiana izao tontolo izao. Izany fitahiana hiaramaina amin'Andriamanitra mandrakizay izany dia avy amin'i Tompo Jesosy Kristy. Isika koa dia afaka mahazo izany fitahiana izany avy amin'Andriamanitra rehefa mahatoky an'i Tompo Jesosy sy mankatoa Azy isika.

Sary Faha 24: Jesosy Dia Velona

Sary Faha 24: Jesosy Dia Velona

Jaona 20:19-29

Ny naman'i Jesosy no nametarka ny fatiny tao amin'ny fasana iray rehefa maty Izy. Tao am-pasana tao Izy nandritra ny telo andro. Avy eo dia nitsangana tamin'ny maty Izy. Ny fahafatesana dia tsy nahatazona an'i Jesosy, Ilay tokana avy amin'Andriamanitra. Jesosy dia niseho tamin'ireo mpianany ary nitsangana teo afovoan'izy ireo. Talanjona avokoa izy rehetra. Mpianatra iray natsiona hoe Tomasy, dia tsy mba tafiaraka tamin'ireo mpianatra sasany rehefa niseho tamin'izy ireo Jesosy. Tomasy nilaza tamin'izy ireo, "Raha tsy hitako eo amin'ny tanany ny holatry ny nohomboana, ka ataoko eo amin'ny holatry ny nanomboana ny ratsan-tanako, ary ataoko eo amin'ny lanivohany koa ny tanako, dia tsy mba hino aho." Afaka herin'andro taorian'izay dia tonga indray i Jesosy. Jereo eo amin'ny sary. Jesosy nampiseho an'i Tomasy ny holatry ny holatry ny nanombohana teo amin'ny tanany ary niteny tamin'i Tomasy Izy mba hametraka ny tanany eo amin'ny lanivoany. "Aza isan'izay tsy mino, fa minoa," hoy Jesosy. Hoy koa i Jesosy nanao hoe, "Sambatra kosa izay tsy nahita, nefa nino." Ry namako, ndeha isika mba tsy ho toan'i Tomasy izay tsy nino an'Andriamanitra. Andeha isika ho toan'i Abrahama izay nino ny teny fikasan'Andriamanitra ary nankatoa Azy. Amin'ny alalan'ny fahatokiantsika an'i Tompo Jesosy sy ny fankatoavantsika Azy no ahafahantsika manatona sy mahafantatra an'Andriamanitra, ary ahazoantsika handray ilay fanomezana dia ilay fiainana mandrakizay.

관련정보

무료 다운로드 - 여기에서 다운로드 가능한 여러 언어로 된 주요 GRN 메시지 스크립트, 그림 및 기타 관련 자료를 찾을 수 있습니다.

"Look, Listen and Live" 시청각 자료 - 8개 프로그램의 24개 그림은 각각 체계적인 전도와 그리스도 교육에 매우 적합합니다. 이 시리즈는 구약의 등장 인물과 예수님의 삶, 그리고 젊은 교회에 대하여 배울 수 있으며 수백개의 언어로 제공됩니다.

GRN 시청각 자료 활용 하기 -파트1: 복음 공유를 쉽게 - 이 글은 사역에 사용될 수 있는 다양한 GRN 시청각 자료에 대해 소개합니다.

GRN 시청각 자료 활용하기-파트2: 더 많이 배우기 - 이 글은 어떻게 사람들이 이야기로부터 배우는지, 그리고 왜 이야기에 많은 주석이 없는지에 대한 이유에 대해 추가적으로 설명 합니다.

GRN 오디오 도서관 - 전도와 기본 성경 가르침을 위한 자료는 mp3, CD, 카세트 테이프 형태로 사람들의 필요와 문화에 맞추어졌습니다. 녹음은 성경이야기, 전도 메시지, 말씀 읽기, 노래를 포함하여 다양한 스타일로 구성되었습니다.

Copyright and Licensing - GRN shares it's audio, video and written scripts under Creative Commons

Creating DVDs using the GRN Slide show Videos - How to burn DVDs for specific people groups you are trying to reach

Choosing the right audio or video format - What audio and video file formats are available from GRN, and which one is best to use?