Jereo, Henoy, Hiaino Boky 6 Jesosy - Ilay Mpampianatra

Jereo, Henoy, Hiaino Boky 6 Jesosy - Ilay Mpampianatra

План-конспект: From Matthew and Mark. 24 sections. It has a picture book to go along with the recording.

Номер текста: 423

Язык: Malagasy Merina

Тема: Sin and Satan (Deliverance, Light/Darkness, Sin, disobedience); Christ (Son of God, Life of Christ, Authority, Jesus, Our Shepherd); Eternal life (Salvation, Broad & Narrow Ways); Character of God (Grace and Mercy, Nature, character of God, Word of God (the Bible), Power of God / Jesus); Living as a Christian (Prayer, petition, Obedience, Forgiveness, Faith, trust, believe in Jesus, Children of God, Assurance, Spiritual Life, Christian values); Bible timeline (End Time, Second Coming, Gospel, Good News); Problems (Evil Spirits, demons, Sickness, Problems, troubles, worries)

Aудитория: General

Стиль: Monolog

Жанр: Bible Stories & Teac

Цель: Teaching

Библейская цитата: Extensive

статус: Publishable

Текст программы

Lafiny A Jesosy - Ilay Mpampianatra Teny Fampidirana

Lafiny A Jesosy - Ilay Mpampianatra Teny Fampidirana

Fiarabana ho anareo ry namako. Andeha hahafantatra ilay Mpampianatra lehibe indrindra amin'ny mpampianatra rehetra. Ny anarany dia Jesosy Kristy isika. Raiso ny boky mangamanga ary rehefa maheno izao feo (FAMANTARANA) izao ianao, dia avadio ny sary manaraka.

Sary 1: Jesosy Mampianatra Ny Olona

Sary 1: Jesosy Mampianatra Ny Olona

Matio 5

Eto amin'ity sary ity, Jesosy Kristy dia mampianatra ny olona ny amin'Andriamanitra. Jesosy dia avy amin'Andriamanitra satria Izy dia Zanaka lahitokan'Andriamanitra, Fantany avokoa ny momba an'Andriamanitra. Noho ny olona miheritreri-dratsy sy manao asa ratsy, dia tafasaraka amin'Andriamanitra izy ireo. Andriamanitra dia tia ny olona. Jesosy dia avy amin'Andriamanitra mba hampianatra ny olona ny fomba hahafantaran'izy ireo an'Andrimanitra. Henoy tsara ange! dia hampafantariko anao inona moa no nampianarin'i Jesosy ny olona. Izany dia anampy anao hahafantatra ny amin'ilay Andriamanitra marina sady velona.

Sary Faha 2: Ireo Trano Roa

Sary Faha 2: Ireo Trano Roa

Matio 7:24-27

Jesosy dia nanambara tantara ny amin'ireo lehilahy roa eto amin'ity sary ity. Ny lehilahy iray nanorina ny tranony teo ambonin'ny vatolampy. Ny vatolampy dia fototra mafy. Rehefa tonga ny tafio-drivotra, dia tsy nianjera ny trano. Ilay lehilahy iray kosa nanorona ny tranony teo ambonin'ny fasika. Rehefa tonga ny tafio-drivotra, dia nianjera ny trano. Jesosy nilaza fa ilay lehilahy izay nanorian ny tranony teo ambonin'ny vatolampy dia lehilahy manan- tsaina. Isika dia mila manorona ny fiainantsika amin'ny fototra mafy. Jesosy no fototra mafy ho antsika ary mila isika mamkatoa ny fampianarany. Raha mankatoa Azy isika, dia hanampy antsika Izy mba handresy an'i satana, ary ireo sain-dratsy sy asa ratsy eo amin'ny fiainantsika.

Ary Jesosy ho tonga herintsika sy hanoro lalana antsika mandrakariva, eny fa na dia tonga aza ny fahasarotam-piainana.

Sary Faha 3: Ny Jiro Dia Tokony Ho Hita

Sary Faha 3: Ny Jiro Dia Tokony Ho Hita

Matio 5:14-16

Jereo, fa ireo lehilahy eo amin'ny sary dia manana jiro. Inona moa no ataonao amin'ny jiro eo amin'ny haizina? Ny lehilahy iray eo amin'ny sary dia mitazona ny jirony ambony mba hahazoan'ny tsirairay hazavana ao an-trano. Ilay lehilahy iray dia adala. Izy dia nametraka ny jirony tao ambany harona. Jesosy no fahazavan'izao tontolo izao ary Izy dia mampiseho antsika ny lalana mankany amin'Andriamanitra. Rehefa matoky Azy isika, dia ankatoavy ny teniny ary hiaino araka izany, ny n olona sasany dia ahita ny fahazavan'i Jesosy eo amintsika. Jesosy nano hoe, "Aoka hazava eo amason'ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo izay any an- danitra."

Sary Faha 4: Ilay Romana Mamono Jiosy

Sary Faha 4: Ilay Romana Mamono Jiosy

Matio 5:38-42; Romana 12:19

Raha nipetraka teo amin'ny tanin'ny Jiosy Jesosy, dia ireo vahiny Romana no nifehy azy ireo. Matetika ireo miaramila Romana dia mampijaly mafy ireo Jiosy, araka izay hitanao eo amin'ny sary. Ilay miaramila dia naka ny akanjon'ilay lehilahy. Inona no tokony hataon'io lehilahy io? Jesosy nanao tamin'ny olona nanao hoe, "Aza manohitra izay manisy ratsy anao. Fa na zovy na zovy no mahamely tahamaina ny takolakao ankavanana, atolory azy koa ny anakiray. Ka izay ta-haka ny akanjonao, dia avelao ho azy koa ny lambanao." Tsy tokony hamaly izay manao ratsy antsika isika, fa Andriamanitra efa nanao hoe, "Ahy ny fahamalina, Izaho no hamaly." Andriamanitra dia hanafay izay mbola manohy ny fanaovan-dratsy. Izany famaizana izany dia na eto ami'izao fiainana izao na aorian'ny fahafatesana. Fa Izy nampilaza antsika mba hamaly soa ny ratsy. Andriamanitra dia hankasitraka izany.

Sary Faha 5: Mivavaka Amin'Andriamanitra

Sary Faha 5: Mivavaka Amin'Andriamanitra

Matio 6:5-15

Eto amin'ity sary ity dia misy lehilahy roa mivavaka amin'Andriamanitra. Ny lehilahy iray dia mitsangana eny an-joron-dalana, ka manao teny maro foana. Tiany ny ho hitan'ny olon-drehetra ka mba hanome dera ho azy. Andriamanitra dia tsy mamaly ny vavaka toy izany.

Fa kosa isika dia tokony tahaka ilay lehilahy iray eo amin'ny sary izay mivavaka amin'Andriamanitra ao an'efi-tranony ka tsy misy olona mahita azy. Manetritena sy tsotra izy eo am-piresahana amin'Andriamanitra. Andriamanitra dia maheno sy mamaly ny vavaka toy izany. Jesosy nanao hoe, "Fa hianao kosa, raha mivavaka, dia midira ao amin'ny efi-tranonao, ka rehefa voarindrinao ny varavaranao, dia mivava amin'ny Rainao, Izay mahita ao amin'ny mangingina, no hamaly anao." Jesosy koa nilaza fa Andriamanitra mahafantatra ny zavatra ilaintsika, eny fa na dia mialohan'ny hangatahantsika Azy aza. Tsy voatery haverimberina aminy ny zavatra ilaintsika tahaka ny fanaon'ny olona tsy mahalala an'Andrimanitra. Jesosy nanao hoe, "Koa amin'izany mivavaha toy izao hianareo: Rainay izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anarano. Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao ety an- tany tahaka ny any an-danitra. Omeo anay anio izay hanina sahaza ho anay. Ary mamela ny helokay tahaka ny namelanay izay meloka taminay. Ary aza mitondra anay ho amin'ny fakam- panahy, fa manafaha anay amin'ny ratsy."

Sary Faha 6: Ny Ratsy Mamafy Voan-Tsimparifary

Sary Faha 6: Ny Ratsy Mamafy Voan-Tsimparifary

Matio 13:24-30; 13:36-43

Ny olon-dratsy dia mamafy voan-tsimparifary eny an-tanim-bary vao. Ireny olona ireny dia fahavalon'ny tompon'ny tany. (Ny voa-tsimparifary dia mitovitovy amin'ny voa tsara). Ny tompon'ny tany dia tsy afaka nanongotra ny voan-tsiparifary fa sao izy hanimba ny voly tsara. Niandry izy ambara-pihavin'ny fararano. Ka avy eo dia nangoniny ny voan-tsimparifary mba hodorana ary taorian'izany, dia nangoniny ny vokatra dia ny voly tsara. Ry namako, Andriamanitra dia tahaka ilay tompon'ny tany ary satana ilay olon-dratsy. Eto amin'izao tontolo izao satana dia efa namboly olon-dratsy eo an'ivon'ny olon'Andriamanitra. Rehefa tonga ny fotoana, dia ho avy indray Jesosy. Hanasaraka ny olon-dratsy amin'ireo izay matoky sy mankatoa an'Andriamanitra Izy. Jesosy dia haka ny olony hiaraka aminy mandrakizay. Fa ilay olon-dratsy kosa, dia hiaraka amin'i satana ka halefa any amin'ny helo, izay toeram-pijaliana mandrakizay sy fisarahana amin'Andriamanitra.

Sary Faha 7: Jesosy Sy Ny Zazakely

Sary Faha 7: Jesosy Sy Ny Zazakely

Matio 18:1-6, 19:13-15

Jereo ange! Indray andro dia nentin'ny olona teo amin'i Jesosy ireo zazakely. Tian'izy ireo hotahian'i Jesosy ireo zazakely ary koa mba hivavaka amin'Andriamanitra ho an'izy ireo. Ireo mpanaraka an'i Jesosy (Mpianatry Jesosy) nihezaka ny handroaka ireo ankizy. Fa Jesosy kosa dia tsy nankasitraka ireo mpanaraka Azy ka nanao hoe,

"Avelao ny zaza hanatona Ahy ary aza rarana fa an'ny toa azy ny fanjakan'Andriamanitra." Jesosy ihany koa dia nilaza tamin'ireo mpianany hoe, "Raha tsy miova hianareo ka ho tonga tahaka ny zazakely, dia tsy hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra mihitsy hianareo." Ireo olona izay te ho lehibe eo amin'ny fanjakan'Andrimanitra dia manetritena tahaka ny zazakely. Ry namako, ireo izay mirehareha ka mihevitra ny tenany lehibe noho ny hafa, dia tsy mba mpanaraka marina an'i Jesosy.

Sary Faha 8: Ny Mpiandry Ondry Sy Ny Ondry

Sary Faha 8: Ny Mpiandry Ondry Sy Ny Ondry

Matio 18:12-14

Indray andro Jesosy nampianatra ireo mpianany ary hoy Izy, "Raha misy manana ondry zato, ka mania ny anankiray, moa tsy hamela ny 99 eny an-tendrombohitra va izy ka handeha hitady ilay nania? Ary raha tahiny hitany izy, dia lazaiko aminareo marina tokoa fa mahafaly azy iny noho ny 99 izay tsy nania. Ary tahaka izany, dia tsy sitraky ny Rainareo Izay any an-danitra, raha ho very ny olona." Andriamnitra no nanao ny olona amin'izao tontolo izao. Azy avokoa izy rehetra. Raha misy olona manaraka an'i satana, dia toy ilay ondry nania izy. Jesosy dia antsoina hoe Ilay Mpiandry ondry Tsara satria tonga mba "hitady sy hamonjy" izay very niala tamin'Andriamanitra Izy. Jesosy dia mbola mitady sy mamonjy izay very.

Sary Faha 9: Ilay Mpanompo Tsy Namindra Fo

Sary Faha 9: Ilay Mpanompo Tsy Namindra Fo

Matio 18:21-35

Nisy mpanompo iray izay nananan'ny mpanjaka vola be saingy tsy voalohany izany. Noho izany dia nasain'ny mpanjaka namidy ho andevo ilay mpanompo sy ny fianankaviany. Ilay mpanompo anefa niangavy tamin'ny mpanjaka mba hanome azy fotoana hafahany mamerina ny volany. Ny mpanjaka dia onena tamin'ilay mpanompo. Ary izy dia nahafoy ny trosa taminy ka nandefa azy. Nefa nony nivoaka izany mpanompo izany,dia nahita mpanompo namany anankiray izay nananany trosa kely izay tsy voalohany. Nosamboriny izy ka notezerany mba handoa ny trosany. Satria ilay mpanompo namany tsy afka nandoa teo noho ny eo, dia nalefany tany an-tranomaizina izy mandra-pandohany ny trosany. Ireo mpanompo sasany kosa anefa dia nilaza tamin'ny mpanjaka ny zavatra nitranga. Ny mpanjaka dia tezitra mafy ka nanao tamin'ilay mpanompo ratsy fanahy hoe, "Moa tsy tokony ho namindra fo tamin'ny mpanompo namanao koa va hianao tahaka ny namindrako fo taminao?" Ny mpanjaka dia nametraka izany mpanompo izany tao an-tranomaizina mandra-pandohany ny trosany. Ry namako, mila isika mamindra fo ho an'izay manao ratsy an-tsika. Ary dia hamindra fo amin'tsika Andriamanitra amin'izay ratsy rehetra vitantsika raha toa ka tena mangataka marina aminy isika.

Sary Faha 10: Ireo Mpiasa Mahazo Ny Karamany

Sary Faha 10: Ireo Mpiasa Mahazo Ny Karamany

Matio 20:1-16

Nisy lehilahy tompon-trano, izay nivoaka ka nanakarama mpiasa ho any an-tanim-boalobony. Nifanekeny tamin'ny mpiasa fa ho denaria isan-andro, ny karamany. Ary rehefa hariva ny andro, dia tonga ireo mpiasa haka ny karamany. Ny mpiasa voalohany nomena karama dia ilay tara vao nanomboka ny asany. Asa kely fotsiny no vitany. Fa ny tompon-trano dia tsara fanahy. Nomeny denaria iray ralehilahy. Izany dia karama ho an'ny andro manontolo. Ny lehilahy faharoa dia niasa tapak'andro, ary ny lehilahy iray dia niasa andro manontolo. Kanefa ireo mpiasa rehetra dia samy nadray vola nitovy. Ilay lehilahy izay niasa andro manontolo dia nimonomonona. Nitady karama fanampiny izy. Fa hoy kosa ilay tompon-trano nanao hoe, "Ry sakaiza, tsy mba manao izay tsy marina aminao aho. Nifanaiky isika fa denaria iray no karama. Manana ny rariny amin'izay tiako hatao amin'ny volako aho. Tezitra ve hianao, satria tsara aho?" Ry namako, Andriamanitra dia tahaka ilay tompon-trano. Andriamanitra dia marina mandrakariva. Sady tsara fanahy izy no mahalala tanana ihany koa. Fanomezana mitovy no homeny izay rehetra mankatoa an'i Jesosy dia fiainana mandrakizay izany. Izany dia FANOMEZANA MAIMAI-POANA ary tsy voaloha amin'ny alalan'ny fanaovana asa-soa toy izay ataon'ny olona ety ambonin'ny tany.

Sary Faha 11: Ireo Vehivavy Dimy Tao Ivelan'Ny Varavarana

Sary Faha 11: Ireo Vehivavy Dimy Tao Ivelan'Ny Varavarana

Matio 25:1-13

Jesosy nanambara tantara ny amin'ireo vehivavy virjiny folo. Izy ireo dia eo ampiandrasana ny fiavian'ny mpampakatra sy ny fanomboan'ny fanasana. Ny dimy tamin'izy ireo dia hendry, fa ny dimy izay hitanao eto, dia adala. Rehefa tonga tampoka ilay mpampakatra tamin'ny sasakalina, dia efa vonona ireo dimy hendry hitsena azy. Samy efa vonona daholo ny fanalany ary dia nandeha tao amin'ny fanasana niaraka tamin'ny mpampakatra izy ireo. Saingy ireo dimy adala kosa dia tsy nanana solika intsony ho amin'ny fanalany, ka dia voatery nandeha ka nividy izy ireo. Rehefa lasa izy ireo dia nikatona ny varavarana. Ary rehefa tafaverina izy ireo dia niantsoantso nanao hoe, "Vohay izahay! Fa ny mpampakatra kosa namaly hoe, "Lazaiko aminareo marina tokoa; tsy fantatro hianareo." Ry namako, Jesosy dia any an-danitra ankehitriny ary Izy ihany koa no Mpampakatra any an-danitra. Ary indray andro dia ho tonga tampoka ety an-tany Izy. Tsy fantatsika hoe rahoviana moa izany. Mila vonona isan'andro isika mba hihaona aminy. Fa Jesosy dia haka ny olona rehetra izay tia sy mankato Azy mba hiaraka aminy any an-danitra, saingy maro, tahaka ireo vehivavy adala dimy, no hotafajanona any ivelany.

Sary Faha 12: Ny Tompony Sy Ireo Mpanompony

Sary Faha 12: Ny Tompony Sy Ireo Mpanompony

Matio 25:14-30

Ahoana no hafahantsika mba ho vonona ny amin'ny fiavian'i Jesosy? Henoy ange. Io lehilahy manankarena izay hitanao eo amin'ny sary io dia vao tonga tao an-tranony fa avy nandeha lavitra. Nialaohany nandehanany, dia natolony ho an'ny mpanompony ny fananany. Ny mpanompo iray nomeny talenta dimy. Ka nataony varotra izany, ary nahazo tombony talenta dimy koa izy ho an'ny tompony. Ny mpanompo iray kosa nomeny talenta roa. Ka nahazo talenta roa ho tombony izy ho an'ny tompony. Rehefa niverina ny tompon'izy ireo, dia nataony nitovy ny valim-pitian'izy roa ireo. Saingy ilay mpanompo faha-telo izay nahazo talenta iray kosa dia nanafina sy nitandrina izany. Tsy nanao na inona nainona izy mba hahazony tombony. Tezitra mafy ny tompony satria ny mpanompony dia kamo. Nalainy tamin'io mpanompony io ny volany ary noroahiny hiala teo amin'ny tranony izy. Ry namako, Jesosy no Tompon'ny Kristiana. Efa lasa any an-danitra Izy fa mbola hiverina indray ety an-tany. Efa natolony ny mpanompony ny hiaina ho Azy sy hanamabara ny hafa ny momba Azy. Efa nomeny azy ireo koa ny Fanahy Masina mba hanampy azy hanatanteraka izany. Tsara tokoa ny hampiasantsika ny zavatra rehetra hananantsika mba hanomezantsika voninahitra ho Azy ary izy dia efa nampanantena fa hanome valim-pitia izay mahafatra-po manompo Azy.

Lafiny B Jesosy Ilay Mpanasitrana Teny Fampidirana

Lafiny B Jesosy Ilay Mpanasitrana Teny Fampidirana

Jesosy dia nampianatra ny olona ny amin'Andriamanitra, nasehony azy ireo ihany koa fa nanana hery lehibe avy amin'Andriamanitra Izy . Jereo eo amin'ny sary ary havadio ny manaraka rehefa maheno feo hianao.

Sary Faha 13: Jesosy Dia Natao Batisa

Sary Faha 13: Jesosy Dia Natao Batisa

Marka 1:4-11

Eto amin'ity sary ity dia mahita an'i Jesosy isika (mialohan'ny nanomboany hampianatra). Ilay lehilahy izay miaraka aminy (ao anty rano) dia Jaona mpanao batisa. Jaona nahafantatra fa indray androa Jesosy dia ho tonga avy amin'Andriamanitra. Jaona dia efa nampitandrina ireo Jiosy fa mila miodina amin'ny lalan-dratsiny izy ireo ka manaraka an'i Jesosy. Ireo izay nino fa avy amin'Andriamanitra ny hafatry Jaona dia natao batisa ny rano teo amin'ny reniranon'ny Jordana. Ny batisan'i Jaona dia marika fa izy ireo dia te hiova eo amin'ny fiainany ary hiaina araka izay sitra- pon'Andriamanitra. Jaona nanao hoe, "Avy ao aoriako Ilay mahery noho izaho...Izaho efa nano batisa anareo tamin'ny rano, fa Izy kosa hanao batisa anareo amin'ny Fanahy Masina. Avy eo Jesosy tonga teo amin'i Jaona. Jesosy dia mbola tsy nanota mihintsy kanefa tiany no hatao batisa. Raha vao nivoaka avy ao anaty rano Jesosy, dia nisy zava-mahagaga nitranga. Nisokatra ny lanitra ary ny fanahin'Andriamanitra nilatsaka teo ambonin'i Jesosy izay tahaka ny voromailala. Ary nisy feon'Andriamanitra avy tany an-danitra nanao hoe, "Hianao no Zanako malalako, Hianao no sitrako."

Sary Faha 14: Jesosy Miantso Ireo Mpianatra

Sary Faha 14: Jesosy Miantso Ireo Mpianatra

Marka 1:12-20

Rehefa vita batisa Jesosy, dia navelan'Andriamanitra haka fanahy Azy satana. Satana dia nampiasa ny tenin'Andriamanitra amin'ny tsy tokony ho izy amin'ny fanaovana fakam-panahy. Fa Jesosy kosa dia nandresy an'i satana tamin'ny alalan'ny fitenenana taminy ireo teny izay avy amin'ny tenin'Andriamanitra, sy ny herin'ny Fanahy Masina. Taorian'ny nandreseny an'i satana, Jesosy dia nandeha nanantanteraka izay nanirahan'Andriamanitra Azy ho tanterahany. Andriamanitra naniraka ny Zanany Jesosy Kristy tety an-tany mba hitory ny vaovao mahafalin'Andriamanitra, mba hampianatra ny olona, mba hanasitrana ny marary ary hanapotika ny asan'i satana.

Indray andro Jesosy raha nandeha teo ambonin'ny ranomasin'ny Galilia, dia nahita rahalahy roa(Simona sy Andrea) nanipy ny haratony teo amin'ny rano, ary izy ireo dia mpanarato. Jesosy nanao tamin'izy ireo hoe, "Andeha hanaraka Ahy, fa hataoko mpanarato olona hianareo." Dia nandao ny haratony niaraka tamin'izay izy ka nanaraka an'i Jesosy. Jesosy ihany koa nahita rahalahy roa hafa(Jakoba sy Jaona). Izy ireo dia teo am-pikarakarana ny haratony. Izy ireo ihany koa dia nanaraka an'i Jesosy avy hatrany rehefa niantso azy Izy. Jesosy dia nisafidy lehilahy 9 ihany koa. Ireo lehilahy 12 ireo no lasa mpianany(mpanaraka akaiky Azy) mba hiaraka aminy sy mba hianatra aminy. Avy teo ireo mpianatra 12 dia lasa apostolin'i Jeosy, izany dia midika hoe, Ireo hiraka. Nitory ny vaovao mahafalin'i Kristy izy ireo ary nanasitrana ny marary tamin'ny naran'i Jesosy. Taty aoriana Jesosy dia nanome azy ireo hery tamin'ny alalan'ny Fanahy Masina,mba handresy ny fanahy ratsy, sy handroaka azy. Ary nialohan'ny niverenan'i Jesosy tany an-danitra, dia nomeny an'ireo mpianany 11 ity didy ity, "Mandehana hianareo, dia hataovy mpianatra ny firenena rehetra...ary mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo." Izany dia midika fa izay rehatra te ho mpianatra ankehitriny(na lahy, na vavy, na zazavavy, na zazalahy) dia tsy maintsy vonona ny hankatoa ny didin'i Tompo Jesosy sy hilaza amin'ny sasany ny vaovao mahafalin'i Jesosy, ary hanao izany amin'ny herin'ny Fanahy Masina. Ny Tompo Jesosy efa nitsangana tamain'ny maty no hiaramandeha amin'izy ireo ary Andriamanitra hiasa amin'ny alalan'izy ireo.

Sary Faha 15: Ilay Lehilahy Boka

Sary Faha 15: Ilay Lehilahy Boka

Marka 1:40-45

Indray andro nisy lehilahy boka(izay haretin-koditra mahatsiravina)nanatona an'i Jesosy. Nandohalika teo anatrehan'i Jesosy izy ka nitaraina taminy, "Raha mety hianao, dia mahay manadio ahy." Ireo olona sasany dia natahotra hanatona ilay lehilahy noho ny haretiny, fa Jesosy kosa dia onena azy. Jesosy nikasika azy ka nanao hoe, "Mety Aho, madiova hianao." Ary niaraka tamin'izay dia niala taminy ny habokany. Faly loatra izy ka nolazainy tamin'ny olona izany. Ry namako, ny fahotana dia tahaka ny habokana. Izany dia mampisaraka an-tsika amin'Andriamanitra sy amin'ny olona. Fa raha toa isika manatona an'i Jesosy dia hanadio an-tsika amin'ny fahotana Izy.

Sary Faha 16: Ilay Lehilahy Tonga Avy Any An-Tafotrano

Sary Faha 16: Ilay Lehilahy Tonga Avy Any An-Tafotrano

Marka 2:1-12

Indray andro Jesosy dia tao an-trano, nampianatra ny olona ny amin'Andriamanitra.

Tamin'izany fotoana izany dia nisy lehilahy efatra te hitondra lehilahy iray mararin'ny paralysia(lehilahy tsy afaka mandeha) ho eo amin'i Jesosy, saingy nohon'ny habetsahan'ny vahoaka, dia tsy afaka niditra izy ireo. Ka dia nanesorany ny tafotrano ka nampidininy teo amin'ny lavaka ilay lehilahy marary ny paralysia. Jesosy nahita ny fahatokisan'izy ireo taminy. Ary hoy izy tamin'ilay lehilahy narary, "Anaka, voavela ny helokao." Ary ireo mpanora-dalana vitsivitsy tezitra raha nahare izany. Hoy izy ireo hoe, "Iza no mahavela heloka afa-tsy Iray ihany, dia Andriamanitra? Izy ireo dia tsy nino fa Jesosy dia avy amin'Andriamanitra. Ary avy eo Jesosy nanao tamin'ilay lehilahy paralysia hoe, "Mitsangana, betao ny ny fandrianao, ka modia any an-tranonao!" Sitrana ilay lehilahy! Tamin'ny alalan'izany no nanehoan'i Jesosy an'izy ireo fa avy amin'Andriamanitra Izy. Manana hery hamela heloka Izy, tahaka ny hananany ny herin'Andriamanitra mba hanasitrana ny marary. Isika rehetra dia te ho sitrana rehefa marary, fa kosa ny tena zava-dehibe dia ny fangatahantsika amin'i Jesosy mba hamelany ny helontsika, ary mba hahazo ilay fanomezana dia ny fiainana mandrakizay.

Sary Faha 17: Jesosy Manasitrana Ny Tanan'Ilay Lehilahy

Sary Faha 17: Jesosy Manasitrana Ny Tanan'Ilay Lehilahy

Marka 3:1-5

Eto dia hitantsika Jesosy ao amin'ny tranon'Andriamanitra, izay antsoina hoe tempoly. Teo ihany koa ireo mpanora-dalana. Izany dia andro manokana amin'ny herin-andro izay hanompoan'ireo Jiosy an'Andrimanitra. Ny lalan'izy ireo dia milaza fa tsy misy olona tokony hiasa amin'io andro io. Nisy lehilahy izay maty(nalemy) tanana anefa teo. Ireo Jiosy dia nijery an'i Jesosy mba hahitany raha hanasitrana ilay lehilahy Izy. Jesosy dia niahy ny olona ary mbola manatanteraka izany Izy. Ireo mpanora-dalana dia tsy nanao izany. Tian'izy ireo ny handikan'i Jesosy ny lalana mba hahafanany mamono Azy. Jesosy nanotany ireo mpitondra nanao hoe, "Inona moa no mety hatao amin'ny andro toy izao, ny manao soa va, sa ny mahafaty? Tsy nisy niteny ireo Jiosy fa nanamafy ny fony. Ary hoy Jesosy tamin'ilay lehilahy, "Ahinjiro ny tananao!" Dia nahinjiny ary ny olona rehetra dia nahita fa ny tanany dia sitrana sy natanjaka. Ry namako, mila manompo sy mankatoa an'Andriamanitra isika, ary mila miahy ny hafa ihany koa! Raha tsy izany ny fanompoan-tsika an'Andriamanitra dia ho banga sy tsy misy antony.

Sary Faha 18: Jesosy Mampitsahatra Ny Tafio- Drivotra

Sary Faha 18: Jesosy Mampitsahatra Ny Tafio- Drivotra

Marka 4:35-41

Eto amin'ity sary ity dia hitantsika Jesosy ary ireo mpianany eo ambony sambokely.

Nentin'izy ireo niampita ny renirano be Izy. Tampoka teo anefa dia nisy tafio-drivotra mahery nitsoka. Tafiditra tao anaty sambo ny rano ka saika nilentika ny sambokely. Jesosy dia natory teo am-bodin'ny sambokely. Ary namoa Azy ny mpianany ka nanao tamny hoe, "Mpamapianatra o, tsy mampaninona Anao va izao hafatesanay izao? Ary nifoa Jesosy, dia niteny mafy ny rivotra sady nilaza tamin'ny ranomasina hoe, "Mangina, mitsahara!" Ary dia nitsahatra ny rivotra. Dia hoy Jesosy tamin'ireo mpianany, "Nahoana no saro-tahotra hianareo? Tsy mbola manam-pinoana va hianareo?" Ireo mpianatra dia talanjona ka nanao hoe, "Iza moa ity, fa ny rivotra sy ny ranomasina aza manaiky Azy?" Ry namako, isika dia mahafantatra fa Jesosy dia Andriamanitra ary manana fahefana amin'ny olona rehetra, sy ny fanahy rehetra ary ny zavatra rehetra (izay nohariny) Izy. Noho izany dia afaka mahatoky an'i Jesosy isika mba hiaro antsika ary mba hanome fiadanana ihany koa amin'ny ady sarotra.

Sary Faha 19: Ilay Vehivavy Tao Afovoan'Ny Olona

Sary Faha 19: Ilay Vehivavy Tao Afovoan'Ny Olona

Marka 5:25-34

Hitanao ve io vehivavy eo afovoan'ny olona io? Izy io dia efa narary nandritra ny 12 taona, ary niharatsy hatrany izany. Naheno ravehivavy fa Jesosy dia afaka nanasitrana olona. Ary hoy izy tamin'ny tenany, "Na dia ny fitafiany ihany aza no voatendriko, dia ho sitrana aho." Ka dia lasa ravehivavy namakivaky ny vahoaka ka nankeo ivohan'i Jesosy ka nanendry ny lambany. Ary niaraka tamin'izay dia ritra ny loharanon'aretiny, ka tsaroany tao amin'ny teneny fa sitrana izy. Fantatr'i Jesosy fa nisy hery niala taminy. Nijanona Izy ka nanao hoe, "Iza izany nanendry ny lambako izany? Nisy olona betsaka nanodidina an'i Jesosy, fa ravehivavy nahafantatra ny zava-nitranga taminy. Raiki-tahotra ravehivay raha nankeo aminy, ka niankohoka teo anatrehany ary nanambara taminy ny marina rehetra. Jesosy nanao hoe, "Anaka, ny finoanao no nahasitrana anao; mandehana soa amantsara, ary sitrana amin'ny aretinao." Maro tokoa ny olona eto amin'izao tontolo izao, fa Jesosy mahafantatra ny tsirairay avy, ary miahy ny amin'izy ireo. Izy koa dia miahy anao. Noho izany tiany koa hianao hanatona ka hatoky Azy. Ny tenin'Andriamanitra dia mampianatra antsika fa Jesosy dia mbola afaka manasitrana ho an'ireo izay mametraka fitokisana aminy.

Sary Faha 20: Jesosy Sy Ilay Fatin-Jazavavy

Sary Faha 20: Jesosy Sy Ilay Fatin-Jazavavy

Marka 5:22-24, 35-43

Indray mandeha Jesosy dia teny an-dalana ho any amin'ny tranon'i Jairo.

Jairo dia lehilahy nanana ny maha izy azy teo amin'ny synagogan'ny Jiosy. Ny zanany vavy dia narary mafy. Niantso an'i Jesosy izy mba hanasitrana an-drazazavavy, saingy nialohan'ny nahatongavan'i Jesosy teny dia efa maty ilay zaza. Jesosy nanao tamin'i Jairo hoe, "Aza matahotra, fa minoa fotsiny ihany." Tao an-ranon'i Jairo ny olona dia nitomany fa Jesosy dia nandroaka azy rehetra. Jesosy naka an'i Jairo sy ny vadiny ary ny telo tamin'ireo mpianany ho ao an-trano misy ilay faty. Nandray ny tanan-drazazavavy Izy ka niteny taminy hoe, "Ry zazavavy hoy Izaho aminao, Mitsangana." Dia nitsangana niaraka tamin'izay razazavavy ka afa-nandeha ary nomen'izy ireo hanina izy. Eny Jesosy dia manana fahefana na dia amin'ny fahafatesana aza. Izay rehetra mino sy manaraka Azy dia tsy tokony hatahotra ny fahafatesana.

Sary Faha 21: Jesosy Sy Ilay Vehivavy Vahiny

Sary Faha 21: Jesosy Sy Ilay Vehivavy Vahiny

Marka 7:24-30

Indray andro dia nisy vehivavy vahiny iray nanatona an'i Jesosy. Ny zanany vavy tanora dia azom-panahy maloto. Nangataka taminy izy mba hamoaka ny demonia amin'ny zanany vavy. Fa hoy Jesosy taminy, "Aoka ho voky aloha ny zaza; fa tsy mety raha maka ny mofon-jaza ka manipy azy ho an'ny amboakely." Fa ravehivavy namaly ka nanao taminy hoe, "Eny, Tompoko; kanefa na dia ny amboakely ao ambany latabatra aza dia mba mihinana ny sombintsombin'ny mofon-jaza ihany." Dia hoy Jesosy taminy, "Noho izany teny izany mandehana hianao; efa nivoaka tamin'ny zanakao vavy ny demonia." Ary raha nandeha nody ravehivavy dia nahita fa ny demonia dia efa nivoaka tamin'ny zanany vavy. Jesosy dia tia manampy ny olona rehetra avy amin'ny fokon'olona samy hafa sy ny firenena rehetra. Tahaka ny nataon'ilay vehivavy, Jesosy dia tiantsika hametraka fitokisana aminy. Jesosy dia mahery mba hanafaka antsika amin'ny fahotana sy ny herin'ny satana.

Sary Faha 22: Jesosy Sy Ilay Lehilahy Marenina Sady Raiki-Dela

Sary Faha 22: Jesosy Sy Ilay Lehilahy Marenina Sady Raiki-Dela

Marka 7:31-37

Nisy olona nitondra lehilahy iray teo amin'i Jesosy. Izy io dia narenina hatrany am-piterahana ary tsy afaka niteny tsara. Niangavy an'i Jesosy izy ireo mba hametra-tanana amin-dralehilahy. Nalan'i Jesosy ralehilahy hiala tamin'ireo vahoaka. Ary Jesosy nangarona ny sofiny tamin'ny ratsan-tanany. Ary nandrora ka nanendry ny lelany. Jesosy niandrandra ny lanitra ka nanao hoe, "Maladia!" Dia nalady ny sofiny ary nahateny tsara izy. Dia talanjona indrindra ny olona ka nanao hoe, "Tsara ny nanaovany ny zavatra rehetra; fa sady mampalady ny marenina Izy no mampiteny ny moana."

Ry namako, isika rehetra dia mila mahazo izany fampianarana izany izay avy amin'ny tenin'Andriamanitra, fa Andriamanitra dia miteny amin-tsika amin'ny alalan'ny teniny. Tahaka ny nanasitranan'i Jesosy ny sofin'ilay lehilahy mba haheno teny ary ny lelany mba hiteny amin'ny olona, noho izany Jesosy koa dia afaka mampangetaheta antsika hiheno ny tenin'Andriamanitra, mba hafantarantsika ny sitra-pon'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika. Izany dia tanterahany amin'ny alalan'ny asan'ny Fanahy Masina ao amintsika. Tahaka ilay lehilahy marenina, isika koa dia tokony hilaza ny sasany ny amin'Andriamanitra.

Sary Faha 23: Jesosy Mampahita Ilay Lehilahy Jamba

Sary Faha 23: Jesosy Mampahita Ilay Lehilahy Jamba

Marka 8:22-26

Tamin'ny andro iray dia nisy olona vitsivitsy nitondra lehilahy jamba teo amin'i Jeosy mba hositraniny. Jesoy nitantana ilay lehilahy jamba ka nitondra azy teny ivelan'ny tanana. Nororany ny masony, ka napetrany taminy ny tanany, dia nanotany hoe Izy: "Mahita zavatra va hianao? Dia namaly ralehilahy ka nanao hoe, "Mahita ny olona aho; fa toa hazo no fijeriko azy, saingy mamindra." Dia napetraky Jesosy tamin'ny masony indray ny tanany. Dia nibanjina ralehilahy ka nahiratra tsara, ary hitany miharihary ny zavatra rehetra. Ry namako, satana dia tsy tiantsika mba hahafantatra an'i Jesosy na hahazo ny teniny. Rehefa mahatoky an'i Jesosy isika, dia hataony hahita sy hahazo tsara ny fahamarinany, amin'ny alalan'ny asan'ny Fanahy Masina. Mila isika mivavaka isan'andro ary mangata aminy mba hanatanteraka izany.

Sary Faha 24: Jesosy Manasitrana Ilay Zazalahy Nisy Demonia

Sary Faha 24: Jesosy Manasitrana Ilay Zazalahy Nisy Demonia

Marka 9:14-29

Indray andro dia nisy lehilahy iray nitondra ny zanany lahy teo amin'ny mpianatry Jesosy. Nangataka tamin'izy ireo izy mba handroaka ny fanahy maloto tao amin'ny zanany, saingy tsy vitany izany. Ary avy eo dia nentiny teo amin'i Jesosy ny zanany lahy. Raha vao nahita an'i Jesosy ilay fanahy maloto, dia nampifanintontsintona ny tenany niaraka tami'izay ny fanahy. Dia lavo sady nitsinkasinkasina tamin'ny tany izy, no nandoa vory. Ny rain'ilay zazalahy dia nanana fanantenana fa Jesosy dia afaka manampy azy ireo, ary hoy izy tamin'i Jesosy, "Fa raha mba misy hainao, dia mamindra fo aminay, ka vonjeo izahay." Fa hoy Jesosy taminy, "Hainao hoe? Ny zavatra rehetra dia hain'ny mino." Ny rain'ilay zaza namaly nanao hoe, "Mino aho; vonjeo aho ho afaka amin'ny tsy finoako." Ary nony hitan'i Jesosy fa nihazakazaka nanatona azy ny vahoaka, dia niteny mafy mafy tamin'ny fanahy maloto Izy.

"Ry fanahy moana sy marenina! Izaho mandidy anao: mivoaha aminy ka aza miditra ao anatiny intsony." Ilay fanahy maloto nikiakiaka ary nivoaka tao anatin'ilay zazalahy. Ary efa toy ny maty, ka dia nataon'ny maro hoe, "Maty." Fa Jesosy nandray ny tanany ka nanarina azy dia nitsangana izy. Afa kelikely dia nanontany an'i Jesosy mangingina ny mpianany hoe, "Nahoana izahy no tsy nahavoaka azy?" Ary hoy Jeosy taminy, "Iny karazany iny tsy mba azo avoaka na amin'inona na amin'inona, afatsy amin'ny fivavahana ihany." Fotoa fohy taorin'ny nitrangan'izany, dia novonoin'ireo mpitondra Jiosy Jesosy. Fa tamin'izany indrindra anefa Jesosy no nanao ny fahagagana lehibe indrindra. Nitsangana tamin'ny maty Izy. Nandresy an'i satana sy ny fahafatesana mandrakizay Izy. Jesosy dia lehibe nohon'ny fanahy rehetra sy ny andriamantra rehetra eto amin'izao tontolo izao ary manana fahefana amin'ny zavatra rehetra. Fa Jesosy dia Andriamanitra tokana sady marina.

Схожая информация

Free downloads - Here you can find all the main GRN message scripts in several languages, plus pictures and other related materials, available for download.

"Look, Listen and Live" audio-visual - A set of 8 programs of 24 pictures each for evangelism and Christian teaching. The series presents Old Testament characters, the life of Jesus, and the young church.

How to use GRN Audio visual resources - 2: Going Deeper - This article gives further explanation of how people learn from the stories, and why the stories do not have a lot of commentary.

Аудиотека GRN - Евангелистские и базовые Библейские учебные материалы , присущие людским нуждам и культуре в различных стилях и форматах

Copyright and Licensing - GRN shares it's audio, video and written scripts under Creative Commons

Creating DVDs using the GRN Slide show Videos - How to burn DVDs for specific people groups you are trying to reach

Choosing the right audio or video format - What audio and video file formats are available from GRN, and which one is best to use?