Jereo, Henoy, Hiaino Boky 7 Jesosy No Tompo

Jereo, Henoy, Hiaino Boky 7 Jesosy No Tompo

रुपरेषा: From Luke and John. 24 sections. It has a picture book to go along with the recording.

स्क्रिप्ट क्रमांक: 424

इंग्रजी: Malagasy Merina

थीम: Sin and Satan (Judgement, Sin, disobedience); Christ (Resurrection of Jesus, Son of God, Saviour of Sinful Men, Birth of Christ, Death of Christ, Life of Christ, Authority); Eternal life (Salvation, Eternal / everlasting life); Character of God (Grace and Mercy, Nature, character of God, Word of God (the Bible), Power of God / Jesus); Living as a Christian (Worship, Second Birth, Peace with God, Forgiveness, Faith, trust, believe in Jesus, Spiritual Life, Christian values); Life event (Death); Bible timeline (Gospel, Good News); Problems (Sickness, Problems, troubles, worries)

प्रेक्षक: General

शैली: Monolog

शैली: Bible Stories & Teac

उद्देश: Teaching

स्थिती: Publishable

स्क्रिप्ट मजकूर

Lafiny A Jesosy No Tompo Teny Fampidirana

Lafiny A Jesosy No Tompo Teny Fampidirana

Ry namako, marina tokoa ve fa ilay antsoina hoe Jesosy dia zanak'Andriamanitra sy afaka manome antsika fiainana mandrakizay? Ny nahaterahan'i Jesosy, ny fahagagana nataony, ny fiainany, ny fitsanganany tamin'ny maty ary ny teniny, dia mampiseho antsika fa zanak'Andriamanitra Izy. Rehefa miheno ity kasety ity hianao, dia jereo ny sary ao amin'ny boky mavokely. Rehafa maheno toy izao hianao, (FAMANTARANA) dia havadio ny sary manaraka.

Sary 1: Ny Nahaterahan'I Jesosy

Sary 1: Ny Nahaterahan'I Jesosy

Jaona 1:1-14; Lioka 2:1-11

Jereo ny sary. Tranon'omby io hitantsika io. Hitantsika koa fa misy zazakely vao teraka sy vehivavy iray, renin'ny zaza, ary ny vadin-dravehivavy sy lehilahy telo, izay mpiandry ondry. Izy ireo dia samy mijery ilay zazakely. Jesosy no anaran'io zazakely io. Lehilahy iray mandoalika eo anatrehan'i Jesosy zazakely. Inona moa no antony mahatonga azy hanao izany? Ny antony dia, satria Jesosy dia zazakely miavaka indrindra tamin'ny izay zazalahy kely teraka rehetra teto an-tany. Nialohan'ny nahaterahan'i Jesosy teto amin'ity tany ity, dia efa niaraka tamin'Andriamanitra Izy (tany amin'ny toerana antsoina hoe lanitra) ary ny zavatra rehatra dia nohariana tamin'ny alalan'i Jesosy. Andriamanitra dia Fanahy; fa nampiseho ny tenany tao amin'i Jesosy Izy, izay teraka raha mbola virjiny ny reniny. Izany dia natao tanteraka tamin'ny alalan'ny Fanahin'Andriamanitra. Izany Fanahy izany ihany koa dia velona tao anatin'i Jesosy. Izany rehetra izany dia midika fa Jesosy dia Andriamanitra. Jesosy dia tonga mba hanafaka antsika ho afaka amin'ny fahotana sy hampiseho antsika ny fomba hatongavantsika ho zanak'Andriamanitra.

Sary Faha 2: Jesosy Nanova Ny Rano Ho Tonga Divay

Sary Faha 2: Jesosy Nanova Ny Rano Ho Tonga Divay

Jaona 2:1-11

Nony efa lehibe Jesosy, dia tao amin'ny fanasana fampakaram-bady Izy indray andro. Ireo mpianany sy ny reniny nantsoina hoe Maria, dia niaraka taminy. Maria nahafantatra fa Jesosy dia zanak'Andriamanitra, ary rehefa lany ny divay, dia notenenin-dreniny taminy izany. Ary hoy reniny tamin'ireo mpanompo, " Ataovy izay asainy ataonareo!" Ary nisy siny vato enina nipetraka teo akaiky teo. Ary hoy Jesosy tamin'ny mpanompo, "Fenoy rano ny siny." Dia nataony izany. Ary hoy Izy, "Tovozy amin'izao, ka ento ho eo amin'ny mpandahatra ny fanasana." Ny rano dia lasa divay tsara indrindra! Ireo mpianatry Jesosy nanomboka nahita fa nanana hery lehibe avy amin'Andriamanitra Izy, ary dia nino Azy ireo.

Sary Faha 3: Ny Resaky Jesosy Tamin'I Nikodemosy

Sary Faha 3: Ny Resaky Jesosy Tamin'I Nikodemosy

Jaona 3:1-36

Nikodemosy dia mpanapaka sy mpampianatra teo amin'ny Isiraely. Naheno izy fa Jesosy dia afaka nanao fahagagana. Nahafantatra izy fa Jesosy dia tsy maintsy avy amin'Andriamanitra. Indray alina dia nakeny amin'i Jesosy izy mba hiresaka ny amin'ny momba an'Andriamanitra sy ny fahagagana nataon'i Jesosy. Hoy Jesosy taminy, "Lazaiko aminao marina dia marina tokoa, raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan'Andriamanitra." Hoy Nikodemosy taminy, "Hataon'ny olona ahoana no hateraka rehefa lehibe izy?" Jesosy namaly hoe, "Izay hateraky ny nofo dia nofo, ary izay hateraky ny fanahy dia fanahy." Izany dia midika fa ny olona rehetra izay mino sy mankato ny Tompo Jesosy Kristy, dia nateraka indray. Ireo mpino ireo dia velona mandrakizay, satria ny Fanahin'Andriamanitra dia mivelona ao anatin'izy ireo. Fa izay rehetra tsy mino an'i Jesosy kosa, dia ho tafasaraka mandrakizay amin'ny fanatrehan'Andrimanitra ary tsy hiditra ny lanitra mihintsy izy ireo.

Sary Faha 4: Tandapa Iray Mandohalika Eo Anatrehan'I Jesosy

Sary Faha 4: Tandapa Iray Mandohalika Eo Anatrehan'I Jesosy

Jaona 4:46-54

Inona no hataona raha marary mafy ny zanakao lahy? Io lehilahy amin'ny sary io dia nandeha an- tongotra lavitra mba hitady an'i Jesosy. Izy io dia tandapa nanana ny maha izy azy, saingy nitalao tamin'i Jesosy izy nanao hoe, "Tompoko, midina re, dieny tsy mbola maty ny zanako." Jesosy namaly azy nanao hoe, "Andeha mody, velona ny zanakao." Ralehilahy nino an'i Jesosy ka nandeha nody. Raha mbola teny an-dalana izy, dia nitsena azy ny mpanompony. Nolazain'izy ireo taminy fa ny zanany dia velona.

Ilay tandapa nahatsapa fa tamin'ny fotoana izay nitenenan'i Jesosy hoe, "Velona ny zanakao." dia niala tao amin'ilay zaza ny aretina. Ka dia nino an'i Jesosy ralehilahy mbamin'ny ankohonany rehetra.

Sary Faha 5: Ilay Lehilahy Narary Teo Anilan'Ny Farihy

Sary Faha 5: Ilay Lehilahy Narary Teo Anilan'Ny Farihy

Jaona 5:1-47

Teo an-tananan'ny Jerosalema dia nisy farihy iray. Ireo olona marary dia nino fa misy fotoanany, raha miditra ao anaty farihy izy ireo amin'ny fotoana hietsehan'ny rano, dia izay olona voalohany mandeha ao anaty rano no ho sitrana. Lehilahy iray efa narary nandritra ny 38 taona. Jesosy nahita azy teo anilan'ny farihy, dia hoy Izy taminy, "Te-ho sitrana va hianao? Ilay marary namaly Azy hoe, "Tsy mba misy olona handroboka ahy eto amin'ny farihy rehefa mihetsika ny rano." Hoy Jesosy taminy, "Mitsangana, ento ny fandrianao, ka mandehana!" Ary niaraka tamin'izay dia sitrana ralehilahy. Ireo olona sasany dia tezitra tamin'i Jesosy satria nanasitrana ilay lehilahy marary izy tamin'ny andro voatokana ho an'Andriamanitra, dia ny andro masina, izay antsoina hoe sabata. Io no andro nataon'ny Jiosy fialana sasatra amin'ny andro fiasany rehetra, mba hanompoany an'Andriamanitra. Ilay lehilahy nandeha ary nilaza tamin'ny Jiosy fa Jesosy no nanasitrana azy, saingy izy ireo dia tsy nety nino an'i Jesosy. Io asa fanasitranana io dia nampiseho fa Jesosy dia nanana ny fahamarinana sy ny herin'Andriamanitra mba hanasitrana amin'ny andro rehetra, eny fa na dia amin'ny andro sabata aza.

Sary Faha 6: Jesosy Mampihinana Olona Mihoatra Ny 5000

Sary Faha 6: Jesosy Mampihinana Olona Mihoatra Ny 5000

Jaona 6:1-15, 25-28, 35; Matio 14:19; Marka 6:41

Olona maro no naheno fa Jesosy nahay nanasitrana ny marary, ary indray andro dia nisy olona maro nanaraka Azy teny amin'ny toerana mangingina. Rehefa afaka kelikely dia hoy Jesosy tamin'ireo mpianany, "Aiza no hividianantsika mofo hohanin'ireo?" Dia namaly ny mpianatra iray nanao hoe, "Misy zazalahy aty manana mofo vary dimy sy hazandrano madinika roa, fa ho ampy inona moa izany amin'izao olona betsaka izao?" Jesosy nampipetraka ny olona. Noraisiny ny mofo sy ny hazandrano ary nisaotra tamin'Andriamanitra Izy. Ary dia nizara ny mofo sy ny hazandrano Izy. Ary nanome ny olona araka izay ilainy Izy. Ny andro manaraka dia mbola nanaraka an'i Jesosy ny olona. Dia hoy Izy tamin'izy ireo, "Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: mitady Ahy hianareo, nefa tsy noho ny nahitanareo famantarana, fa noho ny nihinananareo mofo ka voky." Hoy ihany koa Izy tamin'izy ireo, "Aza miasa hahazo ny hanina mety ho levona, fa ny hanina izay maharitra no fiainana mandrakizay, izay homen'ny Zanak'olona anareo." Ny tenany no tian'i Jesosy lazaina amin'izany.

Ry namako, izany dia mbola mampiseho an'ireo mpinatra sy an-tsika fa ny herin'Andriamanitra dia niasa tamin'ny alalan'i Jesosy.

Sary Faha 7: Jesosy Mandeha Eo Ambony Rano

Sary Faha 7: Jesosy Mandeha Eo Ambony Rano

Jaona 6:16-21; Matio 14:22-32

Taorian'ny nampihinanan'i Jesosy ny olona, dia nasainy nandao izy ireo. Ary Jesosy avy eo nandeha irery tany an-tendrombohitra, mba hivavaka amin'Andriamanitra. Ireo mpianatra kosa dia niondrana an-tsambokely mba hita ny ranomasina. Ary efa maizina ny andro tamin'izay, ary ny ranomasina nanonja be. Ary Jesosy nandeha teo ambony ranomasina ka tonga teo aminy. Noheverin'izy ireo fa matoatoa Jesosy ka dia raiki-tahotra mafy izy. Jesosy nanao taminy hoe, "Izaho ihany; aza matahotra." Dia niditra tao an-tsambokely niaraka tamin'izy ireo Izy ary tamin'izay dia nijanona ny tafio-drivotra. Ry namako, izany dia mbola manamporofo amin'ireo mpianatra sy amin-tsika ihany fa ny herin'andriamanitra dia niasa tamin'ny alalan'i Jesosy.

Sary Faha 8: Jesosy Manasitrana Ilay Lehilahy Jamba

Sary Faha 8: Jesosy Manasitrana Ilay Lehilahy Jamba

Jaona 9:1-41, 8:12

Indray mandeha dia nisy lehilahy iray jamba hatry ny fony vao teraka. Ireo mpianatry Jesosy dia nihevitra fa ralehilahy dia jamba noho ny otan'ny ray aman-dreniny. Fa Jesosy namaly tamin'izy ireo, fa io lehilahy io jamba hatry ny fony vao teraka, mba hanehoana ny asan'Andriamanitra eo aminy. Ary nandrora teo amin'ny tany Jesosy ka nanao feta tamin'ny rora, ka nahosiny ny mason'ilay jamba izany feta izany. Ary hoy Jesosy taminy, "Andeha, sasao ny masonao any amin'ny farihy Siloama." Ny dikan'ny hoe Siloama dia "nirahina". Nankato an'i Jesosy ralehilahy. Dia lasa izy ka nanasa, dia niverina nahiratra. Ry namako, maro amintsika no jamba amin'ny fahalalantsika ny lalan'Andriamanitra. Fa Jesosy manao hoe, "Izaho no fahazavan'izao tontolo izao; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin'ny maizina, fa hanana ny fahazavan'aina."

Sary Faha 9: Jesosy Miantso An'I Lazarosy Tamin'Ny Maty

Sary Faha 9: Jesosy Miantso An'I Lazarosy Tamin'Ny Maty

Jaona 11:1-46

Narary ny lehilahy iray natsoina hoe Lazarosy. Ny anabaviny roa, nantsoina hoe Maria sy Marta, dia nandefa hiraka ho any amin'i Jesosy nanao hoe, "Tompoko, indro, marary ilay tianao." Ary rehefa ren'i Jesosy izany, dia hoy Izy, "Tsy ho fahafatesana no anton'izany aretina izany, fa ny hampisehoana ny voninahitr'Andriamanitra, mba hankalazana ny Zanak'Andriamanitra."

Jesosy dia tia an'i Lazarosy sy ny anabaviny anankiroa. Saingy Jesosy dia tsy nandeha tany aminy teo noho eo. Afaka roa andro dia hoy Jesosy tamin'ny mpianany, "Maty Lazarosy ary faly Aho noho ny aminareo, satria tsy teo Aho, mba hinoanareo; fa andeha isika hankany aminy." Ary nony tonga Jesosy, dia hitany fa efa nilevina tao am-pasana nandritra ny efatr'andro Lazarosy. Ireo anabaviny dia tezitra satria tsy tonga Jesosy mba hanasitrana azy. Fa hoy Jesosy taminy, "Hitsangana ny anadahinao." Nilaza tamin'ny olona Jesosy mba hamoa ny fasana. Ka dia niantso Izy nanao hoe, "Lazarosy, mivoaha!" Ary dia nivoaka Lazarosy, izay mbola nisy fehim-paty ny tenany. Fa nialohan'ny nanaganan'i Jesosy an'i lazarosy tamin'ny maty, dia hoy Izy tamin'i Marta: "Izaho no fananganana ny maty sy ny fiainana. Ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay."

Sary Faha 10: Jesosy Maty Teo Amin'Ny Hazo Fijaliana

Sary Faha 10: Jesosy Maty Teo Amin'Ny Hazo Fijaliana

Jaona 18:1 - 19:42

Jesosy nanamarina tamin'ireo fahagagana izay nataony, fa Zanak'Andriamanitra Izy. Fa ireo mpitondra Jiosy kosa dia nialona. Ka nitetika ny hamono Azy. Jesosy dia nilaza tamin'ireo mpianany fa tsy maintsy ho faty Izy mba hitondra ny fahotan'ny olona. Izany no lalana iray, nahafahany hitondra ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny ankizy hiverina amin'Andriamanitra. Jodasy, iray tamin'ireo mpianatry Jesosy, dia namadika Azy ka nivarotra Azy sekely 30 tamin'ireo Jiosy. Tonga izy ireo ka nisambotra an'i Jesosy. Petera sy ireo mpianatra hafa dia nitsaoka tamin'ny tahotra. Ny mpitondran'ireo Jiosy dia nitondra an'i Jesosy teo amin'ny fitsarana, saingy tsy nisy afaka nanaporofo izy ireo fa nanao zavatra ratsy Jesosy. Na izany aza anefa dia mbola niantsoantso izy ireo nanao hoe, "Homboy amin'ny hazo fijaliana Izy, Homboy amin'ny hazo fijaliana Izy!" Taorian'izay dia nentina teo anatrehan'ny vahoaka Izy. Ireo koa dia niantsoantso nanao hoe, "Ento, ento, homboy amin'ny hazo fijaliana Izy!" Dia novonoin'ny olona Ilay zanak'Andriamanitra tongalafatra. Nisy jiolahy roa niaraka maty taminy. Nohelohina izy ireo noho ny ratsy nataony, fa Jesosy kosa izay mbola tsy nanota, dia maty mba ho sorona nohon'ny fahotan'ny olona rehetra, dia hianao sy izaho. Jesosy no sorona iray izay heken'Andriamanitra ho amin'ny fahotantsika.

Sary Faha 11: Maria Sy Jesosy Teo Am-Pasana

Sary Faha 11: Maria Sy Jesosy Teo Am-Pasana

Jaona 19:38 - 20:18; Matio 27:60

Ny iray tamin'ireo mpianatry Jesosy izay nantsoina hoe Josefa, dia nangataka ny fatin'i Jesosy. Nomena azy ny fatin' Jesosy ka naleviny tao amin'ny fasana vaovao izay namboarin'i Josefa ho azy. Ary nanakodia vato lehibe Josefa mba hanaronana ny varavaram-pasana. Tamin'ny andro fahatelo, dia nandeha teny amin'ny fasana i Maria Magdalena.

Ny vato dia voaisotra tamin'ny fasana. Ary nanomboka nitomany Maria. Ary niondrika nitsirika ny tao am- pasana izy. Ka tsy tao intsony ny faty. Ary nisy anjely roa nipetraka teo amin'ny toerana nisy ny fatin'i Jesosy.

Avy eo dia nitodika Maria ka nahita lehilahy nitsangana teo, saingy tsy nahafantatra izy fa Jesosy izany. Dia hoy Jesosy tamin'i Maria, "Ravehivavy, nahoana hianao no mitomany? Iza no tadiavinao? Maria nihevitra fa mpiandry saha Izy ka nanontany Azy hoe nankaiza ny fatin'i Jesosy teto. Dia hoy Jesosy tamin-dravehivavy, "Ry Maria!" Ary dia nahafantatra izy fa Jesosy izany. Dia hoy Izy tamin-dravehivavy, "Mandehana makany amin'ny rahalahiko, ka lazao aminy hoe: miakatra ho any amin'ny Raiko sy Rainareo Aho, ary ho any amin'Andriamanitro sy Andriamanitrareo. Ny nantsoin'i Jesosy hoe RY RAHALAHIKO dia ireo mpianany. Ny fasana dia tsy nahatazona ny Zanak'Andriamanitra velona.

Sary Faha 12: Jesosy Miseho Amin'Ireo Mpianany

Sary Faha 12: Jesosy Miseho Amin'Ireo Mpianany

Jaona 21:1-19

Nialohan'ny niverenan'i Jesosy tany an-danitra, dia nanao fahagagana hafa indray Izy. Indray alina ny sasany tamin'ireo mpianatra dia nanjono, saingy tsy nahazo na inona na inona izy ireo. Ary raha vao tonga ny maraina, dia nisy lehilahy iray teo amoron'ny ranomasina. Nilaza tamin'ireo izy mba handatsaka ny haratony ao amin'ny sisiny ankavanan'ny sambo kely, dia hahazo hazandrano izy ireo. Notanterahany izany ka nahazo hazandrano betsaka tokoa izy. Ary avy eo ireo mpianatra nahatsapa fa Ilay lehilahy niresaka tamin'izay ireo dia i Jesosy. Nentin'izy ireo teny an-tanety ireo hazandrano. Ary Jesosy dia efa nanomana sakafo ho azy ireo. Rehefa avy nihinana ry zareo, dia niresaka taminy ireo mpianatra. Tao anatin'izany i Petera. Petera moa dia nandositra niaraka tamin'ireo mpianatra sasany, tamin'ny fotoana nisamborana an'i Jesosy ary nandahy fa tsy nahafantatra an'i Jesosy mihintsy aza izy. Ary hoy Jesosy tamin'i Petera, "Manaraha Ahy." Nolazainy i Petera mba hampianatra ny olon'Andriamanitra (Hizara ny vaovao mahafalin'Andriamanitra) ary hiahy an'izy ireny. Ry namako, Andriamanitra dia tia ny olona rehetra haheno ny amin'iJesosy sy ny fahagagany mba hinoan'izy ireo fa Zanak'Andriamanitra Izy. Manaraha Azy ary mahazo fiainana mandrakizay.

Lafiny B Jesosy No Mpamonjy Teny Fampidirana

Lafiny B Jesosy No Mpamonjy Teny Fampidirana

Ry namako, Jesosy no Mpamonjy lehibe (Ilay tokana izay mamonjy antsika) ho antsika. Izy dia mamonjy antsika amin'ny ota sy ny ratsy, ary mamonjy antsika Izy ho amin'ny fiainana mandrakizay. Henoy hatrany ny fampianarana ny amin'i Jesosy ary jereo ao amin'ny sary manaraka rehefa maheno izao feo izao hianao.

Sary Faha 13: Jesosy Mampianatra Mpianatra Anankiroa

Sary Faha 13: Jesosy Mampianatra Mpianatra Anankiroa

Lioka 24:13-35

Maro ireo Jiosy no nihevitra fa Jesosy dia hamonjy azy amin'ireo mpanapaka Romana. Nefa tsy izany no antony nahatongavan'i Jesosy tety an-tany. Taty aoriana dia nasain'ireo Jiosy hovonoin'ny mpanapaka Romana i Jesosy. Ireo mpanapaka namono an'i Jesosy tamin'ny alalan'ny famantsiana Azy teo amin'ny hazo fijaliana izay nahafatesany. Indray andro, taorian'ny nahafatesan'i Jesosy sy ny nitsanganany tamin'ny maty, dia nisy roa tamin'ireo mpianany nandeha nody. Dia niseho taminy Jesosy. Noheverin'izy ireo fa vahiny Izy, ary dia nolazain'izy ireo taminy ny zavatra nitranga. Avy eo Jesosy nampianatra azy ireo ny zavatra nolazain'i Mosesy sy ireo mpaminan'Andriamanitra rehetra ny momba Azy ao amin'ny tenin'Andriamanitra (Ny Baiboly). Izany dia efa taona maro lasa. Ireo mpaminana dia nilaza fa hijaly sy ho faty Izy. Nilaza ihany koa izy ireo, fa hitsangana amin'ny maty Izy mba hipetraka eo an-tanana an- kavanan'Andriamanitra izay toerana hanjakany mandrakizay eo amin'ny fanjakan'Andriamanitra. Tamin'iny alina iny dia nipetraka niaraka tamin'ireo mpianany roa Jesosy. Raha namaky ny mofo Izy ka nanome azy ireo izany, dia nisokatra ny mason'izy ireo ka fantany fa Jesosy izany. Ary Izy kosa tonga tsy hitany avy eo. Dia nandeha tany Jerosalema izy ireo mba hilaza amin'ny sasany fa efa nahita an'i Jesosy izy ireo, ary velona Izy. Andeha hohenointsika, Inona no tian'i Jesosy hampianarina antsika ao amin'ny tenin'Andriamanitra.

Sary Faha 14: Ilay Zanaka Niaraka Tamin'Ny Kisoa

Sary Faha 14: Ilay Zanaka Niaraka Tamin'Ny Kisoa

Lioka 15:11-19

Jesosy nanao fanoharana iray ny amin'ny lehilahy iray nanana zanaka mirahalahy.

Ilay zandriny nilaza tamin'ny rainy nanao hoe, "Omeo ahy ny anjara-fananana tokony ho ahy." Dia nozarainy tamin'izy mirahalahy ny fananany. Ka lasa nankany an-tany lavitra ilay zandriny. Nandany ny fananany tamin'ny fiveloman-dratsy tany izy. Avy eo dia nisy mosary mafy tamin'izany tany izany. Ary tsy nanana na inona na inona intsony izy. Dia nandeha izy niasa tamin'ny tompon-tany anankiray ka nataony hiandry ny kisoany. Noana loatra razazalahy ka ninana ny sakafon-kisoa izy. Ary raha nody ny sainy, dia hoy izy: Maro ny olona karamain'ny raiko manan-kanina be dia be, fa izaho kosa maty mosary eto. Ary hoy izy tamin'ny tenany, "Hiainga aho ka hody any amin'ny raiko, ka hanao aminy hoe: "Raiko o, efa nanota tamin'ny lanitra sy teo antrehanao aho; ka tsy mendrika ny hatao hoe zanakao intsony. Fa ataovy tahaka ny anankiray amin'ny olona karamainao." Dia niainga izy ka nankany amin-drainy.

Sary Faha 15: Nody Ilay Zanaka Very

Sary Faha 15: Nody Ilay Zanaka Very

Lioka 15:20-32

Fa raha mbola lavitra ilay zanaka lahy, dia tazan-drainy. Nihazakazaka ny rainy hanantona ny zanany. Namihina sady nanoroka azy izy. Ary naniraka ny mpanompony izy mba hitondra akanjo tsara indrindra ary hanao sakafo tsara. Ary hoy ihany koa izy, "Aoka isika hihinana sy hifaly, fa ity zanako ity efa maty fa velona indray, ary efa very, fa hita indray." Dia nisy fifaliana be tokoa tamin'izany. Ry namako, Jesosy dia nilaza tamin-tsika fa Andriamanitra izay nanao antsika dia tahaka ilay ray. Ny olona rehetra dia tahaka ilay zanaka lahy izay efa nanota. Fa Andriamanitra kosa dia mbola tia an-tsika. Maniry ny hiverenantsika any aminy Izy. Tiany ny hamindra-fo antsika. Ka naniraka an'i Jesosy Izy mba hitady sy hamonjy izay rehetra tafasaraka amin'Andriamanitra. Ny olona izay tafasaraka amin'Andriamanitra dia very ary Jesosy irery ihany no lalana tokana hafahan'ny olona very hiverina amin'Andriamanitra Ray.

Sary Faha 16: Ny Haren'Ilay Mpanankarena

Sary Faha 16: Ny Haren'Ilay Mpanankarena

Lioka 12:13-21

Jesosy dia nanao fanoharana iray hafa ho an'ireo olona, izay momba ilay lehilahy mpanankarena nahavokatra be. Izy nihevitra tao am-pony hoe, "Manana fananana be voatahiry ho amin'ny taona maro hianao; mitsahara, mihinana, misotroa, mifalia." Fa Andriamanitra kosa nanao taminy hoe, "Ry adala, anio alina no ho faty hianao. Ka ho an'iza izay zavatra noharianao?" Ry namako, Jesosy nanao hoe, "Toy izany izay mihary harena ho an'ny tenany ihany, nefa tsy mba manan-karena ny amin'Andriamanitra." Izany dia tsy inona akory fa fifandraisana amin'Andriamanitra sy fahatokisana Azy.

Sary Faha 17: Ilay Mpangataka Sy Ilay Mpanankarena

Sary Faha 17: Ilay Mpangataka Sy Ilay Mpanankarena

Lioka 16:19-31

Jesosy koa nanambara ny amin'ilay mpanankarena izay nanana ny zavatra rehetra nilainy.

Tsy mba niahy ilay mpangataka teo am-bavahadiny izy. Maty ilay mpangataka ka lasa any an-danitra izy ka nipetraka teo anilan'i Abrahama. Rehefa maty kosa ilay mpanankarena, dia lasa tany amin'ny toerana mahatsiravina feno afo sy fijaliana, izay antsoina hoe helo izy. Niantso an'i Abrahama izy, mba handefa ilay mpangataka mba hanome azy rano, fa Abrahama kosa nanao taminy hoe, "Misy tevana mankadiry ajadona ao anelanelantsika, mba tsy ho afa-mita hankeny aminareo izay te hiala ety, ary tsy ho afa-mita hankety aminay izay eny." Ry namako, Tsy misy fahasambarana na toerana hahafahana mihery any amin'ny helo. Izay rehetra mandeha any, dia hijaly mandrakizay. Na manankarena isika na mahantra, mila isika manaraka ny lalan'Andriamanitra eo amin'ny fiainana, raha tiantsika ny hiditra ny lanitra aorian'ny fahafatesana. Noho izany minoa an'i Jesosy Kristy dia ho voavonjy tsy ho any amin'ny helo hianao.

Sary Faha 18: Ilay Namana Teo Am-Baravarana

Sary Faha 18: Ilay Namana Teo Am-Baravarana

Lioka 11:5-13

Indray andro nisy lehilahy iray nandeha tany amin'ny sakaizany tamin'ny mamatonalina ary nano hoe, "Ry sakaiza, ampisambory mofo telo aho; fa ny sakaizako nandeha tany amin'ny tany nalehany, dia tonga aty amiko, ka tsy misy sakafo omeko azy." Fa ilay namana tao an-trano kosa dia efa teo am-pandriana niaraka tamin'ny zanany. Tsy te hifoha izy, saingy ilay lehilahy teo am-baravarana dia tsy menatra ny nangataka hatrany, ka dia nifoa ilay namany ka nanome izay nilainy. Jesosy nanao hoe, "Mangata, dia homena hianareo; mitadiava, dia hahita hianareo; dondony, dia hovohana hianareo. Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita; ary izay mandondona no hovohana." Jesosy koa dia nilaza fa tsy mila miangavy an'Andriamanitra isika. Izy dia Ray tsara ho an-tsika. Tiany ny mba hanome antsika ny Fanahy Masina sy ny zavatra hilaintsika rehetra. Ny hany takiana amin-tsika dia ny mangataka amam-bavaka mandrakariva aminy mba hanampiany antsika hankato ny teniny sy hatoky Azy.

Sary Faha 19: Lehilahy Roa Eo Amin'Ny Tranon'Andriamanitra

Sary Faha 19: Lehilahy Roa Eo Amin'Ny Tranon'Andriamanitra

Lioka 18:9-14

Moa ve Andriamanitra miheno izay manatona Azy amin'ny vavaka? Eo amin'ny sary dia hitantsika misy lehilahy roa mivavaka eo amin'ny tranon'Andriamanitra. Ny lehilahy iray dia mpanaraka fombafombam-pivavahana. Mirehareha ihany koa izy. Mivavaka ho an'ny tenany izy ka manao hoe, "Andriamanitra o, misaotra Anao aho fa tsy mba tahaka ny olona sasany, izay mpanao an-keriny, tsy marina, mpijangajanga, na tahaka io mpamory hetra io aza." Andriamanitra dia tsy nankasitraka io lehilahy io sy ny fivavany. Ilay lehilahy iray dia mpamory hetra tsy marina. Izy dia mangalatra ny volan'ny olona. Fantany fa nampalahelo an'Andriamanitra izy. Niteha-tratra sady nanondrika ny lohany tamin'ny henatra izy.

Nivavaka tamin'Andriamanitra izy ka nanao hoe, "Andriamanitra o, mamindra fo amiko mpanota!" Jesosy nilaza fa Andriamanitra dia naheno ny vavaka nataony. Namela ny fahotany Izy. Ry namako, Andriamanitra dia mandaha izay mirehareha, fa kosa tia izay manetry tena ao am-pony.

Sary Faha 20: Ilay Lehilahy Mamafy Ny Voany

Sary Faha 20: Ilay Lehilahy Mamafy Ny Voany

Lioka 8:4-9

Indray andro Jesosy nampiantra olona maro be. Ary hoy Izy, "Nivoaka ny mpamafy hamafy ny voa; ary raha namafy izy, ny sasany dia voafafy teny amoron-dalana ka voahitsakitsaka, ary dia lanin'ny voro- manidina. Ary ny sasany dia voafafy teny ambonin'ny vatolampy; ary raha vao naniry izy dia nalazo; satria tsy nisy mandomando. Ary ny sasany dia voafafy teny amin'ny tsilo; ary ny tsilo niarananiry taminy, dia nangeja azy. Ary ny sasany dia voafafy teny amin'ny tany tsara, dia naniry ka namoa zato heny." Ary rehefa nilaza izany Izy, dia niantso hoe: "Izay manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino." Afaka izany, dia nanotany Azy ireo mpianany ny amin'izay hevitr'izany fanoharana izany.

Sary Faha 21: Mitsimoka Ny

Sary Faha 21: Mitsimoka Ny

Lioka 8:9-15

Jesosy nanazava izany fanoharana izany toy izao, "Ny voa dia ny tenin'Andrimanitra. Ireo teny amorondalana dia izay mandre, nefa avy ny devoly manaisotra ny teny ao am-pony, fa tsy tiany hino sy ho voavonjin'i Tompo Jesosy amin'ny fahotany izy. Ireo teny ambonin'ny vatolampy, dia mino vetivety ihany, koa amin'izay andro isehoan'ny fakam-panahy dia mihemotra izy. Ireo teny amin'ny tsilo dia voagejan'ny fiahiahiana sy ny harena. Fa ireo teny amin'ny tany tsara kosa dia mitana ny teny ka mamoa tsara amin'ny faharetana. Ry namako, ahoana no mba hahenoinao ny tenin'Andriamanitra? Moa ve hianao tsy hankatoa ka ho very? Sa hino sy hankato ny tenin'Andriamanitra, ary hanome sitraka ho Azy? Raha izany dia ho tahaka ireo voa teny amin'ny tany tsara hianao.

Sary Faha 22: Fanampiana Ho An'Ilay Lehilahy Maratra

Sary Faha 22: Fanampiana Ho An'Ilay Lehilahy Maratra

Lioka 10:25-37

Ahoana moa no ahafantarantsika fa mahafaly an'Andriamanitra ny fiainantsika isan'andro? Ny tenin'Andriamanitra (Ny Baiboly) dia mampianatra antsika fa mila mitia an'Andriamanitra sy ny olona rehetra isika. Fa iza kosa ary no olona tokony hotiavintsika? Jesosy nanambara fanoharana iray ny amin'ilay lehilahy iray nandeha tamin'ny lalana mangingina.

Nisy jiolahy nanendaka sy namono azy. Nalainy avokoa ny zavatra nananany rehetra ary saika maty mihintsy izy. Nisy lehilahy roa izay mpanaraka fombafombam-pivavahana nandalo teo. Hitan'izy ireo ilay lehilahy naratra, fa tsy te hanampy azy izy ireo. Avy eo dia nisy lehilahy vahiny iray nidina teo amin'ny lalana. Onena ilay lehilahy naratra izy ka nofeheziny ny feriny. Ary nampitangenany tamin'ny apondrany izy, ka nentiny ho any amin'ny tranom- bahiny mba hotsaboiny. Jesosy nanao hoe raha tia an'Andriamanitra isika, dia tokony hampiseo fitiavana, amin'ny alalan'ny fanampiana ny olona amin'izay ilainy.

Sary Faha 23: Ny Tompon'Ny Trano Tonga Tao Antrano

Sary Faha 23: Ny Tompon'Ny Trano Tonga Tao Antrano

Lioka 12:35-48

Tadidinao ve, taorian'ny nahafatesan'i Jesosy, dia nitsangana tamin'ny maty Izy? Ireo mpianany dia nahita Azy mialohan'ny niakarany tany an-danitra. Jesosy dia nilaza tamin'izy ireo fa mbola hiverina indray Izy. Nilaza Izy fa izay rehetra mino Azy, dia tahaka ny mpanompo iray izay miandry ny fiverenan'ny tompony avy any amin'ny fampakaram-badiny. Jesosy nanao hoe, "Sambatra ny mpanompo izay ho hitan'ny tompony miambina raha avy Izy..." Ry namako, tys ho fantatsika ny fotoana hiavian'i Jesosy indray. Ilaina isika miasa ho Azy ary vonona mba handray Azy amin'ny fotoana izay hatongavany. Hanao izany ho fotoam-pifaliana lehibe tokoa Izy. Fa ho an'ireo izay tsy mino an'i Jesosy dia ho fotoam-pijaliana lehibe izany. Jesosy koa nilaza fa ireo izay mikarakara ireo mpanompony, dia mila vonona ihany koa amin'ny fiverenany. Raha mikarakara tsara ny tranony sy ny mpanompony izy, dia hahazo valim-pitia lehibe. Fa raha mamono ny mpanompony, sy mamon'ny divay kosa ireo, dia ho enjana tokoa ny fanamelohana azy.

Sary Faha 24: Ilay Lehilahy Teo Ambony Hazo

Sary Faha 24: Ilay Lehilahy Teo Ambony Hazo

Lioka 19:1-10

Jesosy dia afaka mamonjy na iza na iza amin'ny fahotana. Henoy tsara izao: Zakaiosy dia lehiben'ny mpamory hetra sady nanan-karena. Izy dia tsy olo-marina no sady nangalatra ny volan'ny olona. Te hahita an'i Jesosy izy, saingy fohy izy ary Jesosy dia tao afovoan'ny olona nifanety. Noho izany dia nananika hazo Zakaiosy. Ary rehefa tonga teo Jesosy, dia niandrandra ka nanao taminy hoe, "Ry Zakaiosy, midina faingana; fa tsy maintsy mitoetra ato an-tranonao Aho anio." Gaga ny olona satria Zakaiosy dia tsy lehilahy tsara. Fa Zakaiosy dia nidina ka nandray an'i Jesosy am-pifaliana. Nilaza tamin'i Jesosy izy fa hiodina amin'ny ratsy fanaony ary hanova ny lalany. Haveriny avokoa izay rehetra efa nangalariny. Ary hoy Jeosy taminy nanao hoe, "Anio no tonga eto amin'ity trano ity ny famonjena." Ry namako, Jesosy tonga mba hitady sy hamonjy izay rehetra very niala tamin'Andriamanitra.

Tadidio tsara, fa raha tianao ny hiodina amin'ny ratsy ka hanova ny lalanao, tahaka izay nataon'i Zakaiosy, dia afaka manao ny marina miaraka amin'Andriamanitra hianao amin'ny alalan'ny finoana sy fankatoavana an'i Jesosy Kristy.

संबंधित माहिती

Free downloads - Here you can find all the main GRN message scripts in several languages, plus pictures and other related materials, available for download.

"Look, Listen and Live" audio-visual - A set of 8 programs of 24 pictures each for evangelism and Christian teaching. The series presents Old Testament characters, the life of Jesus, and the young church.

How to use GRN Audio visual resources - 1: Sharing the Gospel made easy - This article gives an introduction to some of the many different ways the GRN audio visual resources can be used in ministry.

How to use GRN Audio visual resources - 2: Going Deeper - This article gives further explanation of how people learn from the stories, and why the stories do not have a lot of commentary.

The GRN Audio Library - Evangelistic and basic Bible teaching material appropriate to the people's need and culture in a variety of styles and formats.

Copyright and Licensing - GRN shares it's audio, video and written scripts under Creative Commons

Creating DVDs using the GRN Slide show Videos - How to burn DVDs for specific people groups you are trying to reach

Choosing the right audio or video format - What audio and video file formats are available from GRN, and which one is best to use?