Jereo, Henoy, Hiaino Boky 8 Asan'Ny Fanahy Masina

គ្រោង: The Young Church and Paul. 24 sections. It has a picture book to go along with the recording.

លេខស្គ្រីប: 425

ភាសា: Malagasy Merina

ប្រធានបទ: Sin and Satan (Spiritual Warfare, Deliverance); Christ (Ascension); Eternal life (Salvation); Character of God (Holy Spirit, Word of God (the Bible), Power of God / Jesus); Living as a Christian (Worship, Church, Christianity, No other gods, idols, Repentance, Faith, trust, believe in Jesus, Children of God, Spiritual Life, Christian values); Bible timeline (Gospel, Good News); Problems (Problems, troubles, worries)

ទស្សនិកជន: General

រចនាប័ទ្ម: Monolog

ប្រភេទ: Bible Stories & Teac

គោលបំណង: Teaching

ស្ថានភាព: Publishable

អត្ថបទស្គ្រីប

Lafiny A Asan'Ny Fanahy Masina Teny Fampidirana

Fiarabana ho anareo ry namako. Tiako ny hanambara aminareo ny amin'ny Fanahy Masin'Ilay Andriamanitra velona. Rehefa miheno ny kasety hianareo, dia jereo ny sary ao amin'ny boky volom-parasy. Avadio ny sary manaraka rehefa maheno feo

Sary 1: Jesosy Niverina Any An-Danitra

Sary 1: Jesosy Niverina Any An-Danitra

Asan'ny Apostoly 1:1-11

Jereo eo amin'ny sary. Ny Tompo Jesosy dia miakatra avy ety an-tany ho any an-danitra ao anatin'ny rahona. Ireo mpanaradia Azy dia nijery Azy tsara. Jesosy dia Andriamanitra marina, ary tonga avy any an-danitra ho ety an-tany Izy, tokony ho efa 2000 taona lasa izay. Jesosy dia nateraky ny vehivavy virjiny iray natao hoe Maria, tao amin'ny toerana nantsoina hoe Betlehema izany. Jesosy dia lasa lehilahy nampiseho ny amin'Andriamanitra. Fa ny faharatsian'ny lalan'ny olona dia nankahalain'Andriamanitra. Efa nanota izy ireo. Ny valin'ny ota dia fahafatesana, ary fisarahana amin'Andriamanitra. Fa Andriamanitra tia ny olona rehetra. Tsy tiany izy ireo handeha any amin'ny helo (Toeram-pamaizan'Andriamanitra). Noho izany Jesosy dia tonga mba haka ny sazin'ny fahotantsika. izany sazy izany dia fahafatesana. Ireo olon-dratsy no nahatonga an'i Jesosy ho faty, tamin'ny alalan'ny fanomboana Azy teo amin'ny hazo fijaliana. Maro ny olona nahita Azy maty teo ambony hazo fijaliana. Ary maro tamin'ireo mpanaraka Azy no nahita Azy taorian'ny nitsanganany tamin'ny maty avy tao am- pasana, ary hoy Izy tamin'izy ireo, "Fa hahazo hery hianareo amin'ny hilatsahan'ny Fanahy Masina aminareo ary ho vavolombeloko hianareo." Izany dia midika fa ny mpanaraka Azy dia tsy maintsy mandeha milaza amin'ny olona eran'izao tontolo izao ny momba Azy. Taorian'ny nanomezany izany didy izany dia, nentin'ny rahona niakatra Jesosy, araka izay hitanao eo amin'ny sary. Indray andro dia mbola hiverina eto ambonin'ny tany Jesosy tahaka izay niverenany tany an-danitra. Ankehitriny, ho an'izay olona rehetra izay mino sy mankato ny Tompo Jesosy dia manana ny fanomezan'Andriamanitra dia ny fiainana mandrakizay.

Sary Faha 2: Ny Fanahy Masina Tonga Tahaka Ny Afo

Sary Faha 2: Ny Fanahy Masina Tonga Tahaka Ny Afo

Asan'ny Apostoly 2:1-12

Tsaroanao fa Jesosy nampanantena fa handefa ny Fanahy Masina ho an'ireo Mpianany. Taorian'ny nandehanan'i Jesosy tany an-danitra, dia nifanaraka ireo mpianany fa hivavaka miaraka ao amin'ny trano iray. Ary avy eo ny Fanahy Masin'Andriamanitra tonga tao amin'izy ireo. Ary nisy feo tonga tampoka avy tany an-danitra, toy ny rivotra mahery mifofofofo. Ary nisy lela maro mitarehin'afo niseho taminy, ary nipetraka tamin'izy rehetra isan'olona izany. Ary samy feno ny Fanahy Masin'Andriamanitra izy rehetra, ka dia niteny tamin'ny fiteny maro samy hafa ny amin'ny hatsaran'Andriamanitra. Jesosy dia manatanteraka mandrakariva araka izay efa nampanantenainy, ka nandefa ny Fanahy Masina Izy ho an'izay rehetra mino sy mankato Azy.

Sary Faha 3: Petera Mitory Amin'Ny Olona

Sary Faha 3: Petera Mitory Amin'Ny Olona

Asan'ny Apostoly 2:14-41

Ny Fanahy Masin'Andriamanitra dia tonga tamin'ireo mpianatry Jesosy tao amin'ny tananan'i Jerosalema izay tanin'ny Jiosy. Tamin'izany fotoana izany dia nisy Jiosy maro tao Jerosalema, izay avy tamin'ny firenena maro, araka izay hitanao eto amin'ny sary. Niteny tamin'ny fiteny samy hafa maro izy ireo. Ny Fanahy Masina dia nanampy ireo mpianatry Jesosy mba hiteny izany fiteny samy hafa izany, mba hafahan'ireo olona miheno sy mahazo ny hafatra moban'ny Tompo Jesosy. Fa ny olona sasany dia nihevitra fa ireo mpanaraka an'i Jesosy dia mamon'ny divay, ka ny iray tamin'ireo apostoly izay nantsoina hoe Petera, nitsangana niaraka tamin'ireo apostoly 11 ambiny. Niteny tamin'ny vahoaka izy nanao hoe, "Tsy mamo araky ny hevitrareo tsy akory ireo." Maro tamin'ireo olona no nino izay nolazain'i Petera. Ary natao batisa izy ireo mba ho mariky ny fahadiovana tamin'ny ota. Dia nandray ny Fanahy Masina koa izy ireo, ary nanomboka nanaraka ny lalan'i Jesosy.

Sary Faha 4: Ny Fiangonana Kristiana Voalohany

Sary Faha 4: Ny Fiangonana Kristiana Voalohany

Asan'ny Apostoly 2:42-47; 1 Korintiana 11

Maro tamin'ireo olona tao Jerosalema no natoky an'i Jesosy ary tonga mpanaraka Azy. Ireo olona ireo izay efa nahazo ny Fanahy Masin'Andriamanitra dia niaraka nivory matetika, tahaka ny fianakaviana lehibe iray, ary izany no niandohan'ny fiangonana Kristiana. Taty aoriana dia nantsoina hoe Kristiana izy ireo.

Nifampizara ny fananany izy ireo ary koa nifampiahy. Isan'andro izy ireo dia nandeha tao an-tranon'Andriamanitra lehibe tao Jerosalema, izay nantsoina hoe tempoly. Tao no niarahan'izy ireo nivavaka sy nidera an'Andriamanitra. Ireo apostoly na ireo mpianatra dia nampianatra an'izy ireo tamin'ny alalan'ny tenin'Andriamanitra. Ireo Kristiana koa dia niaranivory tany an-tranony, ka nifampizara ny sakafony. Misy fotoana raikitra mihitsy hiarahan'izy ireo mamaky mofo sy misotro ny ranom-boaloboka mandritra ilay fanasana manokana, izay antsoina hoe ny fanasan'ny Tompo. Jesosy dia nandidy ireo mpianany mba hanao izany. Fa, indray alina nialohan'ny nanombohana an'i Jesosy, dia niaranisakafo tamin'ireo mpianany Izy ary rehefa avy nanao fisaorana Izy dia nandray mofo Izy, ka namaky izany ka nanome sombiny avy ho an'ireo mpianany. Ny mofo dia mariky ny fahatsiarovana fa ny tenan'i Jesosy dia potipotika teo amin'ny hazo fijaliana ho an'izy ireo. Toy izany koa, Jesosy dia nandray ny kapoaka nisy divay ary nanome izany ho an'ireo mpianany mba hosotroiny. Ny fisotroana dia nampatsiahy azy ireo ny ran'i Jesosy izay halatsaka ho an'izy ireo eo amin'ny hazo fijaliana. Jesosy nandidy ny mpianany mba hanao izany mba ho fahatsiarovana Azy. Noho izany izay olona rehetra mahatoky sy mino an'i Tompo Jesosy Kristy dia mila mitazona ny fanasan'i Tompo satria ny tenin'Andriamanitra manao hoe, "Fa na oviana na oviana hianareo no mihinana itony mofo itony sy misotro amin'ny kapoaka, dia manambara ny fahafatesan'ny Tompo hianareo mandra-pihaviny indray." (1 Korintiana 11:26)

Sary Faha 5: Sitrana Ilay Lehilahy Mpangataka Nalemy Tongotra

Sary Faha 5: Sitrana Ilay Lehilahy Mpangataka Nalemy Tongotra

Asan'ny Apostoly 3:1 - 4:4

Indray andro Petera sy Jaona nandeha tany amin'ny tranon'Andriamanitra mba hivavaka. Nisy mpangata iray nipetraka teo am-bavavahady. Izy io dia nalemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny ka tsy afaka nandeha. Nangataka vola tamin'i Petera sy Jaona izy. Fa hoy Petera taminy, "Tsy manana volafotsy na volamena aho, fa izay ananako no omeko anao; Amin'ny anaran'i Jesosy Kristy avy any Nazareta, mitsangana!" Ary Petera nandray azy tamin'ny tanany ankavanana ka nanampy azy mba hitsangana. Dia natanjaka niaraka tamin'izay ny tongony sy ny kitrokeliny. Ka niditra tao amin'ny tranon'Andriamanitra niaraka tamin'i Petera sy Jaona izy. Nitsangatsangana ny niantsambotsambotra sady nidera an'Andriamanitra izy. Tsy Petera akory no nanasitrana an-dralehilahy. Ny finoana an'i Jesosy ary ny herin'ny Fanahy Masin'Andriamanitra no nahasitrana azy. Izy dia nahazo ny fanomezana tsara lavitra nohon'ny vola.

Sary Faha 6: Ilay Lehilahy Iray Sy Ny Vadiny Izay Nandainga

Sary Faha 6: Ilay Lehilahy Iray Sy Ny Vadiny Izay Nandainga

Asan'ny Apostoly 4:32-36, 5:1-11

Lehilahy iray nantsoina hoe Barnabasy nivarotra ny taniny ary nanome ny volany ho an'i fiangonana mba hanampiana ny mahantra. Lehilahy iray sy ny vadiny, nantsoina hoe Ananiasy sy Safira, nanapakevitra ny mba hanao toy izany koa. Fa Ananiasy kosa nanafina ny sasany tamin'ireo vola mba ho azy sy ny vadiny. Ny ampahany tamin'ireo vola no nentiny teo amin'i Petera Nandainga tamin'i Petera izy, ka nilaza fa iny no vidin'ny tany rehetra. Petera nahafantatra fa nandainga izy, ka hoy izy tamin'i Ananiasy, "Nahoana satana no nomenao ny fonao handainga amin'ny Fanahy Masina? Tsy nandainga tamin'ny olona hianao fa tamin'Andriamanitra." Avy hatrany Ananiasy dia nikarapoka tamin'ny tany, ka afaka ny ainy. Ary ireo zatovo dia nitondra ny faty nivoaka, dia nandeviny azy. Avy eo dia tonga i Safira. (Hitantsika eo amin'ny sary ravehivavy) Tsy fantatry ravehivavy izay nanjo an'i Ananiasy. Ka nandainga tamin'i Petera ihany koa Safira ny amin'ilay vola. Ka hoy Petera taminy, "Nahoana hianareo no niray tetika haka fanahy ny Fanahin'ny Tompo? Indro, eo am-baravarana ny tongotr'izay nandevina ny vadinao, ary hitondra anao hivoaka koa izy." Dia nikarapoka teo anoloan'ny tongony niaraka tamin'izay koa izy, ka afaka ny ainy. Tokony hanome ho an'ireo izay mila fanampiana isika ary tsy tokony handainga amin'Andriamanitra na amin'iza na amin'iza. Ary tadidio tsara, fa Andriamanitra mahafantatra ny heritreritra tsara sy ratsy ao anatintsika rehetra.

Sary Faha 7: Novonoina Stefana

Sary Faha 7: Novonoina Stefana

Asan'ny Apostoly 6:1 - 8:3

Jereo fa misy lehilahy ratsy fanahy mitora-bato ny lehilahy iray nantsoina hoe Stefana. Izy dia nanompo ho amin'ny fitondram-piangonana, mba hanampy ireo olona mahantra tao Jerosalema. Izy dia nampianatra ny tenin'Andriamanitra tamim-pahasahiana ary nanao fahagagana maro tamin'ny herin'ny Fanahy Masina. Ny sasany tamin'ireo Jiosy dia nanohitra azy. Nentin'izy ireo teo amin'ny fitsarana Stefana ary nananganany vavolombelona mandainga, fa izy dia niteny ratsy an'Andriamanitra sy nanohitra ny teniny. Fa Stefana kosa dia tsy natahotra, satria Andriamanitra dia nanome azy hery tamin'ny alalan'ny Fanahy Masiny ary Stefana nilaza tamin'ireo Jiosy fa izy ireo no namono an'i Jesosy izay tonga mba hanome ny olona ny fiainana mandrakizay. Tezitra mafy noho izany ireo Jiosy ka nentiny nivoaka ny tanana i Stefana. Dia tany izy ireo no nanomboka nitora-bato azy. Raha mbola teo am-pitoraham-bato azy ireo dia nivavaka toy izao izy, "Ry Jesosy Tompo o, raiso ny fanahiko." Dia nandohalika izy ka nanao hoe, "Tompo o, aza atao ho helony anie izao ota izao." Ary dia nodi- mandry izy. Ireo olona izay nitora-bato an'i Stefana, dia nametraka ny akanjony avy teo an-tongotry ilay tanora mpitondra Jiosy nantsoina hoe Saoly.

Izy koa dia nankasitraka ny fahafatesan'i Stefana. Ankehitriny, izay rehetra te hanome voninahitra an'ny Tompo Jesosy dia hohenjehin'ny olon-dratsy, fa Andriamanaitra sy ny Fanahy Masina dia tsy handao an'izy ireny, eny fa na dia hamona azy aza ny olona.

Sary Faha 8: Ilay Etiopiana Teny An-Dalana

Sary Faha 8: Ilay Etiopiana Teny An-Dalana

Asan'ny Apostoly 8:4-8, 8:26-40

Saoly sy ireo vahavalon'ny fiangonana Kristiana dia nanomboka nanenjika ireo mpino tany Jerosalema. Maro tamin'izy ireo no voatery nandositra niala ny tanana. Nisy lehilahy iray nantsoina hoe Filipo nandeha tany amin'ny tany Samaria. Nampianatra ny olona tany ny momba ny vaovao mahafaly ny amin'i Jesosy sy ireo mpino maro izy. Avy eo Andriamanitra, tamin'ny alalan'ny anjely, no nitenenany an'i Filipo mba handeha amin'ny lalana efitra avy any Jerosalama ka hatrany Gaza. Filipo nankato an'Andriamanitra. Eto amin'ity sary ity isika dia mahita lehilahy iray manana ny maha izy azy izay avy any amin'ny tanin'ny Etopia. Nandeha tamin'ny kalesiny izy. Ary namaky ny tenin'Andriamanitra ny amin'ny olona iray izay nijaly noho ny tsy fahamarinana izy, saingy io Etopiana io dia tsy nahazo ny dikan'izany. Ny Fanahin'Andriamanitra nilaza tamin'i Filipo mba handeha ho eny amin'ilay kalesy, ary Filipo nihazakazaka nankeo aminy, dia nandre azy namaky teny. Dia nanomboka nanazava tamin'ilay Etopiana izy ny momban'i Tompo Jesosy izay nohirahin'Andriamanitra. Ilay Etopiana ihany koa dia te hanaradia an'i Jesosy. Raha mbola nandeha teny an-dalana niaraka izy ireo dia hoy izy tamin'i Filipo, "Indro rano, ka inona moa no misakana ahy tsy hatao batisa?" Ary Filipo nanao batisa ilay Etiopiana izay nandeha niverina tany amin'ny fireneny tamin'ny fifaliana lehibe tokoa. Fa Filipo dia mbola nitoy nitory ny vaovao mahafaly tamin'ny tanana maro. Tahaka an'i Filipo isika ihany koa dia mila manakato sy miteny amin'ny hafa ny amin'i Jesosy. mba hahafahan'izy ireo mametraka fitokisana Aminy sy hananany fiainana mandrakizay.

Sary Faha 9: Ny Tsindrimandrin'I Petera Ny Amin'Ireo Biby

Sary Faha 9: Ny Tsindrimandrin'I Petera Ny Amin'Ireo Biby

Asan'ny Apostoly 10:9-18

Indray andro Petera nakao an-tafon-trano mba hivavaka. Petera io hitanao amin'ny sary io. Rehefa teny anefa dia nanomboka noana ka nitady zavatra hohanina izy. Tamin'izany fotoana izany dia azon-tsindrimandry avy amin'Andriamanitra izy. Nahita lamba lehibe nilatsaka avy any an-danitra izy, ary ny tao anatiny dia nisy karazana biby samy hafa. Ary nisy feo nilaza tamin'i Petera nanao hoe, "Mitsangana, ry Petera; vonoy ka hano." Petera dia Jiosy ary ny lalana jiosy dia manambara fa ireo biby izay hitany dia tsy madio ary tsy tokony hohanina.

Ary hoy Petera nanao hoe, "Sanatria, Tompoko! fa tsy mbola nihinana zava-padina na tsy madio aho." Izany dia nitranga intelo ary dia nakarina tany an-danitra niaraka tamin'izay ilay lamba. Raha mbola niheritreritra tao am-pony Petera ny amin'izay anton'ny fahitany efa hitany, dia indreo nisy lehilahy telo tonga teo amin'ny tranony mba hizaha azy. Jereo ao amin'ny sary manaraka dia ho hitanao ny antony nahatongavan'izy ireo.

Sary Faha 10: Vaovao Mahafaly Ho An'Ny Firenena Rehetra

Sary Faha 10: Vaovao Mahafaly Ho An'Ny Firenena Rehetra

Asan'ny Apostoly 10:1-48

Raha vao vita ny vavaky Petera, dia tonga ireo lehilahy telo mba hitady azy. Izy ireo dia avy any amin'ny tanana hafa izay nirahina lehilahy iray nantsoina hoe Kornelio. Kornelio dia mpitondra ny tafika Romana izay te hanome voninahitra an'Andriamanitra. Ny anjelin'Andriamanitra nanambara azy mba hitady an'i Petera. Ny Jiosy dia manasokajy ny Romana ho tsy madio. Andriamanitra dia mandray ny olona rehetra avy amin'ny firenena samy hafa izay matahotra Azy ary manao ny marina. Ary Petera dia nandeha niaraka tamin'ireo lehilahy mba ho any amin'ny tranon'ilay miaramila Romana. Nitsena azy Kornelio ka niankohoka teo amin'ny tongony sady nitsaoka azy, fa Petera nanao taminy hoe, "Mitsangana fa izaho dia olona ihany. Ahoana moa no nampanalanareo ahy?" Kornelio nanambara an'i Petera ny amin'ilay anjely. Ary avy eo Petera nanambara tamin'i Kornelio ny amin'i Jesosy, izay mampiseho ny olona ny amin'Andriamanitra. Kornelio sy ny fianakaviany dia nino an'i Jesosy, sy nandray ny Fanahin'Andriamanitra ka lasa mpanompon'i Jesosy. Andriamanitra dia tia ny olona rehetra, na inona na inona fomba fiteniny, na foko na ny volo-kodiny. Jesosy dia tsy tonga mba hamonjy ny Jiosy irery ihany. Tiany ny hanome ny olona rehetra ny fiainana mandrakizay. Tiany ny firenena rehetra mba hatoky sy hanompo Azy.

Sary Faha 11: Petera Tao An-Tranomaizina

Sary Faha 11: Petera Tao An-Tranomaizina

Asan'ny Apostoly 12:1-11

Heroda mpanjaka dia nanomboka nanenjika ny mpanaraka an'i Jesosy. Novonoiny ny apostoly nantsoina hoe Jakoba, ary nataony tao an-tranomaizina ny apostoly Petera. Indray alina dia natory teo anelanelan'ny miaramila roa lahy Petera raha mbola nifatotra. Ary indro nisy anjely namoa an'i Petera ka nanao hoe, "Mitsangana faingana!". Dia niala tamin'ny tanany ireo rojo vy. Dia nanaraka ilay anjely nivoaka ny trano-maizina izy. Nivoa ho azy ilay vavahady vy ny trano-maizina ary tsy nisy olona nanakana azy ireo. Petera niheritreritra fa nofy daholo izany mandram-pahatongany teo amin'ny lalana tany ivelany, ary nandao azy ilay anjely.

Sary Faha 12: Petera Sy Ny Vavak'Ireo Namany

Sary Faha 12: Petera Sy Ny Vavak'Ireo Namany

Asan'ny Apostoly 12:12-19

Raha vao tafavoaka ny trano-maizina i Petera dia namantana tany an-tranon'i Maria, renin'iray tamin'ireo apostoly. Maro tamin'ireo mpino no tao tamin'io alina io. Izy ireo dia nivavaka ho an'i Petera. Petera nandondona teo amin'ny varavarana ary ny mpanompo vavy iray, nantsoina hoe Roda namoa izany. Raha vao naheno ny feon'i Petera ravehivavy, dia tsy namoa ny varavarana izy fa nandeha nihazakazaka nampilaza ny sasany nanao hoe, "Petera no mijanona eo ambavahady." Tsy nino an-drazazavavy izy ireo ary hoy izy taminy, "Very saina hianao." Fa Petera naharitra nandondona ihany, ary rehefa novahany, dia nahita azy ireo ka talanjona. Petera nanambara ny famalian'Andriamanitra ny vavak'izy ireo tamin'ny alalan'ny fanafahana azy tao an-trano- maizina. Ny mpino dia tokony hanokana fotoana hivavahana miaraka. Andriamanitra dia maheno sy mamaly ny vavaky izay rehetra mino an'i Jesosy. Jesosy manao hoe, "Lazaiko aminareo marina tokoa, raha misy roa aminareo mifanaiky ety ambonin'ny tany na amin'inona na amin'inona ka hangataka izany, dia ho azony avy amin'ny Raiko Izay any an-danitra izany. Fa na aiza na aiza no iangonan'ny roa na telo amin'ny anarako, dia ao afovoany Aho."

Lafiny B Ny Tantaran'I Saoly Teny Fampidirana

Eto amin'ireto sary dia hambaranay aminao ny amin'ilay lehilahy antsoina hoe Saoly. Izy dia nanatrika ny fatin'i Stefana. Saoly dia nanapa-kevitra mba handeha any amin'ny tanana atao Damaskosy. Te hisambotra ireo mpino tany izy. Teny an-dalana, dia nisy zava-mahagaga nitranga. Jereo eo amin'ny sary.

Sary Faha 13: Ny Mazava Sy Ny Feo Avy Any An-Danitra

Sary Faha 13: Ny Mazava Sy Ny Feo Avy Any An-Danitra

Asan'ny Apostoly 9:1-9

Nisy hazavana lehibe nitselatra avy any an-danitra, ary dia nianjera tamin'ny tany Saoly. Nisy feo niteny taminy nanao hoe, "Saoly, Saoly, nahoana hianao no manenjika Ahy? Saoly nanao hoe, "Iza moa hianao, Tompoko?" Ary ilay feo nanao hoe, "Izaho no Jesosy, izay nohenjehinao." Ireo lehilahy niaraka tamin'i Saoly dia naheno koa ilay feo, fa tsy nahita olona izy ireo. Ary nitsangana i Saoly saingy jamba izy. Ireo lehilahy dia nitantana azy tamin'ny tanany mba ho any amin'ny tanan'ny Damaskosy. Nandritra ny 3 andro no najamban'i Saoly. Tsy nihinana no sady tsy nisotro izy. Saoly dia nampijaly mafy ny mpanaraka an'i Jesosy. Andriamanitra dia afaka manova na iza na iza. Henoy ny zavatra mitranga taorian'izany.

Sary Faha 14: Saoly Jamba Sy Ananiasy

Sary Faha 14: Saoly Jamba Sy Ananiasy

Asan'ny Apostoly 9:10-20

Eto dia hitantsika i Saoly jamba ao an-trano any Damaskosy. Andriamanitra dia naniraka lehilahy iray antsoina hoe Ananiasy ho any amin'i Saoly. Ananiasy dia mpino no sady mpanaraka an'i Jesosy Kristy. Fantany fa Saoly dia nahavita zavatra nahatsiravina tamin'ireo mpino tany Jerosalema. Na izany aza, dia nankatoa an'Andriamanitra i Ananiasy, mba ho any amin'i Saoly. Hoy Ananiasy tamin'i Saoly, "Ry Saoly rahalahy, ny Tompo, dia Jesosy izay niseho taminao teo amin'ny lalana nalehanao, no efa naniraka ahy, mba hahiratan'ny masonao, ary mba ho fenon'ny Fanahy Masina hianao." Ary Ananiasy dia nametraka tanana tamin'i Saoly; ary niaraka tamin'izay dia nandao azy ny hajambany. Nahazo ny Fanahy Masina avy tamin'Andriamanitra izy ary natao batisa mba hampisehoana ny olona fa efa tonga mpanaraka an'i Jesosy izy. Avy eo, Saoly nankany amin'ireo Jiosy ary nanambara ny amin'i Jesosy.

Tahakan'i Ananiasy, dia mila isika mankato an'Andriamanitra ary tsy hatahotra ny olona. Ary dia ampiasa antsika Andriamanitra mba hilaza amin'ny hafa ny fomba atao mba ho voavonjy.

Sary Faha 15: Ny Fiangonana Mivavaka Dia Mandefa Misionera

Sary Faha 15: Ny Fiangonana Mivavaka Dia Mandefa Misionera

Asan'ny Apostoly 11:25-26, 13:1-3

Tao amin'ny tanana iray nantsoina hoe Antiokia, dia nisy mpino maromaro nivory mba hivavaka amin'Andriamanitra. Ireo olona ireo no fiangonana tao Antiokia. Izy ireo dia nantsoina hoe Kristiana. Saoly dia niaraka tamin'i Barnabasy mba hampianatra ny olona tany. Indray andro, ny mpitondra ny fiangonana dia nifady hanina sy nivavaka niaraka, ary ny Fanahy Masina dia niteny tamin'izy ireo nanao hoe, "Atokany ho Ahy Barnabasy sy Saoly hanao ny asa izay efa niantsoko azy." Andriamanitra dia tian'i Saoly sy Barnabasy mba handeha any amin'ny olona mbola tsy naheno ny momban'i Jesosy. Hitanao eo amin'ny sary, fa Saoly sy Barnabasy dia mandohalika. Ireo mpitondra ny fiangonana dia mametraka ny tanany amin'izy ireo, ary nivavaka ho azy. Avy eo dia nalefan'izy ireo Saoly sy Barnabasy mba hampianatra ny olona ny vaovao mahafaly momban'i Jesosy, izay any amin'ny toerana lavitra miala amin'ny Antiokia. Jesosy nanao hoe, "Mandehana any amin'izao tontolo izao hianareo, ary mitoria ny filazantsara (na ny vaoavao mahafaly) amin'ny firenena sy ny olona rehetra." Mbola miantso ny olona ao amin'ny fiangonana Andriamanitra mba handeha hivoaka, mba hitory ny filazantsarany ho an'ny olona rehetra. Ny mpino na ny fiangonana dia tokony hivavaka ho an'izy ireny, ary manohana an'izy ireny ka mandefa azy.

Sary Faha 16: Paoly Mitory Ny Momban'I Jesosy

Sary Faha 16: Paoly Mitory Ny Momban'I Jesosy

Asan'ny Apostoly 13:4-52

Saoly sy Barnabasy dia nandeha tany amin'ny tanana maro lavitra. Tamin'izany fotoana izany no niantsoana an'i Saoly hoe Paoly. Izy ireo dia nifanena tamin'ny olona tao amin'ny trano fivavahan'ny Jiosy, araka izay hitanao eo amin'ny sary, ary nampianatra an'izy ireo izy nanao hoe, "Ny Andriamanitry ny Jiosy no nifidy ireo raintsika ary nanao azy ireo ho firenena lehibe. Izy dia nanome azy ireo mpaminany lehibe, sy mpitondra ary mpampianatra. Efa nambaran'izy ireo ny amin'Ilay Iray izay ho avy, mba hamonjy amin'ny fahotana. Izy dia Ny Tompo Jesosy Kristy. Rehefa tonga tety an-tany Jesosy, dia maro tamin'ireo Jiosy no tsy nino Azy. Tsy fantatr'izy ireo hoe, iza moa Izy, ary izy ireo dia tsy nety nanompo Azy, izay efa nirahin'Andriamanitra. Paoly sy Barnabasy ihany koa dia nampianatra ny olona fa Jesosy dia tsy nanao zavatra ratsy, saingy mbola novonoiny Izy. Andriamanitra dia nanangana Azy tamin'ny maty. Ary tsy ho faty intsony Izy.

Ankehitriny kosa,izay rehetra mametraka ny fahatokiany amin'i Jesosy, dia raisiny ka ho tonga marina miaraka amin'Andriamanitra. Saingy ireo izay miahiahy sy mihomehy ny amin'ny fahamarinan'Andriamanitra kosa dia hofaizin'Andriamanitra. Maro tamin'ireo Jiosy ary ny olona avy tamin'ny firenen-kafa dia nino ny fanambarana, ary fiangonana maro no niforona; saingy ny sasany kosa dia tsy nety nino. Ny olona dia tsy hino antsika foana, rehefa miteny aminy ny momba an'i Jesosy isika. Fa Andriamanitra dia tia ny olona rehetra mba haheno, ary mba hino ny filazantsara momba an'i Jesosy, ka ho voavonjy.

Sary Faha 17: Andriamanitra Mitarika An'I Paoly Indray

Sary Faha 17: Andriamanitra Mitarika An'I Paoly Indray

Asan'ny Apostoly 16:6-10

Taona vitsy taty aoriana, dia nitsidika ireo fiangonana indray i Paoly. Nitondra lehilahy vitsivitsy niaraka taminy izy, tao anatin'izany ny lehilahy iray natao hoe, Silasy. Izy ireo dia te hankany any amin'ny firenena iray atao hoe Bitynia, fa ny Fanah'i Jesosy dia tsy namela azy ireo handeha. Ary nony alina dia nisy fahitana niseo tamin'i Paoly. Tao anatin'izany fahitana izany, dia nahita lehilahy iray avy amin'ny firenena Makedonia izy, izay nanao taminy hoe, "Mita mankaty, Makedonia, ka vonjeo izahay." Ary dia fantatry Paoly avy hatrany, fa Andriamanitra dia niantso azy mba handeha any Makedonia. Andriamanitra dia mitari-dalana ho an'ireo izay manaraka an'i Jesosy. Indraindray dia mitari-dalala amin'ny alalan'ny nofy na fahitana Izy, saingy matetika Andriamanitra dia mitondra antsika amin'ny alalan'ny teniny ao amin'ny bokiny, dia ny Baiboly. Ny mpino dia tsy maintsy manontany an'Andriamanitra mba hitari-dalana azy, amin'ny zavatra hataony rehetra. Tsy maintsy mahatoky an'Andriamanitra izy ireo, mba hampiseo azy ireo ny fomba hankatoavana Azy, araka izay hitaritany an'izy ireo amin'ny alalan'ny Fanahy Masiny.

Sary Faha 18: Paoly Sy Silasy Tao Amin'Ny Horohorontany

Sary Faha 18: Paoly Sy Silasy Tao Amin'Ny Horohorontany

Asan'ny Apostoly 16:16-35

Paoly sy Silasy dia nankato an'Andriamanitra, ary nandeha tany Filipy tany Makedonia. Tany no nampianaran'izy ireo ny olona ny momban'i Jesosy. Tamin'ny anaran'i Jesosy Kristy no namoahan'izy ireo ny fanahy ratsy tamin'ny zazavavy iray. Izany dia nahatonga ny olona ho tezitra, ary Paoly sy Silasy dia voakapoka sy nalefa tany an-trano- maizina. Tamin'ny sasakalina dia nivavaka izy ireo ary nanao hira fiderana ho an'Andriamanitra tao amin'ny fonja. Tampoka teo dia nisy horohorontany. Nivoa ny varavarana, ary ny fatoran'ny voafonja rehetra dia nivaha.

Ilay mpiambina dia niheritreritra fa ireo voafonja dia nandositra. Natahotra mafy izy, ka nanapa-kevitra ny hamono tena. Ary niantso azy Paoly nano hoe, "Aza mamono tena, fa ato ihany izahay rehetra." Ilay mpiambina nitondra azy ireo nivoaka, ka nanao taminy hoe, "Tompoko, inona no mety hataoko mba hovonjena aho? Dia namaly izy ireo nanao hoe, "Minoa ny Jesosy Tompo, dia hovonjena hianao sy ny ankohonanao." Ilay mpiambina sy ny fianankaviany dia nametraka ny fitokisany tamin'iny Tompo Jesosy, ary dia nanam- pifaliana lehibe izy ireo. Ilay mpiambina dia nikarakara an'i Paoly sy Silasy, ary ny marainan'iny dia nalefany izy ireo. Nandeha toy ny olon'afaka izy ireo. Rehefa tonga ny fotoan-tsarotra, dia tokony mbola midera an'Andriamanitra isika. Rehefa matoky an'Andriamanitra isika, ary mankato ny teniny, dia afaka manompo Azy isika, na aiza na aiza toerana misy antsika.

Sary Faha 19: Paoly Sy Ilay Alitara Ho An'Ilay Andriamanitra Tsy Fantatra

Sary Faha 19: Paoly Sy Ilay Alitara Ho An'Ilay Andriamanitra Tsy Fantatra

Asan'ny Apostoly 17:16-34

Ny tananan'ny Atena dia feno sampy. Ny olona dia nivavaka tamin'ny andriamanitra maro isankarazany. Eto amin'ity sary ity, Paoly dia mijery an'ilay alitara. Ny zavatra voasotra teo amin'io dia hoe, "Ho an'izay andriamanitra tsy fantatra." Ireo lehilahy tao Atena dia te mba hahafantatra ny zavatra nampianaran'i Paoly, ka hoy izy tamin'izy ireo, "Ry lehilahy Ateniana, hitako fa fatra-pivavaka amin'ny andriamanitrareo indrindra hianareo. Raha nandeha teo amin'ny tanananareo aho dia nahita alitara misy soratra hoe 'ho an'izay andriamanitra tsy fantatra'. Tiakao ny manambara aminao ny amin'ity Andriamanitra ity, izay tsy fantatrao." Paoly dia nilaza tamin'izy ireo, fa afaka mianatra mba hahafantatra Ilay Andriamanitra Tokana izay ao amin'i Jesosy Kristy. Ary ny sasany tamin'ireo dia nino Azy. Jesosy dia ho tonga indray, mba hitsara ny tsirairay. Izy no Ilay Mpamonjy tokana. Tsy misy andraiamani-kafa na fombafombam-pivavahana izay afaka mamonjy ny olona amin'ny fahotana. Tahaka an'i Paoly, andeha isika mba hafatra-po hatoky an'i Tompo Jesosy Kristy. Aoka isika tsy hatahotra mba hilaza ny olona sasany momba Azy, mba hahatonga an'izy ireny hanompo Azy ihany koa.

Sary Faha 20: Paoly Nentina Teo Amin'Ny Fitsarana

Sary Faha 20: Paoly Nentina Teo Amin'Ny Fitsarana

Asan'ny Apostoly 18:1-17

Araka ny hitanao eo amin'ny sary, dia tojo fahasahiranana indray i Paoly. Izy dia tao amin'ny tananan'ny Korinto. Nisy olon-dratsy maro tamin'izany tanana izany. Ireo Jiosy tao Korinto ihany koa dia nanohitra an'i Paoly, satria nolazainy ireo Jiosy fa Jesosy no Mesia.

Indray alina, ny Tompo Jesosy niteny tamin'i Paoly nanao hoe, "Aza matahotra, fa mitenena ihany, ka aza mangina. Fa Izaho momba anao, ary tsy hisy olona hihazona anao hanisy ratsy anao, fa manana olona maro amin'ity tanana ity Aho." Ary Paoly dia nijanona tao Korinto, izay toerana nampianarany ny olona, ary maro no nino ny fanambarany. Fa ireo Jiosy izay nanohitra azy, dia nialona azy. Indray andro dia notafian'izy ireo Paoly, ary nentiny teo amin'ny fitsarana. Nohelohin'izy ireo izy fa nampianatra zavatra diso. Tsy nety nihaino azy ireo anefa ny governora, ary nandroaka azy ireo tany ivelan'ny fitsarana. Tao ivelan'ny fitsarana, dia feno fahatezerana ireo Jiosy ka namono ireo mpitondra Jiosy izay nino an'i Jesosy. Fa i Paoly kosa dia afaka tsy voakasin-tanana. Isika dia tsy tokony hijanona hilaza ny momban'i Jesosy, eny fa na dia manohitra antsika aza ireo olon- dratsy, Andriamanitra dia nampanantena fa miaraka amin'ny mpanompony mandrakariva Izy.

Sary Faha 21: Ireo Miaramila Manavotra An'I Paoly Tamin'Ireo Fahavalony

Sary Faha 21: Ireo Miaramila Manavotra An'I Paoly Tamin'Ireo Fahavalony

Asan'ny Apostoly 21:1, 22:24

Paoly dia niverina namangy ireo fiangonana vao niorina. Nampahery ireo mpino izy mba hitazona ny fanarahana an'i Jesosy. Ny sasany tamin'ireo mpino dia niangavy an'i Paoly mba tsy handeha any Jerosalema. Fantatr'izy ireo fa ny fahavalony dia any, ary te hamono azy izy ireo. Fa hoy Paoly, "Vonona aho tsy ny hafatotra ihany, fa ny ho faty any Jerosalema koa aza mba ho voninahitry ny anaran'i Jesosy Tompo." Raha vao niverina tany Jerosalema i Paoly, dia namporisihin'ireo Jiosy hanohitra azy ny olona. Ny olona dia nihezaka ny hamono azy teny an-dalana. Nisy miaramila Romana vitsivitsy nanala an'i Paoly tamin'ireo vahoaka feno fahatezerana. Paoly dia nitsangana teo ambonin'ny tranon'ny miaramila. Dia niteny tamin'ny olona izy. Ary nanomboka niantsoantso izy ireo, "Vonoy izy, tsy mendrika ny ho velona izy." Ireo miaramila dia voatery nitondra an'i Paoly tany amin'ny fonja mba hiarovana azy amin'ny olona. Paoly dia tsy natahitra ny ho faty. Fantany ny valim-pitia lehibe any an-danitra, izay miandry ho an'ny olona rehetra izay mijaly noho ny amin'i Jesosy.

Sary Faha 22: Paoly Mitory Tamin'Ireo Olona Manana Ny Maha Izy Azy (Ny Governora Sy Ny Mpanjaka Ar

Sary Faha 22: Paoly Mitory Tamin'Ireo Olona Manana Ny Maha Izy Azy (Ny Governora Sy Ny Mpanjaka Ar

Asan'ny Apostoly 23:11, 25 - 26

Ny sasany tamin'ireo Jiosy dia nitetikany hamono an'i Paoly. Fa ny Tompo Jesosy dia nitranga tamin'i Paoly ka nanao hoe, "Matokia, fa tahaka ny nanambaranao Ahy tany Jerosalema no mbola hanambaranao Ahy any Roma koa."

Ireo mpitondra Jiosy dia nanameloka an'i Paoly mialohan'ireo governora Romana, ary nentin'izy ireo Paoly mba ho any amin'i Agripa, mpanjakan'ny Jiosy. Hitanao daholo izy ireo eo amin'ny sary. Paoly dia tsy natahotra an'iza na iza. Nambarany tamin'ny governora, ny mpanjaka, ary ny mpanjaka vavy ny momba an'i Jesosy. Nambarany tamin'izy ireo ny fomba nisehoan'i Jeosy taminy teny an-dalan'ny Damaskosy, ary ny nanirahan'i Jesosy azy mba hilaza ny filazantsara ho an'ny olona rehetra. Ny mpanjaka Agripa dia resilahatra mba hino an'i Jesosy. Fantany fa Paoly dia tsy nanao zavatra ratsy. Paoly dia niseho teo amin'ny amperora ny Roma (tiany ny hotsarain'ny mpitsara amperora any Roma). Agripa dia namela an'i Paoly mba handeha. Roma no tanana lehibe indrindra tamin'izany fotoana izany, ary ny amperora no mpitondra tena manana ny maha izy azy, izay niaina tany. Andriamanitra dia nanana planina ho an'i Paoly. Izy ihany koa dia manana planina manokana ho antsika tsirairay avy. Hitantsika ao amin'ny teniny ny planin'Andriamanitra ny amin'ny fiainantsika. Tsy maintsy mankato Azy isika.

Sary Faha 23: Andrimanitra Miaraka Amin'I Paoly Eo Amin'Ny Loza

Sary Faha 23: Andrimanitra Miaraka Amin'I Paoly Eo Amin'Ny Loza

Asan'ny Apostoly 27:13-44

Ireo miaramila dia nitondra an'i Paoly tany Roma niaraka tamin'ireo voafonja hafa. Voatery nandeha sambokely izy ireo mba hiampita ny ranomasina. Nandritra ny 14 andro, ny sambo dia tratran'ny rivo-doza. Ny olona tao anaty sambo dia niheritreritra fa ho faty izy ireo.

Ny anjelin'Andriamanitra niteny tamin'i Paoly nanao hoe, "Aza matahotra ry Paoly, fa tsy maintsy hijoro eo anatrehan'ny amperora hianao. Ary Andriamanitra dia hamonjy ny ain'ny olona miaraka aminao." Fotoana fohy taorian'izany, dia nanakaiky ny tany ny sambo, ary ilay sambo dia nanomboka vaky teny amin'ny rano marivo. Ireo olona dia nitsambikina tany an-dranomasina. Ny sasany dia afaka nilomano, ny sasany nihazona ny ny potikin'ny sambo. Izy rehetra ireo dia voavonjy tonga teny an-tanety. Avy amin'ny alalan'izany no hianarantsika, fa Andriamanitra dia manana asa ho antsika ho atao, ary Izy dia mahery mba hanafaka antsika amin'ny loza.

Sary Faha 24: Paoly Izay Voafonja Tany Roma

Sary Faha 24: Paoly Izay Voafonja Tany Roma

Asan'ny Apostoly 28:16-31

Eto dia hintantsika i Paoly any Roma. Nandritra ny 2 taona izy no voafonja tany. Izy dia nahazo alalana mba hipetraka ao amin'ny trano izay nofainy, miaraka amin'ireo miaramila Romana mpiandry azy. Izy dia nandray tsara izay rehetra tonga mba hitsidika azy. Izy dia nampianatra azy ireny ny fanjakan'Andriamanitra sy ny Tompo Jesosy. Paoly dia nanoratra taratasy mba hampianatra ireo fiangonana, izay notsidihany mialohan'ny nahavoasambotra azy.

Izany taratasy izany dia ao amin'ny Baiboly, ary ho an'ny olona rehetra, izay te mba hianatra ny lalan'Andriamanitra. Paoly dia nijaly tokoa noho ny amin'i Jesosy. Matetika izy no voavono sy voatora-bato, ary noana sy tsy nisy trano hipetrahana. Tamin'ny farany dia novonoin'ireo Romana izy. Fa Paoly nanoratra ho an'ny mpino rehetra nanao hoe, "Izaho mahalala, fa na fahafatesana, na fiainana...na inona na inona tsy misy mahasaraka antsika amin'ny fitiavan'Andriamanitra, izay ao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika." Andriamanitra dia manome hery ny mpino rehetra, izay manompo ny Tompo sy ny Mpamonjy Jesosy Kristy. Andeha isika hanome ny fianantsika ho an'i Tompo Jesosy. Andeha isika hanompo Azy ary hanaparitaka ny teniny, mba ahafahan'izao tontolo izao mahafantatra fa Jesosy dia manome fiainana mandrakizay, izay avy amin'Andriamanitra.

ព័ត៌មានពាក់ព័ន្ធ

Free downloads - Here you can find all the main GRN message scripts in several languages, plus pictures and other related materials, available for download.

The GRN Audio Library - Evangelistic and basic Bible teaching material appropriate to the people's need and culture in a variety of styles and formats.

Copyright and Licensing - GRN shares it's audio, video and written scripts under Creative Commons

Choosing the right audio or video format - What audio and video file formats are available from GRN, and which one is best to use?