Jereo, Henoy, Hiaino Boky 2 Ireo Lehilahy Maherin' Andriamanitra

Jereo, Henoy, Hiaino Boky 2 Ireo Lehilahy Maherin' Andriamanitra

Garis besar: Jacob, Joseph, Moses. 24 sections. It has a picture book to go along with the recording.

Nomor naskah: 419

Bahasa: Malagasy Merina

Tema: Sin and Satan (Deliverance, Judgement, Sin, disobedience); Christ (Jesus, Our Substitute, Sacrifice / Atonement); Eternal life (Salvation); Character of God (Nature, character of God, Word of God (the Bible)); Living as a Christian (Obedience, No other gods, idols, Forgiveness, Faith, trust, believe in Jesus); Bible timeline (Law of God, Gospel, Good News); Problems (Problems, troubles, worries)

Pengunjung: General

Gaya: Monolog

Jenis: Bible Stories & Teac

Tujuan: Teaching

Kutipan Alkitab: Paraphrase

Status: Publishable

Isi Naskah

Lafiny A Ireo Lehilahy Maherin' Andriamanitra Teny Fampidirana

Lafiny A Ireo Lehilahy Maherin' Andriamanitra Teny Fampidirana

Fiaraba ho anareo ry namako. Moa ve ianareo mba mahafantatra Ilay Andriamanitra tokana sady marina? Mamelahy ahy hianareo hitantara ny amin'ireo lehilahy vitsivitsy izay nahalala Azy. Jereo ny sary ao amin'ny boky volomboasary no sady henoy ny kasety. Avadio ao amin'ny sary manaraka rehefa maheno feo tahaka izao ianao.

Sary 1: Izy Mirahalahy

Sary 1: Izy Mirahalahy

Genesisy 25:21-34, 27:1-29

Ireo mpirahalahy hitantsika eo amin'ny sary ireo dia miadivarotra. Ny iray antsoina hoe Esao,dia nahay nihaza be. Jakoba, no anaran'ny zandriny izay nikarakara sakafo tsara. Esao tamin'zay dia noana be rehefa avy nihaza ary mba nangataka tamin'i Jakoba sombiny tamin'ireo sakafo. Fa hoy Jakoba tamin'i Esao, "Amidio amiko ary aloha ny fizokianao." Tiany ho azy ny fananan'ny fianankaviana izay tokony holovan'ny zokony Esao. Esao moa dia tsy niraharaha ny amin'izany lova izany. Ny tao an-tsainy dia ny kibony noana ihany. Noho izany dia namidiny noho ny amin'ny sakafo ny fizokiany. Ny anarana hoe Jakoba dia midika hoe "Mpamitaka" ary ny toetran'i Jakoba dia mamitaka ny olona. (Tato aoriana kely Jakoba dia na ny rainy aza dia nofetseny.)

Sary Faha 2: Ny Nofon'I Jakoba

Sary Faha 2: Ny Nofon'I Jakoba

Genesisy 28:10-22

Esao dia nankahala an'i Jakoba ary nitetika ny hamono azy. Vokatr'izany Jakoba dia voatery nandositra niala ny tranony. Ary nahita an'Andriamanitra teny an-danitra sy ireo Anjelin'Andriamanitra nidina tety an-tany izy. Hoy Andriamanitra tamin'i Jakoba, "Omeko anao sy ny taranakao ity tany izay handrianao ity. Ho tonga maro tokoa ny taranakao."

Ny olona rehetra eto ambonin'ny tany dia ho tahiana amin'ny alalanao sy ny taranakao. Indro Izaho momba anao ka hiaro anao amin'izay lalan-kalehanao rehetra ary hampody anao indray amin'ity tany ity; fa tsy handao anao Aho mandra-panaoko izay voalazako taminao. Andriamanitra dia nahafantatra fa Jakoba dia mpamitaka nefa Andriamanitra dia tian'i Jakoba ary te hanova azy. Noho izany Andriamanitra dia nanome azy ireo teny fikasa tsara.

Sary Faha 3: Jakoba Sy Labana

Sary Faha 3: Jakoba Sy Labana

Genesisy 29:1 - 31:55

Jakoba dia mbola nanohy nametsy olona foana, indraindray anefa dia mba fetsen'ny olona ihany koa izy. Jakoba dia nandeha niasa tamin'ny dadatoany, Labana izany. Tiany anefa ny hanambady ny faravavy amin'ny zanaky Labana izay nantsoina hoe Rahely. Niasa nandritra ny fito taona ho an'i Labana izy mba hahazoany an-dRahely. Kanefa nofetsen'i Labana i Jakoba mba hanambadiany ny zanany vavimatoa aloha. Ka Labana dia nampiasa an'i Jakoba fito taona indray ho an'i Rahely. Jakoba teto dia namitaka an'i Labana. Lasany avokoa ny biby fiompy tsara rehetra izay avy amin'ny biby fiompin'i Labana. Avy eo dia niteny tamin'i Jakoba Andriamanitra nanao hoe, "Modia any amin'ny tanin'ny razanao sy any amin'ny havanao; ary homba anao Aho."

Sary Faha 4: Jakoba Nifanena Tamin'Andriamanitra

Sary Faha 4: Jakoba Nifanena Tamin'Andriamanitra

Genesisy 32:1-32

Jakoba dia te hiverina hody saingy natahotra an'i Esao izy satria izay mametsy ny hafa dia matetika miaina amin'ny tahotrin'ny valifaty. Indray alina raha teny an-dalana hody dia indro nisy lehilahy iray nanatona an'i Jakoba. Nitolona tamin'i Jakoba izy nandritra ny alina manontolo. Ary raha vao niposaka ny masoandro dia notendreny ny foto-pehan'i Jakoba ka nivika. Fantatry Jakoba tamin'izay fa ilay lehilahy dia Andriamanitra. Jakoba dia tsy afaka niady intsony ka hoy izy hoe, "Tsy havelako handeha hianao, raha tsy tahianao aho." Ary hoy ralehilahy tamin'i Jakoba, "Tsy hatao hoe Jakoba intsony ny anaranao fa Isiraely." Ny hevitry ny hoe Isiraely dia mpitolona amin'Andriamanitra. Andriamanitra dia tonga nampalemy an'i Jakoba ilay mpamitaka, mba nahafahany nanova azy. Ary Isiraely dia niverina tany amin'ny fianakaviany tamin'ny fiadanana. Izy no tonga rain'ny Fanjakana lehiben'ny olona izay manompo an'Andriamanitra. Ry namako, isika koa dia manohitra ny lalan'Andriamanitra rehefa mamitaka ny namantsika isika, fa Andriamanitra anefa efa nandefa Ilay lehilahy Iray mba hanova antsika. Tsy iza izany fa ny Tompo Jesosy Kristy.

Sary Faha 5: Ny Nofon'I Josefa

Sary Faha 5: Ny Nofon'I Josefa

Genesisy 37:1-11

Jakoba, izay nantsoin'Andriamanitra hoe Isiraely dia nanan-janaka roa ambiny folo (12). Ny zanany tiany indrindra dia i Josefa. Isiraely dia nanome an'i Josefa kapoty tsara tarehy. Ireo rahalahan'i Josefa dia nialona azy. Indray alina dia nanofy Josefa. Ary hoy izy tamin'ireo rahalahany, "Mba henoy kely ange izao nofiko izao. Indro, namehy amboara tany an-tsaha isika, ary indro, niarina ny amboarako sady nijoro; ary indreo, nilahatra manodidina kosa ny amboaranareo ka niankohoka teo anatrehan'ny amboarakao." Tezitra mafy noho izany ireo rahalahany. Moa izany nofy izany dia milaza fa izy ireo dia hiankohaka eo anatrehan'ny zandriny? Nankahala an'i Josefa tokoa izy ireo ary nitady fomba hamelezana azy.

Sary Faha 6: Josefa Dia Namidy

Sary Faha 6: Josefa Dia Namidy

Genesisy 37:12-36

Ireo rahalahan'i Josefa dia nandeha niandry ondry tany amin'ny toerana lavitra ny fonenany. Ary hoy Isiraely tamin'i Josefa, "Andeha, izahao na tsara ihany ny rahalahinao sy ny ondry aman- osy, na manao ahoana; ka miverena hilaza amiko." Rehefa nahita an'i Josefa nanatona azy ireo ny rahalahany dia nanapa-kevitra izy ireo fa hamono azy. Nendahin'izy ireo ny akanjony, ilay kapoty tsara tarehy ary nobetainy izy ka natsipiny tao an-davaka maina. Tamin'izay indrindra no indreny nisy Isimaelita niara-dia nandalo. Ary hoy ny iray tamin'ny rahalahiny nanao hoe, "Inona no soa ho azontsika, raha hamono ny rahalahintsika sy hanafina ny rany isika? Andeha hamidintsika amin'ireo Isimaelita ireo izy." Dia namidin'ireo rahalahany i Josefa(izay sekely volafotsy roa-polo). Ary nalain'ireo rahalahiny ilay akanjon'i Josefa, dia namono zanak'osy izy ka natsobony tamin'ny ra ny akanjo ka dia nentiny tany amin'ny rainy izany. Neverin'i Isiraely fa lanin'ny bibidia i Josefa. Ka dia nisaona tamin'ny alahelo mafy izy.

Sary Faha 7: Josefa Sy Ilay Vehivavy Ratsy Fanahy

Sary Faha 7: Josefa Sy Ilay Vehivavy Ratsy Fanahy

Genesisy 39:1-20

Ireo Isimaelita dia nivarotra an'i Josefa tany amin'ny tany Egypta. Lasa andevon'ny lehilahy iray atao hoe Potifara izy. Potifara dia tandapan'ny Mpanjakan'i Egypta no sady mpifehy ny mpiambiny. Andriamanitra dia momba an'i Josefa ka nahomby izay rehetra nataony. Vetivety foana dia notendren'i Potifara hikarakara ny tao an-tranony izy. Josefa dia bikana sady tsara tarehy. Ny vadin'i Potifara dia naniry azy fatratra mba ho azy. Notereny handry aminy i Josefa.

Josefa nahafantatra fa tsy tsara izany, ka nandaha azy izy. Nandositra nivoaka ny trano izy saingy ny vadin'i Potifara nisambotra azy tamin'ny akanjony. Nentin-dravehivavy tamin'ny vadiny ilay akanjo ka niampangany Josefa fa nisangy azy mba handry aminy. Vokatr'izany dia naton'i Potifara tao an-tranomaizina i Josefa.

Sary Faha 8: Josefa Tao An-Tranomaizina

Sary Faha 8: Josefa Tao An-Tranomaizina

Genesisy 39:20 - 40:23

Andriamanitra dia mbola momba an'i Josefa na dia tany an-tranomaizina aza izy. Vetivety foana i Josefa dia tonga mpiandraikitra ny mpifatotra rehetra. Ny mpanompon'ny Mpanjaka izay mandroso divay azy ho sotroiny sy ny mpanao mofony dia nataony to an-tranomaizina noho ny fadisoany. Indray alina dia samy nanonofy izy ireo. Ary niheritreritra izy ireo fa tsy manana olona afaka handika izany nofy izany izy. Hoy Josefa tamin'izy ireo, "Tsy avy amin'Andriamanitr va ny filazana ny hevitry ny nofy? Lazao amiko ny nofinareo." Dia nambaran'ireo mpanompo ny nofiny, "Indro hono nisy tahom-boaloboka teo anatrehako, ary ilay tahom-boaloboka nisampana telo. Dia nalaiko ny voaloboka ka nofiazako ho ao amin'ny kapoakan'i Farao, dia natolotro teo an-tanany." Ary hoy Josefa taminy: izao no heviny: "Ato anatin'ny hateloana dia hasandratry Farao ianao ka haveriny amin'ny asanao taloha." Ilay mpanao mofo koa dia nanambara an'i Josefa ny nofiny, saingy ny dikan'ny nofiny dia hoe, "Ato anatin'ny hateloana dia hasandratr'i Farao ho amin'ny fahafatesana ianao." Ilay mpanompo dia afaka ary ilay mpanao mofo dia maty araka izay nolazain'Andriamanitra an'i Josefa. Fa Josefa kosa dia tao an-tranomaizina nandritra ny roa taona.

Sary Faha 9: Ny Nofin'Ny Mpanjaka

Sary Faha 9: Ny Nofin'Ny Mpanjaka

Genesisy 41:1-40

Taorian'izany dia nanonofy ny Mpanjakan'i Egypta. Nahita ombivavy matavy fito teo amoron'ny renirano izy. Ary indreo nisy ombivavy mahia fito nivoaka avy tao anatin'ilay renirano ka nihinana ireo ombivavy matavy fito. Tsy nisy afaka nilaza tamin'ny Mpanjaka ny dikan'izany nofy izany.Avy eo ilay lehiben'ny mpitondra divay ny Mpanjaka nilaza tamin'ny Mpanjaka ny amin'i Josefa. Ny Mpanjaka dia nampaka an'i Josefa niala tao an-tranomaizina. Josefa nanambara tamin'ny Mpanjaka ny hevin'ny nofiny , hoy izy, "Andriamanitra nanambara aminao izay efa hataony. Hisy fito taona zina indrindra eran'ny tany Egypta. Ary manaraka izany kosa dia hisy fito taona mosarena. Koa mitadiava lehilahy manan-tsaina sady hendry ka hanendry azy hanapaka ny tany Egypta.

Aoka izany lehilahy izany miaraka amin'ny mpanampy azy vitsivitsy mba hanangona ny vokatra mandritra ny taon-jina fito ary hitahiry izany amin'ny fito taona mosarena." Ny Mpanjaka dia nahita fa ny Fanahin'Andriamanitra dia tao amin'i Josefa.

Sary Faha 10: Ny Fanapahan'I Josefa Tao Egypta

Sary Faha 10: Ny Fanapahan'I Josefa Tao Egypta

Genesisy 41:47 - 42:28

Nandritra ny fito taona zina tao Egypta dia nanangona vokatra betsaka i Josefa. Rehefa tonga ny fito taonan'ny mosary dia novarotany tamin'ny olona tao Egypta ireny vokatra ireny. Nisy mosary koa tany Kanana. Ka mba tonga tany Egypta koa ireo zoky folo-lahin'i Josefa mba hividy vary. Tsy fantatr'izy ireo fa ny mpanapaka dia i Josefa, saingy izy kosa dia nahafantatra azy ireo. Niampangain'i Josefa fa mpisafo ny tany izy ireo ary nataony tao an-tranomaizina. Afaka telo andro dia hoy izy tamin'izy ireo, "Izao ary no hafantarako fa olo-marina hianareo, ento mankaty amiko ny zandrinareo faralahy." Ary notazoniny tao an-tranomaizina ny iray tamin'izy ireo ary ny ambiny dia nalefany nitondra ny vary tany amin'ny fianankaviany.

Sary Faha 11: Josefa Nampafantatra Azy Ny Rahalahiny

Sary Faha 11: Josefa Nampafantatra Azy Ny Rahalahiny

Genesisy 43:1 - 45:27

Iro rahalhan'i Josefa dia natahotra mafy ny hiverina any Egypta saingy fotoana fohy dia mila vary fanampiny izy ireo. Noho izany dia nitondra ny zandriny lahy Benjamina izy ireo ary nadeha tany amin'i Josefa. Josefa dia mbola tsy nilaza tamin'izy ireo hoe, iza moa izy. Nivarotany vary izy ireo saingy avy eo nirahany ny iray tamin'ireo mpanompony mba hamerina ny volan'izy ireo tao anatin'ny lasakany avy ary mba hanafina ny kapoka volafotsiny ao anatin'ny lasakam- barin'ilay faralahy. Ary avy eo dia nandefa ny mpanompony Josefa mba hiapanga azy ireo fa nangalatra taminy. Ireo rahalahiny rehetra dia niankohoka te anatrehan'i Josefa mba hangataka famindram-po, ary izany dia tahaka ireo amboara tao amin'ny nofin'i Josefa. Josefa dia nitomany ary tsy nahatana intsony ny zavamiafiny. Hoy izy tamin'izy ireo, "Izaho no rahalahinareo Josefa,ilay namidinareo ho aty Egypta." Ary namihina an'i Benjamina izy ary nitomany rehefa nanoroka azy sy ireo rahalahiny. Josefa nanome fanomezana lehibe ho azy ireo sy ny rainy. Ary nolazainy izy ireo mba hiverina tany Egypta sy hitondra ireo fianankaviany ary ny rainy. Ireo rahalahiny nandeha nody ary nilaza tamin-drainy. "Josefa dia mbola velona, izy dia mpanapaka ny tany rehetra tao Egypta."

Sary Faha 12: Jakoba Sy Josefa Tany Egypta

Sary Faha 12: Jakoba Sy Josefa Tany Egypta

Genesisy 45:28 - 50:26

Jakoba dia efa antitra tokoa raha nitondra ireo fianankaviany ary ireo izay nananany rehetra mba ho hipetraka any Egypta. Raha vao nahita ny zanany lahy Josefa i Jakoba, dia namihina azy izy ary samy nitomany izy ireo. Taoriana kely dia nametra-tanana tamin'ireo zanakalahin'i Josefa izy ary nitso-drano azy ireo ka dia tonga mpitarika lehibe teo amin'ny taranaky ny Isiraely izy ireo. Jakoba dia maty tany Egypta izy efa tena antitra tokoa. Avy eo ireo rahalahin'i Josefa dia nataotra noho ny amin'ny ratsy izay nataon'izy ireo tamin'i Josefa. Fa Josefa kosa nanao taminy hoe, "Aza matahotra. Ianareo no nihevitra izay namelezana ahy, fa Andriamanitra kosa nanao izany ho tsara mba hahavelona olna maro." Ry namako, misy Olona iray any an-danitra izay lehibe noho i Josefa. Ny anarany dia ny Tompo Jesosy Kristy. Ireo olona ratsy fanahy namono Azy. Saingy Andriamanitra dia nanodina izany asa ratsy izany mba ho tsara ho antsika, eny fa na dia ireo ratsy izay vitantsika tamin'ny namantsika aza, Andriamanitra dia hamela ny fahotantsika. Izy dia mahery mba hamonjy izay rehetra mahatoky Azy, ary ireo dia tsy hijaly ny amin'ny fitsarana ny amin'ny fahafatesana mandrakizay.

Lafiny B Teny Fampidirana

Lafiny B Teny Fampidirana

Nisy lehilahy iray izay nantsoaina hoe Mosesy izay tena nahery tao amin'Andriamanitra ary koa namonjy ny olon'Andriamanitra tamin'ny fanandevozan'ny tany Egypta. Izany dia hanampy antsika mba hisaintsaina ny amin'i Jesosy izay mahery ka afaka manafaka izay rehetra mahatoky azy amin'ny fatoran'i satana. Jereo ny sary rehefa mihaino ny kasety ianao. Mivonona mba hamadika ny sary manaraka raha vao maheno izao feo famantarana izao ianao.

Sary Faha 13: Mosesy Zazakely

Sary Faha 13: Mosesy Zazakely

Eksodosy 2:1-10

Jakoba izay nantsoina hoe Isiraely, dia nanana anaka nantsoina hoe Mosesy. Mosesy dia teraka tany Egypta 300 taona taorian'i Josefa. Tamin'izany taona izany dia maro tokoa ireo Isiraely, ka natahotra azy ireo ny mpanjakan'i Egypta ary noha izany dia nampijaliany mafy ireo Isiraelita. Nasainy nanao asa an-terivozona tahaka ny andevo ireo Isiraelita ary nasainy novonoina avokoa izay zazalahy kely Isiraelita rehetra. Rehefa teraka i Mosesy dia nafenin-dreniny. Napetrany tao anaty sobiky iry izy ary nafeniny tao anaty zozoro teo amoron'drano. Ny anabaviny, Miriama, nijanona teny lavidavitra eny mba hijery azy. NY zanakavavin'ny Mpanjaka tonga mba handro teo amin'ny renirano. Nahita ilay sobiky izy ary ny zazakely Mosesy. Mosesy dia nanomboka nitomany. Ny zanakavavin'ny Mpanjaka dia namindrafo tamin'ilay zazakely, ka nanapakevitra fa hitazona azy ho zanany. Mosesy dia nihalehibe tao amin'ny tandapan'ny Mpanjaka. Mosesy nampianarina ny fomba Egyptiana rehetra ary nanjary tonga lehilahy manana ny maha izy azy izy.

Sary Faha 14: Mosesy Sy Ny Roimemy

Sary Faha 14: Mosesy Sy Ny Roimemy

Eksodosy 2:11 - 4:17

Indray andro Mosesy dia nahita Egyptiana nanavokavoka andevo Isiraelita. Mosesy dia te hanampy ny olony, ka novonoiny ilay Egyptiana, vokatr'izany dia voatery nandositra ny Mpanjaka izy. Nandritra ny 40 taona no niainany tany amin'ny tany efitra izay nantsoina hoe Sinay.Indray andro dia nahita zavatra mahagaga izy. Nahita roimemy nisy lelafo izy nefa tsy may, ary tsy levona izany Andriamanitra dia niteny tamin'i Mosesy avy tao amin'ilay roimemy, nanao hoe, "Efa hitako izao ny fampijaliana ny oloko.

Koa indro Aho maniraka anao ho any amin'ny Mpanjakan'i Egypta mba afahanao mitarika ny oloko hiala amin'io firenena io."

Sary Faha 15: Mosesy Niverina Tany Amin'Ny Mpanjaka

Sary Faha 15: Mosesy Niverina Tany Amin'Ny Mpanjaka

Eksodosy 3:11 - 10:29

Mosesy dia natahotra saingy nahatoky an'Andriamanitra izy ary niverina tany Egypta. Ny rahalahiny Arona dia niaraka taminy. Ary hoy izy ireo tamin'ny Mpanjaka, " Ny Tompo, ny Andriamanitry Isiraely nanao hoe, "Alefaso ny oloko mba hanao andro firavoravoana ho Ahy any an'efitra." Fa hoy kosa ny Mpanjaka, "Tsy fantatro ny Tompo ka tsy halefako ny Isiraely." Ary taorian'izany dia vao maika mafy ny fampijalian'ny Mpanjaka ny Isiraely. Hoy Andriamanitra tamin'i Mosesy, "...ary ho fantatry ny Egyptiana fa Izaho no Tompo rehefa maninjitra ny tanako hanohitra ny Egypta Aho ary hitondra ny Isiraely hivoaka avy amin'izany." Ary hoy koa Andriamanitra, "Rehefa miteny aminao i Farao 'manaova fahagagana', dia mitenena amin'i Arona manao hoe, raiso ny tehinao dia hatsipazo eo anolohan'i Farao ary ho tonga bibilava izany." Arona dia nankatoa izany, ary ny Mpanjaka dia nahita ny herin'Andriamanitra, saingy tsy namela ny olona handeha izy. Noho izany Andriamanitra dia nanao zavamahagaga maro hanoherana ny Egyptiana. Nataony tonga ra ny rano rehetra tany Egypta. Dia nandefa sahona, lalitra, ary valala nanenika an'i Egypta Izy. Andriamanitra dia namela ireo ombiasy mba hanao ny ampahany tamin'ireo fahagagana saingy ny Tompo dia nanao fahagagana maro izay tsy vitan'ireo ombiasy. Vokatry izany Andriamanitra dia nampitandrina ny Mpanjaka fa Izy dia mahery lavitra nohon'ny ombiasy Egyptiana. Na izany aza anefa dia tsy mbola nanaiky ny hankatoa an'Andriamanitra ihany ny Mpanjaka ary tsy namela ny Isiraely handeha izy.

Sary Faha 16: Ilay Zanak'Ondry Natao Sorona

Sary Faha 16: Ilay Zanak'Ondry Natao Sorona

Eksodosy 12:1-36

Andriamanitra dia niteny tamin'i Mosesy nanao hoe, "Lazao ny Isiraely ka aoka ny fianankaviana tsirairay avy samy haka zanak-ondry ary hamono izany. Aoka samy haka amin'ny ran'ny zanak'ondry izy ireo ary hanositra izany amin'ny tolanam-baravarany avy. Handeha hamaky ny tany Egypta amin'izany alina izany Aho ary hamono ny matoa rehetra hatramin'ny olona ka hatramin'ny biby fiompy. Ary raha mahita ny ra Aho, dia handalo anareo, ka tsy hisy loza handringana anareo." Andriamanitra dia nanao izany araka izay nolazainy. Maty daholo ny lahimatoan'ny Egyptiana. Fa ny lahimatoan'ny Isiraelita dia tsy nisy maty na dia iray aza.

Hoy ny Mpanjaka tamin'i Mosesy hoe: "Mitsangana! ilaozy ny oloko,dia ianao sy ny Isiraely. Mandehana manompo ny Tomponao araka izay nangatahinao.

Sary Faha 17: Fiampitana Ny Ranomasina Mena

Sary Faha 17: Fiampitana Ny Ranomasina Mena

Eksodosy 13:17 - 14:31

Mosesy nitondra ny olon'ny Isiraely nivoka tao Egypta. Andriamanitra dia nialoha lalana azy ireo tamin'ny alalan'ny andry rahona sy afo. Fa ireo Egyptiana dia tezitra mafy satria tsy nanana andevo intsony izy ireo. Ny mpanjaka sy ireo miaramilany rehetra dia nanaraka ny Isiraely mba hamerina azy ireo. Ireo Isiraelita dia tonga teo amin'ny ranomasimbe izay tsy nafahany niampita. Ireo Egyptiana dia taorian'izy ireo. Ny Isiraelita dia tsy nisy toerana nafahana nandositra. Hoy Mosesy tamin'ny Isiraely, "Aza matahotra! Ho hitanao ny zavatra hataon'Andriamanitra hamonjena antsika." Dia Andriamanitra nanisy lalana namakivaky ny ranomasina mena ary ireo Isiraelita dia afaka niampita ny ranomasina mena teo ambonin'ny tany maina. Ireo Egyptiana dia nanandrana nanaraka izy ireo, saingy ny rano tonga ka nanafotra azy rehetra. Ireo Egyptiana rehetra dia maty tao an-dranomasina fa ny Isiraely dia voavonjy.

Sary Faha 18: Sakafo Sy Rano Tany An-Efitra

Sary Faha 18: Sakafo Sy Rano Tany An-Efitra

Eksodosy 16:1 - 17:7

Mosesy dia nitarika ny olona tany an-efitra. Tsy ampy ny sakafo hohanin'izy ireo ka nimonomonona tamin'i Mosesy,Arona ary ny Tompo izy ireo. Isaky ny hariva dia mandefa andihana vorona Andriamanitra mba hohanin'izy ireo. Isaky ny maraina dia nisy zavamadinika toy ny fanala nitranga teo ambonin'ny tany izay tsy inona fa mofo avy any an-danitra. (Ny olona dia niantso izany hoe 'Mana'. Ary rehefa tsy nisy ny rano, dia nimonomonon tamin'i Mosesy indray ny Isiraely. Hoy Mosesy tamin'izy ireo, "Nahoana no mila ady amiko hianareo? Nahoana no maka fanahy an'i Tompo hianareo?" Mosesy nivavaka ka namaly azy Andriamanitra. "Raiso ny tehanao ary kapohy ny harambato, ka hisy rano hivoaka avy aminy hisotroan'ny olona." Nandritran'ny 40 taona no nanomezan'Andriamanitra sakafo ary nitsinjovany ny olon'ny Isiraely tany an- efitra.

Sary Faha 19: Mosesy Tao An-Tendrombohitr'Andriamanitra

Sary Faha 19: Mosesy Tao An-Tendrombohitr'Andriamanitra

Eksodosy 19:1 - 20:17; Salamo 19:11; Jaona 14:15

Ireo Isiraelita dia tonga tao amin'ny tendrombohitry Sinay. Andriamanitra dia nidina tao an-tendrombohitra niaraka tamin'ny kotroka sy tselatra, rahona ary afo. Mosesy dia niakatra tao an-tendrombohitra ary Andriamanitra niteny taminy nanao hoe, "Izaho no Tompo Andriamanitrao. Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany. Aza miankohoka eo natrehan'ny sarin-javatra voasikotra na manompo azy. Aza mampiasa ny anarako amin'ny zavatra tsy marina. Mahatsiarova ny andro fahafito hanamasinana azy. Manaja ny rainao sy ny reninao. Aza mamono olona. Aza mijangajanga. Aza mangalatra. Aza mba mety ho vavolombelona mandainga. Aza mitsiriritra ny zavatry ny namanao." Taorian'izany dia, nanoratra ireo didy ireo Andriamanitra ary ny didy hafa dia tamin'ny takelabato iray ary Mosesy dia nitondra ny takelabato nidina ny tendrombohitra mba hampafantatra izany ny lona rehetra. Ankehitriny dia hitantsika ny didin'Andriamanitra ao amin'ny teniny dia ny Baiboly. Nilaza Andriamanitra fa izay mitandrina ny didiny dia mahazo valimpitia lehibe. Ary Jesosy koa nilaza nanao hoe, "Raha tia Ahy ianareo dia hitandrina ny didiko."

Sary Faha 20: Ilay Menarana Varahina Teo Amin'Ny Hazo Lava

Sary Faha 20: Ilay Menarana Varahina Teo Amin'Ny Hazo Lava

Nomery 21:4-9; Deoteronomia 18:18

Ireo Isiraelita dia nanome toky fa hankato ny didin'Andriamanitra, saingy tsy notanterahany anefa izany. Nanomboka nimonomonona tamin'Andriamanitra sy tamin'ny sakafo nomen'Andriamanitra azy indray ny olona. Andriamanitra nanafay azy ireo tamin'ny alalan'ny fandefasana menarana mahafaty. Maro tamin'ireo olona no maty vokatry ny kaikitry ilay menarana. Ireo olona dia nitomany fanampiana tamin'i Mosesy ary Mosesy dia nivavaka ho an'izay ireo. Ary avy teo hoy Andriamanitra tamin'i Mosesy, "Manaova menarana varahina, ka ahantony amin'ny hazo lava, ary izay rehetra voakaikitra dia ho velona raha mijery izany." Ary Mosesy dia nanao menarana varahina ary nanantona izany tamin'ny hazo lava. Ary izay rehetra voakaikitry ny menarana ka nijery ilay menarana varahina, dia velona. Mosesy dia iray tamin'ireo mpitarika sy mpaminany lehibe indrindra izay nananan'i Isiraely. Nandritra ny 40 taona no nitarihany ny olona tany an-efitra. Talohan'ny nahafatesan'i Mosesy dia hoy Andriamanitra taminy, "Haniraka mpaminany iray tahaka anao Aho izay avy amin'ny Isiraelita. Hilaza ny olona izay zavatra rehetra hahdidihako azy izy."

Sary Faha 21: Jesosy Nampihinana Sakafo Ny Olona

Sary Faha 21: Jesosy Nampihinana Sakafo Ny Olona

Jaona 6:1-58

Nandritra ny taona maro ny olon'i Isiraely no nitady mpaminany hafa tahakan'i Mosesy. Ary tamin'ny farany Jesosy Kristy dia teraka tao amin'ny tany Isiraely. Izy nampianatra ny olona ny amin'andriamanitra toy ny nataon'i Mosesy. Indray andro ny olona dia nandeha tany amin'ny toerana mitokana mba hiaino an'i Jesosy. Nanomboka noana izy ireo saingy tsy nisy nanana sakafo izy ireo. Tovolahy iray no nanana mofo dimy sy hazandrano roa. Jesosy naka ny mofo sy ny hazandrano ka nisaotra an'Andriamanitra. Ary dia nahavoky ny olona rehetra tamin'izany sakafo izany izy. Nisy teo amin'ny 5000 mahery teo izy ireo. Ary hoy ny olona, "Ity tokoa no ilay Mpaminany izay ho tonga amin'izao tontolo izao." Ny andro manaraka dia hoy Jesosy tamin'izy ireo,"Izaho no mofon'ny fiainana, izay manatona Ahy ,dia tsy ho noana intsony ary izay mino Ahy dia tsy hangetaheta intsony." Andeha isika hanatona an'i Jesosy ary hino Azy.

Sary Faha 22: Jesosy Miresaka Tamin'I Mosesy

Sary Faha 22: Jesosy Miresaka Tamin'I Mosesy

Matio 17:1-8; Lioka 9:28-36

Mosesy sy Elia dia samy mpaminanin'Andriamanaitra. Izy ireo dia nihaina taona maro talohan'ny nahatongavan'i Jesosy teto an-tany. Indray andro Jesosy dia nitondra ny telo tamin'ireo mpianany ho any an-tendrombohitra mba hivavaka. Ary rehefa nivavaka Jesosy, dia namirapiratra tanaka ny masoandro ny tavany. Ary ny fitafiany tonga fotsy tahaka ny mazava. Mosesy sy Elia koa niseho tamin'ny famirapiratana niaraka taminy. Jesosy nahafantatra fa efa akaiky ny fahafatesany ary Mosesy sy Elia dia niresaka taminy ny amin'ny hahafatesany. Ireo mpianatra telon'i Jesosy dia naheno azy ireo niresaka. Avy eo dia nisy rahona nanarona azy ireo. Ary injao ny feon'Andriamanitra avy tao amin'ilay rahona nano hoe, "Ity no zanako malalako izay sitrako; Izy no henoy." Rehefa tapitra izany feo izany, dia tsy nahita olona afa-tsy Jesosy irery ihany ny mpianatra.

Sary Faha 23: Jesosy Maty Ho Antsika

Sary Faha 23: Jesosy Maty Ho Antsika

Jaona 3:14-16

Ny olona dia nanao tsinotsinona an'i Jesosy ary namono Azy. NY miaramila namantsika Azy teo amin'ny hazo fijaliana. Nisy lehilahy roa hafa koa novonoiny niaraka tamin'Azy. Ireo lehilahy roa ireo dia mpangalatra sy mpamono olona, fa Jesosy kosa dia tsy mbola nandika ny lalan'andriamanitra na dia iray aza.

Na ahoana na ahoana, izaho sy ianao dia efa nandika ny lalan'Andriamanitra. Mendrika ny famaizan'Andriamanitra isika dia ny fahaverezana mandrakizay izay tsy ahitana ny fanatrehan'i Tompo intsony. Fa Andriamanitra dia tia ny olona rehetra. Tsy tiany isika tsy ho eo amin'ny fanatrehany ary handeha any amin'ny famaizana izay antsoina hoe ny helo. Noho izany Andriamanitra dia nanirak an'i Jesosy, ny Zanany, mba hanala ny famaizana antsika. Tamin'ny andron'i Mosesy, ny ran'ny zanakondrin'ny paska nalatsaka mba hiaro ny Isirelita tamin'ny famaizan'Andriamanitra tao amin'ny tany Egypta. Jesosy, Ny zanakondrin'Andriamnitra, maty mba ho fanatitra ho antsika. Ny rany no vidin'ny fahotantsika(ny fahotanao sy ny fahotako). Raha nanantona ny menarana varahina i Mosesy dia, Jesosy koa nahantona teo amin'ny hazo fijaliana ka izay olona rehetra mino Azy, dia hanana ny fiainana mandrakizay, izay fanomezana avy amin'Andriamanitra. "Fa toy izao no nitivan"andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay."

Sary Faha 24: Jesosy Any An-Danitra

Sary Faha 24: Jesosy Any An-Danitra

Jaona 19:38; Asan'ny Apostoly 1:6-11

Nalaina teo amin'ny hazo fijaliana ny fatin'i Jesosy ary natao tao am-pasana. Fa tamin'ny andro fahatelo, dia nitsangana tamin'ny maty Jesosy. Olona maro tokoa no niresaka taminy ary 40 andro taorinany nitsanganany tamin'ny maty, dia nahita ny niakarany tany an-danitra izy ireo,toy izay hitanao eto amin'ny sary. Jesosy dia mbola velona ankehitriny. Mosesy sy ireo izay maty rehetra ka nino an'Andriamanitra dia velona ihany koa. Izy ireo dia any an- danitra. Mosesy dia mpitarika sy mpaminany lehiben'Andriamanitra, fa Jesosy kosa dia Zanak'Andriamanitra. Izy dia lehibe mihoatra lavitra nohon'i Mosesy. Mosesy dia nitarika an'ny Isiraely namakivaky ny ranomasina ary dia voavonjy tamin'ny Egyptiana izy ireo. Fa Jesosy kosa dia tonga mba hamonjy ny olona REHETRA izay manaraka Azy. Indray andro dia hiverina indray Jesosy, izay tahaka ny niakarany tany an-danitra. Ary ho entiny izay rehetra mino Azy mba hiaraka aminy any an-danitra. Ry namako, Vonona ve hianao hiaraka amin'i Jesosy? (Mety androany no hiaviny!). Minoa ny Tompo Jesosy Kristy dia hovonjena hianao.

Keterangan terkait

Unduhan-Unduhan Gratis - Disini anda dapat menemukan semua pesan naskah GRN yang utama dalam beberapa bahasa, ditambah gambar dan materi terkait lainnya yang dapat diunduh.

"Lihat, Dengar dan Hidup" - bahan audiovisual - Satu set berupa 8 program, masing-masing terdiri dari 24 gambar untuk penginjilan dan pengajaran Kristiani. Seri-seri ini menceritakan tokoh-tokoh dalam Perjanjian Lama, kisah hidup Yesus, dan gereja mula-mula.

Bagaimana menggunakan bahan-bahan audio visual GRN - 1: Mempermudah membagikan Injil - Artikel ini memberikan pengenalan tentang beberapa diantara sekian banyaknya cara menggunakan bahan-bahan audio visual GRN yang dapat digunakan dalam pelayanan.

Bagaimana menggunakan bahan-bahan audio visual GRN - 2: Melangkah Lebih Dalam - Artikel ini memberi keterangan lebih lanjut tentang bagaimana seseorang belajar dari cerita-cerita, dan mengapa cerita-cerita itu tidak mempunyai banyak penjelasan.

Perpustakaan Audio GRN - Bahan pengabaran Injil dan pengajaran dasar Alkitab yang sesuai dengan kebutuhan masyarakat dan budaya dalam berbagai macam bentuk dan format.

Copyright and Licensing - GRN shares it's audio, video and written scripts under Creative Commons

Creating DVDs using the GRN Slide show Videos - How to burn DVDs for specific people groups you are trying to reach

Choosing the right audio or video format - What audio and video file formats are available from GRN, and which one is best to use?