Jereo, Henoy, Hiaino Boky 4 Ireo Mpanompon'Andriamanitra

Jereo, Henoy, Hiaino Boky 4 Ireo Mpanompon'Andriamanitra

रुपरेखा: Ruth, Samuel, David, Elijah. 24 sections. It has a picture book to go along with the recording.

भाषा परिवार: 421

भाषा: Malagasy Merina

विषय: Sin and Satan (Sin, disobedience); Christ (Birth of Christ); Eternal life (Salvation); Character of God (Nature, character of God, Word of God (the Bible), Power of God / Jesus); Living as a Christian (Obedience, Faith, trust, believe in Jesus, Children of God, Humility); Bible timeline (Prophecy, fulfillment of, Gospel, Good News, People of God)

दर्शक: General

तरीका: Monolog

ढंग: Bible Stories & Teac

लक्ष्य: Teaching

बाइबिल का प्रमाण: Extensive

स्थिति: Publishable

भाषा का पाठ

Lafiny A Ireo Mpanompon'Andriamanitra Teny Fampidirana

Lafiny A Ireo Mpanompon'Andriamanitra Teny Fampidirana

Fiaraba ho anareo ry namako. Andriamanitra dia tia sy miahy ny olona rehetra, indrindra moa fa ireo izay mankatoa sy manompo Azy. Henoy ny zavatra nitranga efa taona lasa maro izay araka ny voarakitra ao amin'ny tenin'Andriamanitra, dia Ny Baiboly, ary jerevo ny sary ao amin'ny boky mavomavo. Rehefa maheno izao feo (FAMANTARANA) izao ianao dia jereo ny sary manaraka.

Sary 1: Fianakaviana Iray Nandositra Ny Mosary

Sary 1: Fianakaviana Iray Nandositra Ny Mosary

Rota 1:1-5

Andriamanitra no namorona ny olona rehetra, saingy izy rehetra ireo dia efa nivadika taminy. Andriamanitra dia nisafidy ny olon'ny Isiraely mba hahafantatra Azy sy hidera Azy. Kanefa na dia ny firenena Isiraely aza tamin'izany fotoana izany dia nanohitra Azy. Izy ireo dia nanompo ireo sampy sy ireo andriamanitra tsy izy tahaka ireo firenena hafa manodidina azy. Andriamanitra dia nitondra ady sy mosary ho amin'ny zanaky Isiraely, mba hamerenany azy ireo aminy. Nandritra ny mosary dia nisy fianakavina iray nanampankevitra handeha any amin'ny tanin'i Moaba mba hahita sakafo. Nandritra ny folo taona no niainan'izy ireo tao amin'io firenena io. Ny raim-pianakaviany dia maty tany. Ary ny zanany roa lahy dia nanambady vehivavy avy tao Moaba. Saingy izy roa lahy ireo koa dia maty tany. Ny reniny sy ireo vinantony roa vavy no sisa tavela tao amin'io tanin'ny vahiny io.

Sary Faha 2: Naomy Sy Rota Niverina Tany Isiraely

Sary Faha 2: Naomy Sy Rota Niverina Tany Isiraely

Rota 1:6-22

Ny renim-pianakaviana tao amin'io fiankaviana io dia nantsoina hoe Naomy. Ireo Moabita vinantony vavy dia i Rota sy Orpa. Naomy dia nanapa-kevitra mba hiverina any amin'ny tany Isiraely. Ary hoy Naomy tamin'izy ireo, "Nahoana no hiara-mandeha amiko hianareo? Mbola misy zazalahy va ato an-kiboko mba ho vadinareo? Miverena ihany ry zanako vavy. Fa efa antitra aho ka tsy hahzo vady intsony tsy akory. Andriamanitra dia efa naninjitra ny tanany amiko."

Orpa dia nanoroka an'i Naomy ka nandeha niverina tany amin'ny tranon-dray aman-dreniny. Fa Rota kosa nifikitra taminy ihany ary nanao hoe, "Aza manery ahy handao anao. Izay alehanao no halehako ary izay itoeranao no hitoerako." Ny firenenao no ho fireneko ary ny Andriamanitrao no ho Andriamanitro." Ary Rota dia nandeha niaraka tamin'i Naomy tany Betlehema any amin'ny tanin'ny Isiraely.

Sary Faha 3: Rota Eny Amin'Ny Tanim-Pijinjana

Sary Faha 3: Rota Eny Amin'Ny Tanim-Pijinjana

Rota 2:1-23

Taorian'ny niverenan'izy ireo tao Betlehema, dia hoy Rota tamin'i Naomy, "Aoka aho hankany an-tsaha mba hitsimpona salohim-bary eo aorian'izay hahitako fitia eo imasony." (Naomy sy Rota dia tena nahantra) Dia nandeha teny an-tsaha izay nisy mpiasa mpijinja vary teny. Ny anaran'ny tompon'io saha io dia nantsoina hoe Boaza. Nanontany ny mpiasany Boaza ny momban-dravehivavy avy amin'ny firenen-kafa izay eo amin'ny taniny. Ary hoy ny iray tamin'izy ireo nanao hoe, "Zazavavy Moabita, izay niverina nomba an'i Naomy." Boaza dia nahita ny zavatra tsara izay nataony tamin'ny rafozam-baviny. Hitany koa fa mpiasa tsara izy. Ary hoy izy tamin'i Rota: "Mitoera eto anilan'ny zatovovaviko, aoka ny masonao ho amin'ny tanimbary izay jinjany, ka manaraha eo aoriany hianao." Nandidy ireo zatovony izy mba tsy haninona an-dravehivavy, fa hamela voam-bary mba hangoniny. Tamin'io alina io dia notatarain'i Rota an'i Naomy ny hatsarafanahin'i Boaza. Hoy Naomy nanao hoe, "Hotahian'Andriamanitra anie izy, izy dia havantsika akaiky."

Sary Faha 4: Rota Sy Boaza Tany Am-Pamoloana

Sary Faha 4: Rota Sy Boaza Tany Am-Pamoloana

Rota 3:1-18

Rehefa maty ny lehilahy eo amin'ny Isiraely, dia afaka manambady ilay vehivavy vadin'ny maty izay, avana akaiky azy indrindra. Indray andro dia hoy Naomy tamin'i Rota, "Tsy hitady izay tokan-trano hahitanao fiadana va aho, anaka, mba hahasoa anao? Boaza dia havantsika. Indro, mikororoka vary eo am-pamoloana izy anio alina. Koa mandroa ary miakanjoa ny akanjonao izay tsara indrindra. Ary mandehana any amin'izay toerana misy azy eny am-pamoloana. Fantaro izay handriany, ary rehefa mandry izy dia mandria eo an-tongony. Rota dia nanao izany araka izay voalazan'i Naomy. Rehefa nifoa i Boaza ka nahita an'i Rota teo an-tongony, dia fantany fa te hanambady azy ravehivavy. Ary hoy izy taminy, "...aza matahotra. Hataoko aminao izay rehetra angatahinao. Fa fantatr'izay rehetra ao an-tananan'ny fireneko fa vehivavy tsara hianao."

Sary Faha 5: Boaza Sy Ireo Loholona Tao Betlehem

Sary Faha 5: Boaza Sy Ireo Loholona Tao Betlehem

Rota 4:1-22

Boaza dia niantso loholona folo hivory teo amin'ny vavahadin'i Betlehema. Ny avana akaky dia manana ny zoany hanambady an'i Rota mialohan'ny rehetra, fa izy ireo dia nifanaraka fa Boara dia tokony hanambady an-dravehivavy. Ho mariky ny fifanarahany, nomen'ilay havany azy ny kirarony. Izany no fombafomba tao Isiraely. Ka Boaza dia naka an'i Rota mba ho vadiny. Dia nanana zanaka lahy nantsoina hoe Obeda izy ireo. Ary hoy ireo vehivavy tamin'i Naomy, "Isaorana anie Andriamanitra, izay tsy namela anao androany tsy hanan-kavana mahavotra, ary aoka halaza ny anarany eo amin'ny Isiraely. Dia hamelona ny ainao sy hitaiza anao izy rehefa antitra ianao. Fa niteraka azy ny vinantonao vavy, izay tianao ary tsara lavitra aminao mihoatra noho ny zanaka fito lahy." Ry namako, Rota dia nahita fifalaiana rehefa nanompo an'Andriamanitra sy ny olony izy. Obeda dia tonga raiben'i Davida, ilay mpanjaka lehiben'ny Isiraely ary tamin'ny faramandimbiny no niavian'ny mpanjaka lehibe rehetra. Hianarantsika ny momba azy eo amin'ny sary manaraka.

Sary Faha 6: Maria Sy Ny Anjelin'Andriamanitra

Sary Faha 6: Maria Sy Ny Anjelin'Andriamanitra

Lioka 1:26-38, 2:1-7

Taranaka maro taty aorian'i Rota, Andriamanitra dia nifidy vehivavy iray mba hanompo Azy.Ny anarany dia Maria. Izy dia taranaka avy amin'i Rota. Maria dia virijiny. Izy dia voafofo ho vadin'ny lehilahy atao hoe Josefa. Fa nialohan'ny hanambadian'izy ireo, dia niseho tamin'i Maria ny anjelin'Andriamanitra. Ary hoy izy taminy, "Aza matahotra, ry Maria, fa efa nahita fitia tamin'Andriamanitra hianao. Hitoe-jaza hianao ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany dia hataonao hoe Jesosy. Izy no lehibe ka hataonao hoe Zanaky ny Avo Indrindra. Ary ny fanjakany tsy hanam-pahataperana." Maria nilaza tamin'ilay anjely nanao hoe, "Inty ny ankizivavin'ny Tompo; aoka anie ho tonga amiko araka ny teninao." Ny Fanahy Masin'Andriamanitra dia tonga teo amin'i Maria, ary dia nitoe-jaza izy ka niteraka zazalahy ka nataony hoe Jesosy ny anarany. Ary Maria dia lasa renin'i Jesosy, izay zanak'Andriamanitra. Satria Maria dia nankatoa an'Andriamanitra ka Ilay Mpamonjy Jesosy dia naterany. Rehefa mankatoa an'Andriamanitra isika dia afaka manao zava-dehibe sy mahagaga amin'ny alalantsika Izy.

Sary Faha 7: Hana Nivavaka Tamin'Andriamanitra

Sary Faha 7: Hana Nivavaka Tamin'Andriamanitra

1 Samoela 1:1-20

Taorian'ny fotoanan'i Rota izay teo amin'ny tanin'ny Isiraely, dia nisy vehivavy iray nantsoina hoe Hana.Izy io dia nanompo an'Andriamanitra ary te hankatoa Azy. Ny vadiny dia tena tia azy saingy Hana dia tsy nanam-pifaliana satria izy dia tsy afaka nanan'anaka.

Isan-taona dia nandeha tao amin'ny tranon'Andriamanitra(izay toerana hideran'izy ireo an'Andriamanitra) tany Silo izy ireo. Izy ireo dia naka fanatitra ary nanao izany ho an'Andriamanitra. Hana nankao amin'ny tranon'Andriamanitra ka nanao hoe, "Andriamanitra o! raha mba hahatsiaro ahy ianao ka hanome zazalahy ho ahy, dia homeko anao kosa izy amin'ny andro rehetra hiainany." Ny molony ihany no nihetsiketsika raha niresaka tamin'Andriamanitra izy, fa ny feony tsy re akory. Ely ilay lohan'ny mpisorona, nahita azy. Ary noheveriny fa mamo ra-vehivavy. Ren'Andriamanitra anefa izany vavaky Hana izany, ary taorian'izay dia nanan-janaka lahy izy. Nantsoiny hoe Samoela izy. Ry namako, Andriamanitra dia Raintsika izany any an-danitra. Raha tia Azy isika, dia afaka mangataka aminy isika hanome izay zavatra rehetra ilaintsika. Andriamanitra dia mahafantatra izay rehetra ilan'ny zanany ary Izy dia afaka manome izany ho an'izay mangataka aminy amin'ny anaran'i Jesosy.

Sary Faha 8: Ilay Zaza Samoela Ao An'Tranon'Andriamanitra

Sary Faha 8: Ilay Zaza Samoela Ao An'Tranon'Andriamanitra

1 Samoela 1:24-28, 2:12-21, 20:2,5

Rah mbola zaza i Samoela, Hana dia nanolotra azy ho an'Andriamanitra. Nalain-dravehivavy izy mba hiaramiaina amin'i Ely tao amin'ny tempolin'ny Silo. Ely dia nampianatra an'i Samoela ny amin'ny fanompoana an'Andriamanitra. Ely dia nanana zanaka lahy roa. Samy mpisorona izy roalahy saingy ratsy fanahy izy ireo. Hany Andriamanitra ka nijanona tsy niteny tamin'ny olona tamin'ny alalan'izy roalahy mpisorona ireo. Indray alina Samoela raha natory teo amin'ny tranon'Andriamanitra. Dia niantso ny anarany tampoka Andriamanitra. Samoela dia niazakazaka tany amin'i Ely ka nanao hoe, "Inty aho, fa niantso ahy hianao." Fa hoy kosa Ely, "Tsy niantso anao aho; andeha mandry ihany." Izany dia nitranga in-telo. Dia fantatr'i Ely fa Andriamanitra no niantso an'i Samoela. Ary dia niteny tamin'i Samoela izy mba hamaly an'Andriamanitra ka hanao hoe, "Mitenena Andriamanitra o, fa mihaino ny mpanomponao." Andriamanitra dia niresaka tamin'i Samoela matetika ary dia lasa mpisorona lehibe izy, mpaminany sy mpitondra lehibe teo amin'ny Isiraely. Andriamanitra dia mbola miantso olona hanompo Azy tahaka ny niantsoany an'i Samoela. Andeha isika hieno an'Andriamanitra ary hankatoa ny teniny.

Sary Faha 9: Samoela Mivavaka Ho An'Ny Isiraely

Sary Faha 9: Samoela Mivavaka Ho An'Ny Isiraely

1 Samoela 7:2-14; Eksodosy 20:2,5

Andriamanitra dia nanafay ireo zanaky Ely roalahy ratsy fanahy.

Izy ireo dia maty tany an'ady ary ireo Isiraely dia resin'ny Filistina. Nandritra ny 20 taona dia teo ambany fifehezan'ny Filistina ny Isiraely. Ary hoy Samoela tamin'ny olona, "Raha miverina amin'andriamanitra amin'ny fonareo rehetra tokoa ary ianareo, dia hario hiala aminareo ny andriamani-kafa, ka ampiomany ny fonareo ho an'Andriamanitra, ary aoka Izy ihany no hotompoinareo, dia hamonjy anareo amin'ny tanan'ny Filistina Izy." Ireo Isiraelita dia nankatoa an'i Samoela. Ka tonga niangona tamin'ny toera iray izy ireo. Ary avy eo samoela nanao fanatitra ho an'Andriamanitra ary nivavaka ho an'ny Isiraely. Ireo Filistina dia nivory niaraka mba hanafika an'ny Isiraely. Kanefa Andriamanitra dia nampikotrokorana mafy tamin'ny Filistina. Ireo Filistina dia nandositra tamin'ny tahotra, ary ny Isiraely dia afaka nandresy azy rehetra. Andriamanitra dia efa nandidy ny firenena rehetra, "Izaho no Tompo Andriamanitrareo. Aza manana andriamani-kafa mialohako ary aza manompo azy."

Sary Faha 10: Samoela Nanositra Diloilo An'I Saoly

Sary Faha 10: Samoela Nanositra Diloilo An'I Saoly

1 Samoela 8:1 - 10:1

Andriamanitra no tena Mpanjakan'ny Isiraely ary Samoela izay teo ambanin'Andriamanitra dia nitarika ny olona. Satria ireo foko sasany dia nanana ny mpanjakany manokana, ireo Isiraely ihany koa dia te hanana lehilahy iray mba ho mpanjakany. Samoela dia tsy nankasitraka raha naheno izany. Fa hoy kosa Andriamanitra taminy, "Henoy ihany ny tenin'ny olona amin'izay rehetra lazainy aminao, fa tsy hianao no laviny, fa Izaho no laviny tsy hanjaka aminy." Dia nisy lehilahy tanora iray nantsoina hoe Saoly. Lava ranjanana izy sady tsara tarehy. Indray andro Saoly nandeha nitsidika an'i Samoela. Rehefa hitan'i Samoela ny fidirany, dia hoy Andriamanitra tamin'i Samoela, "Inty ilay lehilahy, izy no hitondra ny oloko." Ary Samoela nitondra tavoara feno diloilo ka nanidina ny diloilo teo an-dohan'i Saoly. Izany no marika fa izy no voafidy ho mpanjaka. Nandritra ny 40 taona no nanjakan'i Saoly teo amin'ny Isiraely.

Sary Faha 11: Saoly Mandrovitra Ny Akanjon'I Samoela

Sary Faha 11: Saoly Mandrovitra Ny Akanjon'I Samoela

1 Samoela 15:1-29

Ireo Amalekita dia olona tena ratsy fanahy izay nampijaly an'ny Isiraely. Ka hoy Samoela tamin'i Saoly mpanjaka, "Henoy ny teny avy amin'Andriamanitra. Mameleza ny Amalekita ary aringano izay rehetra mety ho azy. Aza asiana miangana na dia iray aza. Andriamanitra dia nanampy an'i Saoly sy ireo miaramilany mba handresy ireo Amalekita. Saingy tsy nankatoa an'Andriamanitra izy ireo. Nangalan'izy ireo ny biby fiompy tsaran'ny Amalekita ka nataony fanatitra ho an'Andriamanitra ary tsy novonoin'izy ireo ny mpanjakan'ny Amalekita.

Ary hoy Samoela tamin'i Saoly, "Saria nanda ny tenin'Andriamanitra hianao, dia nolaviny tsy ho mpanjaka kosa." Ary nony niodina handeha Samoela, dia nohazonin'i Saoly ny sisin'akanjony, ka rovitra teo an-tanany izany; ka hoy Samoela nanao hoe, "Efa notriarin'Andriamanitra kosa ho afaka ho aminao androany ny fanjakan'Isiraely ka efa nomeny ny namanao izay tsara noho hianao." Ry namako, Saoly dia nanao fanatitra ho an'Andriamanitra, saingy tsy nankatoa Azy izy. Samoela dia nankatoa sady nanompo an'Andriamanitra nandritra ny androm-piainany rehetra. Andriamanitra dia nilza fa tsara ny mankatoa Azy nohon'ny manao fanatitra. Andriamanitra koa dia nilaza fa hanome voninahitra izay rehetra manome voninahitra Azy.

Sary Faha 12: Jesosy Tao An-Tranon'Andrimanitra

Sary Faha 12: Jesosy Tao An-Tranon'Andrimanitra

Lioka 2:41-50, 1:35

Taona maro taorian'i Samoela, dia nisy zazakely nantsoina hoy Jesosy tany Isiraely. Mary no reniny, fa Andriamanitra no Rainy. Rehefa feno 12 taoana Jesosy, Maria sy Josefa dia nandeha tany Jerosalema ary Jesosy niaraka tamin'izy ireo. Ary rehefa hiverina hody izy ireo dia nijanona Jesosy ka nitady azy ireo ray aman-dreniny. Afaka telo andro, dia hitan'izy ireo Jesosy tao amin'ny tranon'Andriamanitra, dia ny tempoly izany. Niresaka tamin'ireo Jiosy mpampianatra Izy ny amin'Andriamanitra. Maria nilaza taminy hoe, Anaka nahoana no nanao toy izany taminay Hianao? He! izato ahiahinay nitady anao." Fa hoy kosa Jesosy, "Tsy fantatrao va fa tsy maintsy ho eto an-tranon'ny Raiko Aho?" Raha mbola zaza tahaka an'i Samoela i Jesosy dia fantany fa mila manompo an'Andriamanitra Izy. Tsara tokoa no anompoantsika an'Andriamanitra raha mbola tanora isika. Jesosy tonga mba hitondra ny olona rehetra hiverina amin'Andriamanitra. Andriamanitra mantsy no tena Mpanjaka marina sy Mpitondra ny olona rehetra.

Lafiny B Ireo Mpanompon'Andriamanitra Teny Fampidirana

Lafiny B Ireo Mpanompon'Andriamanitra Teny Fampidirana

Ny akamaroan'ireo lehilahy lehibe indrindra izay niaina teto an-tany dia saika mpanompon'Andriamanitra. Ity kasety ity dia hanambara aminao izao ny fomba nataon'Andriamanitra hahatonga an'izy ireo ho mpitondra lehibe teo amin'ny olona. Jereo ao amin'ny sary manaraka rehefa maheno izao feo (FAMANTARANA) izao hianao.

Sary Faha 13: Davida, Ilay Mpiandry Ondry Mahery Fo

Sary Faha 13: Davida, Ilay Mpiandry Ondry Mahery Fo

1 Samoela 16:1-13, 17:34-35

Saoly no mpanjakan'ny Isiraely voalohany, saingy tsy nankatoa an'Andriamanitra foana izy. Andriamanitra dia nandao an'i Saoly ary tsy nanampy azy intsony. Indro nisy zazalahy iray izay nantsoina hoe Davida. Izy dia mpiandry ny ondrin'ny rainy. Izy dia natoky an'Andriamanitra velona, ary tsy mba natahotra loza izy. Indray andro nisy liona naka ny iray tamin'ireo ondry. Davida dia nahafaty ilay liona ary namonjy ilay ondry. Nanao feon-javamaneno tsara izy ary nihira nidera an'Andriamanitra. Ireo hira dia nantsoina hoe Salamo ary izany dia afaka hitanao ao amin'ny tenin'Andriamanitra, ny Baiboly. Davida dia nanjary karazana lehilahy izay tian'Andriamanitra ho an'ny olona rehetra. Saoly dia mbola mpanjakan'ny Isiraely, fa Andriamanitra dia nifidy an'i Davida sahady mba ho mpanjaka ho solon'i Saoly.

Sary Faha 14: Davida Sy Ilay Olona Goavana Be

Sary Faha 14: Davida Sy Ilay Olona Goavana Be

1 Samoela 17:1-54, 2:30

Indro nisy ady nanelanelana an'ireo Filistina sy Isiraely. Ireo Filistina dia nanana olona goavambe izay nantsoina hoe Goliata. Niantso ny miaramilan'ny Isiraely izy ka nanao taminy hoe, "Mifidiana lehilahy iray hianareo...raha tahiny maharesy ahy izy ka mahafaty ahy, dia ho mpanomponareo izahay; fa raha resiko kosa izy ka matiko, dia ho mpanomponay hianareo." Ireo miaramilan'ny Isiraely dia natahotra an'i Goliata. Tsy nisy olona sahy niady taminy.

Ary hoy Davida kely nanao hoe, "Iza io Filistina (izay tsy mahalala an'Andriamanitra io) izay (tsy tokony ) mampatahotra ny miaramilan'Andriamanitra velona?" Davida dia tsy natahotra azy. Fantany fa Andriamanitra dia hanampy azy hamono io lehilahy goavambe io satria ny ady dia an'Andriamanitra. Dia naka ny antsamotadiny ary naka vato izy ka nalefany teo amin'ny handrin'ilay lehilahy goavambe. Goliata dia nianjera teo amin'ny tany ary Davida nihazakazaka teo aminy. Naka ny sabatry Goliata izy ary nanapaka ny lohany. Ary ireo miaramilan'ny Isiraely dia afaka nandresy ireo Filistina. Andriamanitra nilaza ao amin'ny teniny fa izay manome voninahitra Azy dia mba homeny voninahitra ihany koa.

Sary Faha 15: Saoly Dia Nikasa Hamono An'I Davida

Sary Faha 15: Saoly Dia Nikasa Hamono An'I Davida

1 Samoela 18:1 - 19:10

Tamin'ny voalohany i Saoly dia nankasitraka an'i Davida satria namonjy an'ny Isiraely izy. Nanjary laza mpitondra miaramila lehibe teo amin'ny Isiraely izy ary ireo Isiraely dia faly tokoa nanaraka azy. Ary dia nanomboka nialona sy natahotra azy i Saoly. Indray androa dia nitendry lokanga tamin'ny tanany ho an'i Saoly izy. Dia nikasa hamono azy i Saoly satria nisy fanahy ratsy nilatsaka taminy. Nandray ny lefony i Saoly ary natorany tany amin'i Davida, ary tsy nahavoa azy izany fa nitsatoka teny amin'ny rindrina. Taorian'izany Saoly dia nikasa ny hamono an'i Davida foana. Fa Andriamanitra dia niaro an'i Davida tamin'ny nandefasany ny janakalahin'i Saoly Jonatana sy Isiraelita maro mba hiady amin'ireo fahavalo. Na izany aza anefa dia voatery hiala lavitra amin'i Saoly ihany Davida.

Sary Faha 16: Davida Tsy Nanala Ny Ain'I Saoly

Sary Faha 16: Davida Tsy Nanala Ny Ain'I Saoly

1 Samoela 26:1-25; Romana 5:1 - 7:16

Saoly sy ireo miaramilany dia nandeha mba hisambotra an'i Davida tany an-efitra. Indray alina, raha mbola natory i Saoly sy ireo miaramilany, dia niditra tao amin'ny tobin'i Saoly Davida sy ny namany Abisay. Abisay dia nikasa hamono ny mpanjaka eo am-patoriana, fa Davida nanakana azy. Hoy Davida nanao hoe, "Andriamanitra dia hamely izay rehetra manisy ratsy ny mpanjaka voafidiny." Davida naka ny lefona sy ny tavoara fitondran-drano teo anilan'ny lohan'i Saoly. Ary rehefa tafavoaky ny toby izy ireo dia niantso mafy Davida ka nanaitra ny miaramila, ary hoy izy tamin'i Abnera, izay tompon'andraikitra ny amin'ny fiarovana ny mpanjaka, "Nahoana hianao no tsy miambina ny mpanjaka tomponao. Jereo ny manodidina anao. Fa aiza moa ny lefon'ny mpanjaka sy ny tavoara fitondran-drano teo akaikin'ny lohany?" Taorian'izay dia hoy Davida tamin'i Saoly, "Fa tahaka ny nanaovako ny ainao ho lehibe andro-any no mba hanaovan'Andriamanitra ny aiko ho lehibe kosa, ka hanafahany ahy amin'ny fahoriana rehetra."

Dia lasa Davida fa Saoly kosa nitodi-doha niverina. Ry namako, aza mamaly ratsy izay nanao ratsy anao, fa Andriamanitra no hamaly azy ireny araka izay nataony avy.

Sary Faha 17: Davida Dia Lasa Mpanjaka

Sary Faha 17: Davida Dia Lasa Mpanjaka

1 Samoela 31:1-6; 2 Samoela 5:1 - 7:16

Ireo Filistina dia tonga niady tamin'ny Isiraely indray. I Saoly mpanjaka, ny zanany lahy Jonatana sy ny rahalahiny dia maty tany an'ady daholo. Avy eo ny olona nanao an'i Davida ho mpanjakan'ny Isiraely. Nanorina ny lapany tao amin'ny tananan'ny Jerosalema izy. Andriamanitra nanao tamin'i Davida hoe, "Izaho no naka anao tany an-tsaha, dia avy tamin'ny fiandrasana ondry, mba ho mpanapaka ny Isiraely. Omeko anarana malaza tahaka ny anaran'izay lehibe ambonin'ny tany hianao." Ary Andriamanitra dia nanao an'i Davida ho malaza ary nanome hery azy mba handresy ny fahavalon'ny Isiraely.

Sary Faha 18: Davida Sy Batseba

Sary Faha 18: Davida Sy Batseba

2 Samoela 11:1 - 12:20; Eksodosy 20:14

Indray andro Davida nitsangatsanagana teo an-tampon'ny lapa. Dia nahatazana vehivavy tsara tarehy mandro izy. Davida dia naniry an-dravehivavy ho azy. Ny anarany dia Batseba. Izy dia vadin'i Oria izay miaramila avy amin'ny tafiky Davida. Oria dia lasa nandeha mba hiady tamin'ireo fahavalon'ny Isiraely. Ka nandefa hiraka Davida ho an'ny kapiteny ny miaramila. Nolazainy ilay kapiteny mba hanao izay hahafaty an'i Oria any amin'ny ady. Ary avy eo Davida naka an'i Batseba mba ho vadiny. Saingy ny zavatra izay nataon'i Davida dia tsy nankasitrahan'Andriamanitra. Ny voalohan-janaky Davida sy Batseba dia maty, ary Davida voatery nangataka famindram-po tamin'Andriamanitra tamin'ireo zava-dratsy izay nataony. Ny tenin'Andriamanitra mano hoe, "Aza mijangajanga."

Sary Faha 19: Trano Ho An'Andriamanitra

Sary Faha 19: Trano Ho An'Andriamanitra

1 Tantara 22:1-19

Davida dia nanota teo anatrehan'Andriamanitra, kanefa Andriamanitra dia mbola tia azy ary sitrany izy mba hanompo Azy. Te hanorona trano lehibe izy (na tempoly), izay afahan'ny olona rehetra mihaona mba hidera an'Andriamanitra. Kanefa hoy Andriamanitra taminy, "Tsy mahazo manao trano ho an'ny anarako hianao, satria be ny ra efa nalatsakao tamin'ny tany teto imasoko. Fa, indro, hianao hiteraka zazalahy,izay ho lehilahy miadana. Ka ny anarany dia hatao hoe Solomona. Izy no hanao trano ho an'ny anarako. Izaho hampitoetra ny seza fiandrianan'ny fanjakany amin'ny Isiraely mandrakizay."

Davida dia nanomana zavatra maro ho an'ny tranon'Andriamanitra mialohan'ny nahafatesany, fa Solomona kosa no nanorina izany. Izany tranon'Andriamanitra izany dia tena tsara tarehy tokoa. Nandritra ny 9 taona no nanorenana izany. Ny olon'ny Isiraely dia nidera an'Andriamanitra nandritra ny 100 taona tao amin'izany trano izany izay tao Jerosalema, ary tsy hadinon'izy ireo fa Davida dia tena mpanjaka lehibe.

Sary Faha 20: Jesosy Tonga Tao Jerosalema

Sary Faha 20: Jesosy Tonga Tao Jerosalema

Matio 21:1-11

Afaka 1000 taona taorian'i Davida, no nahaterahan'i Jesosy. Jesosy dia taranak'i Davida. Ny reniny dia Maria virjiny. Ny Rainy dia Andriamanitra tsitoa. Jesosy no Ilay mpanompon'Andriamanitra lehibe indrindra. Izy dia nampianatra ny olona ny amin'ny fahamarinan'Andriamanitra. Nano zava-mahagaga Izy tamin'ny alalan'ny herin'Andriamanitra. Saoly sy Davida ary ireo olona rehetra eto ambonin'ny tany dia efa nanota teo antrehan'Andriamanitra. Fa Jesosy kosa dia tsy mbola nanota mihintsy. Indray andro dia nitaingina boriky nakany Jerosalema Izy. Nivoaka ny olona ka nihorakoraka Azy nanao hoe, "Hosana ho an'i zanaky Davida!" Hosana dia midika hoe 'vonjeo'. "Isaora anie Izay avy amin'ny anaran'Andriamanitra." Fantatry ny olona mantsy fa Jesosy dia lehibe lavitra noho i Davida. Izy no Mpanjaka ny mpanjaka rehetra.

Sary Faha 21: Ireo Goaika Nitondra Sakafo Ho An'I Elia

Sary Faha 21: Ireo Goaika Nitondra Sakafo Ho An'I Elia

1 Manjaka 17:1-6

Taorian'i Davida sy Solomona dia nisy mpanjaka hafa maro nitondra an'ny Isiraely. Iray tamin'ireny ny lehilahy iray nantsoina hoe Ahaba. Nanana vady ratsy fanahy izay nantsoina hoe Jezebela izy. Ravehivavy dia nandringana olona maro mpanaraka an'Andriamanitra, ary nanery ny olona izy mba hanompo an'ireo andriamanitry Bala (andriamani-kafa). Elia dia mpaminany lehiben'Andriamanitra. Nandeha tany amin'i Ahaba izy ka nanao hoe, "raha mbola velona koa ny Tompo Andriamanitra izay tompoiko dia tsy mba hisy ranon'ando na orana mandritra ireo taona ho avy raha tsy izaho indray no miteny." Ary Andriamanitra dia nandefa mosary teo amin'ny tanin'ny Isiraely. Na dia teo aza izany dia mbola nitahy ny mpanompony Elia foana Andriamanitra. Naniraka an'i Elia ho any amin'ny toerana atao hoe Kerita Andriamanitra, izay ahafahany misotro ny renirano, ary isaky ny maraina sy ny hariva dia ireo goaika nitondra mofo sy hena ho an'i Elia mba hohaniny. Andriamanitra dia mitahy ny mpanompony mandrakariva, noho izany andeha isika hanompo Azy ary hatoky Azy mba hikarakarainy antsika.

Sary Faha 22: Elia Sy Ny Afon'Andriamanitra

Sary Faha 22: Elia Sy Ny Afon'Andriamanitra

1 Mpanjaka 18:16-46

Tamin'ny taona fahatelon'ny mosary dia nasain'i Elia natsoin'i Ahaba avokoa ireo olon'ny Isiraely sy ireo mpaminany, izay nanompo ilay andriamanikafa Bala tany an-tendrombohitra natao hoe Karmela. Hoy izy tamin'izy ireo, "Raha Andriamanitra no Tompo dia manarahy Azy; fa raha Bala kosa, dia manaraha azy." Fa ny olona tsy namaly azy akory. Dia hoy Elia tamin'ny olona, "Maka vantotr'ombilahy roa ho antsika. Aoka ny mpaminanin'i Bala hisafidy ny iray amin'ireo vantotr'ombilahy mba hatao fanatitra. Fa aoka izy ireo tsy hanisy afo amin'izany. Izaho hikarakara ny vantotr'ombilahy iray, ary tsy hanisy afo amin'izany. Ary miantsoa ny anaran'ny andriamanitrareo hianareo, ary izaho kosa hiantso ny anaran'i Tompo." Ny Andriamanitra izay resahin'i Elia dia ilay Andriamanitra izay efa niresaka tamin'ny olona ary mitandrina ny teniny. Hoy Elia, "Izay Andriamanitra mamaly amin'ny afo dia aoka Izy no ho Andriamanitra." Ary ny olona rehetra dia nifanaiky tamin'i Elia. Dia niantso ny anaran'i Bala nandritra ny andro manontolo ny mpaminaniny. Nandiha nanodidina ny fanatitra izy ireo ary nitetika ny tenany tamin'ny sabatra sy lefona. Saingy tsy nisy afo akory teo. Nony tonga ny hariva dia nikarakara ny fanatiny Elia. Nasainy horarahin'ny olona rano betsaka teo ambonin'ny fanatitra sy ny kitay. Ary dia nivavaka tamin'Andriamanitra izy. Dia nilatsaka ny afon'Andriamanitra ka nandevona ny fanatitra dorana sy ny kitay hazo. Ary ny olona rehetra niankohoka ka nanao hoe: "Ny Tompo, Izy no Andriamanitra!"

Sary Faha 23: Elia Miakatra Any An-Danitra

Sary Faha 23: Elia Miakatra Any An-Danitra

1 Mpanjaka 19:1-21; 2 Mpanjaka 2:1-14

Elia dia namono ireo mpaminanin'i Bala, satria ratsy fanahy loatra izy ireo. Jezebela vadin'i Ahaba mpanjaka dia nandrahona hamono an'i Elia. Nataotra izany Elia ka nandositra lavitra tany an'efitra. Tany no nihaonan'Andriamanitra tamin'i Elia. Ary taorian'ny nitenenan'Andriamanitra taminy dia tsy natahotra intsony izy. Nanohy nampianatra ny olona hanompo ilay Tompo Andriamanitra tokana sady marina Elia. Araka ny didin'andriamanitra dia lasa mpanampin'i Elia i Elisa. Indray andro raha niara-nandeha izy ireo dia indro nisy kalesy afo sy soavaly afo nampisaraka azy roalahy; ary Elia niakatra tamin'ny tafio-drivotra ho any an-danitra ary Elisa dia tsy nahita azy intsony.

Sary Faha 24: Elia Sy Mosesy Miaraka Amin'I Jesosy

Sary Faha 24: Elia Sy Mosesy Miaraka Amin'I Jesosy

Lioka 9:28-36

700 taona taty aorian'i Elia, rehefa niaina tety an-tany Jesosy, dia naka ny mpianany telo lahy Jesosy mba havavaka any an-tendrombohitra. Raha nivavaka Jesosy, dia niseho Mosesy sy Elia.Ireo mpianatra telo dia nahita azy ireo (Jesosy, Mosesy, Elia) izay namirapiratra ny amin'ny voninahitran'Andriamanitra. Dia niteny avy any an-danitra Andriamanitra. Hoy Izy nanao hoe, "Ity no zanako malalako izay sitrako. Izy no henoy." Ry namako, Andriamanitra sy ireo olona lehiben'ny Isiraely dia maneho an'i Jesosy ho antsika. Jesosy dia tonga tety an-tany ary mba ho sorona ho amin'ny fahotantsika sy ny fahotan'ny olona rehetra hatramin'izay, satria Andriamanitra te hamonjy ny olona rehetra amin'ny alalan'ny Zanany Jesosy. Jesosy no Mpamonjintsika izay natsangan'Andriamanitra tamin'ny maty. Ary Andriamanitra dia manome ny fiainana mandrakizay ho an'izay olona mihaino ny teniny, matoky Azy ary mankatoa Azy. Koa andeha hiaino Azy ary hikatsaka ny fiainana mandrakizay ao aminy.

संबंधित जानकारी

मुफ्त डाउनलोड - यहाँ आपको अनेक भाषाओं में जीआरएन के सभी मुख्य संदेशों के लेख,एवं उनसे संबंधित चित्र तथा अन्य सामग्री भी डाउनलोड के लिए मिल जाएंगे.

"देखें, सुनें और जीएं" ऑडियो-विज़ुअल - सुसमाचार प्रचार और मसीही शिक्षा देने के लिए यह 8 कार्यक्रमों का सेट है और प्रत्येक प्रोग्राम में 24 चित्र हैं. इस श्रंखला में पुराने नियम के पात्रों, यीशु के जीवन, और आरंभिक चर्च संबंधित अध्ययन हैं. यह सैंकडों भाषाओं में उपलब्ध है.

जीआरएन के ऑडियो विज़ुअल संसाधान कैसे प्रयोग करें - 1: सरलता से सुसमाचार प्रचार करना - यह लेख एक परिचय देता है कि जीआरएन के ऑडियो विज़ुअल संसाधानों को मसीही सेवकाई में विभिन्न रीति से कैसे उपयोग किया जा सकता है.

जीआरएन के ऑडियो विज़ुअल संसाधन कैसे उपयोग करें - भाग 2: गहरे जाना - यह लेख और जानकारी देता है कि कैसे लोग कहानियों द्वारा सीखते हैं और क्यों कहानियों के साथ अधिक व्याख्या नहीं होती.

जीआरएन ऑडियो संग्रह - मसीही प्रचार और बुनियादी बाइबल शिक्षा संबंधित सामग्री लोगों की आवश्यकता तथा संसकृति के अनुरूप विभिन्न शैलियों तथा प्रारूपों में.

Copyright and Licensing - GRN shares it's audio, video and written scripts under Creative Commons

Creating DVDs using the GRN Slide show Videos - How to burn DVDs for specific people groups you are trying to reach

Choosing the right audio or video format - What audio and video file formats are available from GRN, and which one is best to use?