Jereo, Henoy, Hiaino Boky 5 Ny Fitsapana Ao Amin'Andriamanitra

Jereo, Henoy, Hiaino Boky 5 Ny Fitsapana Ao Amin'Andriamanitra

Outline: Elisha, Daniel, Jonah, Nehemiah, Esther. 24 sections. It has a picture book to go along with the recording.

Script Number: 422

Language: Malagasy Merina

Theme: Sin and Satan (Deliverance, Sin, disobedience); Christ (Life of Christ, Authority); Character of God (Word of God (the Bible)); Living as a Christian (Worship, Obedience, No other gods, idols, Victory, Faith, trust, believe in Jesus); Bible timeline (Gospel, Good News, People of God); Problems (Problems, troubles, worries)

Audience: General

Style: Monolog

Genre: Bible Stories & Teac

Purpose: Teaching

Bible Quotation: Extensive

Status: Publishable

Script Text

Lafiny A Ny Fitsapana Ao Amin'Andriamanitra Teny Fampidirana

Lafiny A Ny Fitsapana Ao Amin'Andriamanitra Teny Fampidirana

Fiarabana ho anareo ry namako. Ity boky maintsomaintso ity ahitantsika ireo lehilahy lehibe tao amin'ny Baiboly izay natoky an'Andriamanitra mba hanampy azy ireo amin'ny fotoan-tsarotra. Rehefa miheno ny kasety hianao, dia havadio ny sary manaraka rehefa maheno feo.

Sary 1: Namana Mitsidika Ny Tranon'I Elisa

Sary 1: Namana Mitsidika Ny Tranon'I Elisa

2 Mpanjaka 5:1-12

Elisa dia mpampianatra lehibe no sady mpaminanin'Andriamanitra, tao Isiraely. Indray andro lehilahy iray antsoina hoe Namana tonga tao an-tranony. Izy dia komandin'ny miaramilan'ny Syriana ary Syria dia fahavalon'ny Isiraely. Namana dia lehilahy mahery-fo ary matanjaka, saingy nanana haretin'ny habokana izy. Nandeha tany Isiraely izy satria henony fa Elisa dia afaka manasitrana ny habokany. Saingy Elisa kosa anefa tsy nivoaka niarahaba azy. Elisa naniraka ny mpanompony hilaza amin'i Namana, "Mandehana, mandroa impito ao Jordana... Ka hadio amin'ny habokanao hianao." Namana dia tezitra ka nanao hoe, "Indro, nataoko fa hivoaka hankaty amiko mihintsy izy ka hitsangana ka hiantso ny anaran'Andriamanitra, ka hanasitrana ny boka." Dia nihodina izy ka lasa an-katezerana.

Sary Faha 2: Namana Teo Amin'Ny Renirano

Sary Faha 2: Namana Teo Amin'Ny Renirano

2 Mpanjaka 5:13-19

Ireo mpanompon'i Namana dia niangavy azy mba hiala amin'ny fahatezerany sy ny ambom-pony. Nandresy lahatra azy izy ireo mba hanaraka ny toro-hevitra tsotran'i Elisa. Ary Namana dia nandeha tany amin'ny reniranon'ny Jordana ary nanasa ny tenany impito. Jereo eo amin'ny sary! Namana dia tena faly tokoa. Ny habokany dia sitrana tanteraka. Elisa dia tsy natahotra olona na dia iray aza satria izy dia natoky an'Andriamanitra lehibe. Fantany fa ny Andriamaniny dia mahay ny zavatra rehetra. Fantany ihany koa fa ny olona tsirairay dia mila mankato ny tenin'Andriamanitra dia ny Baiboly.

Ilaina ihany koa isika mangataka amin'Andriamanitra mba hanampy antsika hanao izay marina, ary hatoky azy mandrakariva.

Sary Faha 3: Elisa Sy Ny Kalesy Afo

Sary Faha 3: Elisa Sy Ny Kalesy Afo

2 Mpanjaka 6:8-17

Tamin'ity fotoana ity ny Syriana dia teo am-piadiana tamin'ny Isiraely. Andriamanitra dia nilaza tamin'i Elisa foana raha vao hanafika ny Isiraely ny Syriana, ary Elisa nampitandrina ny mpanjaka ny amin'ireo Syriana. Ny mpanjakan'ny Syriana nandidy ny miaramilany, "Andeha, izahao izay toerana misy an'i Elisa mba hanirahako hisambotra azy." Indray maraina, Elisa sy mpanompony nandeha tany ivelany ary hitan'izy ireo ny tafika Syriana izay nanodidina ny tanana izay nipetrahany. Dia niantsoantso ilay mpanompony nanao hoe, "Indrisy, tompoko! Ahoana no hataontsika?" Ary hoy Elisa, "Aza matahotra; fa ny momba antsika dia be noho ny momba azy." Avy eo Elisa nivavaka tamin'Andriamanitra mba hampahiratany ny mason'ny mpanompony. Ary dia nahita izy, ka indro, ny tendrombohitra feno soavaly sy kalesy afo manodidina an'i Elisa. Andriamanitra nandefa ireny mba hiaro azy ireo. Ry namako, Rehefa mankato ny didin'Andriamanitra ny mpanompon'Andriamanitra, dia Andriamanitra mahery mba hitarika sy hiaro azy . Noho izany tsy tokony hatahotra na inona nainona na iza na iza izy.

Sary Faha 4: Elisa Sy Ireo Tafika Jamba

Sary Faha 4: Elisa Sy Ireo Tafika Jamba

2 Mpanjaka 6:17-23; Hebreo 10:30; Ohabolana 25:21

Rehefa tonga teo akaikin'i Elisa mba hisambotra azy ireo Syriana, dia nivavaka tamin'Andriamanitra izy nanao hoe, "Ataovy manjambena ireto olona ireto!" Avy hatrany dia tsy nisy nahita daholo ireo miaramila. Elisa nandeha teny amin'izy ireo ka nanao hoe, "Manarahy ahy ianareo, dia hitondra anareo ho any amin'ny lehilahy tadiavinareo aho." Dia nentiny nakany Samaria izay renivohitry Isiraely ireo. Ary Elisa dia nivavaka tamin'Andriamanitra indray, "Andriamanitra o, ampahirato ny mason'ireto mba hahitany." Dia nahita ireo Syriana; ka indro, tao afovoan'ny tananan'ny fahavalo izy. Ny mpanjakan'ny Isiraely nikasa hamono azy ireo, saingy Elisa kosa nano hoe, "Rosoy mofo sy rano eo anoloany mba hohaniny sy hosotroiny ary handehanany any amin'ny tompony." NY mpanjaka nanao araka izay nolazain'i Elisa azy. Ry namako, Ny Andriamanitry Elisa dia lehibe lavitra noho ny fahavalo. Andriamanitra dia nandidy antsika ao amin'ny teniny mba tsy hamaly ratsy ny fahavalontsika, hoy Andriamanitra hoe, "Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly."

Andriamanitra koa dia nilaza manao hoe, "Raha noana ny fahavalonao, omeo hanina izy; raha mangetaheta izy, omeo hosotroiny..."

Sary Faha 5: Ilay Toeram-Pamonjena Tao Samaria

Sary Faha 5: Ilay Toeram-Pamonjena Tao Samaria

2 Manajaka 6:24 - 7:2

Ireo miaramila Syriana dia tonga indray niady tamin'ny Isiraely. Nanodidina ny tananan'ny Samaria izy ireo nandritra ny fotoana maharitra, Vetivety foana dia tsy nanana sakafo intsony ny tanana mba hohanina. Jereo eo amin'ny sary! Ny mpanajkan'ny Isiraely dia mandeha eo amin'ny mandan'ny tanana. Nisy vehivavy roa nanatona azy. Niangavy ny mpanjaka izy ireo mba hanampy azy ireo. Noana mafy mantsy izy ireo ka nihinana ny zanany. Ny mpanjaka dia tsy nahafantatra izay tokony hatao. Tezitra mafy izy satria Andriamanitra dia tsy namonjy azy tamin'ireo Syriana. Ary dia nanapa-kevitra izy ny hamono an'i Elisa, ilay mpanompon'ny mpanjaka. Avy eo Elisa nandefa hiraka ho an'ny mpanjaka, "Izao no lazain'ny Tompo Andriamanitra: 'Rahampitso toy izao, dia hisy koba tsara toto sy vary hamidy ao am-bavahadin'ny Samaria.'"

Sary Faha 6: Ireo Boka Efatra

Sary Faha 6: Ireo Boka Efatra

2 Mpanjaka 7:3-20

Tamin'izany fotoana izany dia nisy lehilahy efatra nipetraka teo amin'ny vavahadin'ny Samaria. Samy boka izy rehetra ireo. Nifampiresaka izy ireo nanao hoe, "Ahoana no hipetrahantsika foana eto mandra-pahafatintsika? Koa andeha isika hankany amin'ny tobin'ny Syriana." Tao anatin'izay dia nandre feo mafy tahaka ny firaondraonan'ny miaramila manafika ireo Syriana. Natahotra mafy izy ireo ka namela ny zavany rehetra ary nitsaoka nandositra. Ary rehefa tonga tao amin'ny tobin'ny Syriana ireo boka, dia tsy nisy na iza na iza tao. Ireo boka dia naka sakafo sy izay rehetra tiany. Dia nifampilaza hoe izy: "Tsy mety izao ataontsika izao; ity andro ity dia andro filazana ny mahafaly, nefa mangina isika." Koa, avy hatrany dia niverina tany Samaria izy ireo ary nilaza ny vaovao tmin'ireo mpiandry vavahady ary ireo koa nilaza izany tao amin'ny tranon'ny mpanjaka. Vetivety foana, dia indreo ny olona fa mivarotra sakafo teo ambavahadin'ny Samaria, araka izay nolazain'Andriamanitra tamin'ny alalan'i Elisa. Andriamanitra dia namonjy ny Isiraely tamin'ireo fahavalony ary Izy namonjy an'i Elisa ihany koa. Ry namako, Andriamanitra dia naniraka an'i Jesosy Kristy mba hanafaka antsika amin'ny herin'i satana na ny fahotana. Tsy sitrak'Andriamanitra ny handehanan'ny olona any amin'ny famaizana mandrakizay.

Ity dia vaovao mahafaly avy amin'ny tenin'Andriamanitra ary isika dia tokony hizara izany ho an'ny olona rehetra.

Sary Faha 7: Jona Mandositra An'Andriamanitra

Sary Faha 7: Jona Mandositra An'Andriamanitra

Jona 1:1-7

Rehefa maty Elisa dia nisy mpaminany iray indray tao amin'ny Isiraely nantsoina hoe Jona. Andriamanitra nanao tamin'i Jona hoe, "Mitsangana, mankanesa any Ninive, ilay tanana lehibe, ary miantso ny amin'ny hamelezana azy, fa tafakatra eto anatrehako ny faharatsiany." Ireo olon'ny Ninive dia fahavalon'ny Isiraely. Jona dia tsy te handeha ho any amin'izy ireo, ka nihezaka izy ny hitsaoka an'Andriamanitra. Nahita sambo izay handeha any an-tany lavitra izy. Nalohany ny saran-dalany ka lasa ny sambo. Vetivety foana dia nisy rivotra mahery teo ambonin'ny ranomasina. Ireo olona teo ambonin'ny sambo dia natahotra avokoa. Ary dia samy nanao tamin'ny namany hoe izy: "Avy isika hanao filokana mba hizahantsika izay mahatonga izao loza izao amintsika." Dia nanao filokana izy, ka Jona no azo.

Sary Faha 8: Jona Sy Ilay Trondro Lehibe

Sary Faha 8: Jona Sy Ilay Trondro Lehibe

Jona 1:8 - 2:10

Ireo tatsambo niteny tamin'i Jona, "Andray izato ataonao? Nambarany tamin'izy ireo fa nandositra an'Andriamanitra izy. Ary hoy izy ireo taminy, "Hataonay ahoana ary hianao mba hahatony ny ranomasina aminay? Betao aho, ka atsipazo any anatin'ny ranomasina. Fa fantatro fa noho ny amiko no mahatonga izao onja mahery izao aminareo." Izy ireo dia tsy te hamono an'i Jona, kanjo, vao maika nihamafy ny tafiotra, ary dia natsipin'izy ireo tany an'dranomasina izy. Kanefa tsy maty tao anaty rano i Jona. Jereo ange ny sary! Nisy hazandrano lehibe nitelina an'i Jona. Avy eo dia nalohan'ilay hazandrano teny amin'ny tany maina Jona.

Sary Faha 9: Jona Tany Ninive

Sary Faha 9: Jona Tany Ninive

Jona 3:1-10

Andriamanitra dia niteny tamin'i Jona indray! "Mitsangana, ka mankanesa any ninive, ary torio aminy ny teny izay lazaiko aminao." Ary Jona dia nankato an'Andriamanitra ka nandeha tany Ninive ary nampitandrina ireo olona, nanao hoe, "Rehefa afaka 40 andro, dia ho ravana i Ninive." Ny mpanjaka sy ireo olona rehetra dia nitaraina tamin'Andriamanitra mba hamonjy azy ireo.

Niala tamin'ny lalan-dratsiny izy ireo, ka nanapan-kevitra Andriamanitra mba tsy handrava azy ireo. Ry namako, Isika rehetra dia tahaka an'i Jona sy ireo olona tao Ninive. Efa tsy nankatoa an'Andriamanitra sy nanao zavatra ratsy isika. Mendrika ny famaizana isika. Saingy Andriamanitra dia tia antsika. Nandefa an'i Jesosy Izy mba hampitandrina antsika, sy hamonjy antsika mba hialantsika amin'ny ratsy. Jesosy dia maty noho ny fahotantsika. Tao am-pasana Izy nandritra ny 3 andro, izay toan'i Jona tao anaty hazandrano nandritra ny 3 andro. Jesosy nitsangana tamin'ny maty. Ary ankehitriny Izy dia hanome fiainana mandrakizay ho an'izay rehetra miala amin'ny fahotana sy ny ratsy ary manaraka ny lalan'i Jesosy.

Sary Faha 10: Estera Sy Ny Mpanjaka

Sary Faha 10: Estera Sy Ny Mpanjaka

Estera 1:1 - 2:18

Estera dia tovovavy jiosy iray izay avy amin'ny tanin'ny Isiraely. Ny ray aman-dreniny dia efa maty ka Mordekay, izay rahalahin-drainy, no nitaiza azy. Taoarian'ny ady, Estera sy Mordekay dia azo babon'ny olon'Isiraely, ary nentiny tany amin'ny tany Persia. Ny mpanjakan'ny Persia dia lehilahy mahery tokoa. Ny olona rehetra dia natahotra azy. Raha vao tsy hankasitrahany ny mpanjaka vavy, dia nosoloany hafa. Ka dia niantso ireo tovovavy tsara tarehy tao amin'ny fanjakany izy mba ho entina eo an-dapany. Ary tao anatin'izy rehetra ireo, dia nifidy an'i Estera izy mba ho mpanjakavaviny vaovao. Saingy Estera dia tsy nilaza na tamin'iza na tamin'iza fa jiosy izy.

Sary Faha 11: Mordekay Tsy Nanaiky Niankohoka

Sary Faha 11: Mordekay Tsy Nanaiky Niankohoka

Estera 3:1 - 4:17, 5:14; Jaona 3:16

Hamana dia lehilahy nanana ny maha izy azy tao Persia. Ireo olona rehetra dia mila miankohoka ary maneho fankasitrahana ho an'i Hamana rehefa mandalo izy. Saingy Mordekay dia tsy nety nanao izany. Mordekay dia tsy hiankohoka afatsy amin'andriamanitra irery ihany. Nandaha ny hiankohoka ho an'i Hamana izy. Hamana dia tezitra mafy. Ka nanao tetika ny hamaliana faty an'i Mordekay izy. Indray andro dia hoy izy tamin'ny mpanjaka, "Misy firenena iray efa miely sy mihahaka eny amin'ny firenena samy hafa isan-tokony eran'ny fanjakanao. Izy ireo dia tsy mitandrina ny lalanan'ny mpanjaka." Ny tiany holazaina dia ny Jiosy. Hoy ihany koa Hamana nanao hoe, "Aoka ho soratana mba haringana ireny." Hamana mikasa hanome vola ho an'ny mpanjaka. Fa ny mpanjaka nanaiky ny fangatahana fa nanda ny vola izy.

Ny lalana dia vita nanerana ny fanjakana Persiana mba hamono ireo Jiosy sy haka ireo fananany rehetra amin'ny fotoana iray. Hamana dia nanana hazo fanantonana olona izay efa mitsanga mba hanantonany an'i Mordekay. Mordekay nilaza tamin'i Estera fa mila makany amin'ny mpanjaka izy ka mangataka famindram-po ny amin'ny olony. Fa hoy Estera nanao hoe, "Fa na iza na iza mankeo amin'ny mpanjaka, nefa tsy nantsoiny, dia ho faty izany olona izany." Nangataka ireo jiosy ravehivavy mba tsy hisakafo na hisotro mandritra ny 3 andro mba hivavaka manokana ho azy. Izy sy ireo mpanompo vaviny dia nanao tahaka izany koa. Nilaza ihany izy nanao hoe, "Ary amin'izany no hidirako ao amin'ny mpanjaka, na dia tsy araky ny lalana aza. Koa raha tahiany maty aho,dia maty." NY tenin'Andriamanitra mampianatra fa ny kristianina dia tokony hahafoy ny ainy ho an'ny kristiana rahalahiny sy rahavaviny.

Sary Faha 12: Estera Sy Ny Fanasany

Sary Faha 12: Estera Sy Ny Fanasany

Estera 5:1 - 7:10

Andriamanitra dia namaly ny vavaky ny jiosy. Ny mpanjaka dia nanome alalana an'i Estera hiteny aminy. Ravehivavy dia nanasa azy ho amin'ny fanasana manokana, ary nasainy ihany koa Hamana. Tao amin'ny fanasana dia nanotany ny mpanjaka nanao hoe, "Ry mpanjaka vavy Estera, inonona no angatahinao?" Estera namaly hoe, "Izao ny fangatahiko, aoka izaho sy ny oloko ho velona satria efa namidy izahay mba haringana sy hovonoina." Ny mpanjaka nanao hoe, "Iza moa izany, ary iza no hisy hasesiky ny fony hanao izany akory?" Ary Estera nanao hoe, "Ny fahavalonay dia io Hamana ratsy fanahy io." Ny mpanjaka dia tezitra mafy raha naheno ny teti-dratsin'i Hamana, ka dia nasainy nahantony teo amin'ny hazo fanantonana izy, izay efa nomaniny hanantonana an'i Mordekay, ary ireo jiosy rehetra dia voavonjy avokoa. Ry namako, Estera dia nivonona ny ho faty, mba hamonjy ny olony tsy ho faty. Kanefa hevero anie ny nataon'i Jesosy. Tiantsika tokoa Izy ka dia maty mba hamonjy antsika tsy hiditra any amin'ny fahaverezana mandrakizay izay mendrika ho antsika noho ny fahotantsika.

Lafiny B Teny Fampidirana

Lafiny B Teny Fampidirana

Nisy lehilahy roa nantsoina hoe Daniela sy Nehemia izay noterena hiaina teo amin'ny tanin'ny fahavalony. Saingy izy ireo dia nanompo Ilay Andriamanitra tokana sady marina ary dia tonga olon'Andriamanitra lehibe izy ireo. Jereo ny sary manaraka eo amin'ny boky rehefa maheno feo (FAMANTARANA) ianao.

Sary Faha 13: Daniela Sy Ireo Namany

Sary Faha 13: Daniela Sy Ireo Namany

Daniela 1:1-21

Ity sary ity dia mampiseho an'i Daniela sy ireo namany telo lahy. Izy ireo dia jiosy. Izy ireo dia nentin'ireo fahavalony tany amin'ny tany Babylona. Nasain'ny mpanjakan'ny Babylona hanompo azy izy ireo. Noho izany dia voatery izy ireo hianatra ny teny sy ny fombafomba Babylona. Daniela sy ireo namany dia nandaha tsy hihinana ny sakafo matsiron'ny mpanjaka. Izany dia nanohitra ny fombafomba Jiosy. Fantatr'izy ireo fa mila mitandrina ny didin'Andriamanitra sy manome voninahitra Azy izy. Noho izany dia nangataka anana izy ireo mba hohanina, ary rano ihany mba hosotroiny. Ilay lehilahy izay niambina azy dia natahotra fa sao lasa mahia sy harary izy ireo. Fa Andriamanitra kosa dia nitahy azy ireo, ary dia lasa salama sy nanana fanendrena mihoatra noho ny olona rehetra izay nanompo ny mpanjaka ny Babylona izy ireo.

Sary Faha 14: Daniela Sy Ny Mpanjakan'Ny Babylona

Sary Faha 14: Daniela Sy Ny Mpanjakan'Ny Babylona

Daniela 2:1-49

Ny mpanjakan'ny Babylona dia nanonofy. Nanotany ireo olony sy ireo ombiasy izy mba hilaza ny dikan'ny nofiny. Sangy tsy nisy na dia iray amin'izy ireny aza nahalaza izany taminy, ary nanampakevitra izy ny hamono azy rehetra. Avy eo Daniela sy ireo namany dia nivavaka tamin'Andriamanitra, ary Andriamanitra dia nilaza an'i Daniela ny nofin'ny mpanjaka. Ka nandeha tany amin'ny mpanjaka Daniela ka nanao hoe, "Misy Andriamanitra any an-danitra izay mampiseho zava-miafina. Ka mampahafantatra an'ny mpanjaka izay ho tonga amin'ny ho avy." Daniela nilaza tamin'ny mpanjaka fa tao anatin'ny nofiny dia nahita karazana firenena maro eo amin'izao tontolo izao izy, ary nahita firenenana lehibe iray izy izay namotika an'izy rehetra ireo. Izany dia ny fanjakan'Andriamanitra izay maharitra mandrakizay. Ny mpanjaka dia nankasitraka ny tenin'i Daniela.

Ireo olokendry sy ireo ombiasy dia navela ho velona indray. Daniela dia natao governora eo ambanin'ny mpanjaka teo amin'ny Babylona manontolo. Ny zavatra rehetra mitranga eto amin'izao tontolo izao ity dia eo ambany fitantanan'Ilay Andriamanitra lehibe nolazain'i Daniela. Noho izany dia tokony tsy hiodina amin'ny fanompoan-tsampy isika, fa hiodina amin'Ilay Andriamanitra lehibe, ary matokia Azy mba hanaovantsika ny marina.

Sary Faha 15: Ny Endrik'Andriamanitra

Sary Faha 15: Ny Endrik'Andriamanitra

Daniela 3:1-12

Ny mpanjakan'ny Babylona nanao sary vongana volamena lehibe. Nantsoiny avokoa ny mpiaramiasa aminy mba hijery io sary vongana io. Ny mpanompon'ny mpanjaka dia nandidy ny olona tao nanao hoe, "Rehefa mandre ny fanenon'ny java-maneno hianareo, dia miankohofa, ka mivavaha amin'ny sary olona volamena. Ary na iza na iza no tsy miankohoka sy tsy mivavaka amin'io, dia hatsipy ho ao anatin'ny lafaoro misy afo mirehitra izy." Ireo naman'i Daniela, Sandraka, Mesaka ary Abednego dia nandaha ny hivavaka amin'ny sary vongana. Izy ireo dia mivavavka amin'andriamanitra tokana ihany. Ny sasany tamin'ireo lehilahy nandeha tany amin'ny mpanjaka ka nanao hoe, "Misy Jiosy izay nataonao ho tonian'ny raharaha amin'ny fanjakana izay tsy mba manaiky ny teninao. Tsy mba manompo ny andriamanitrao izy, na mivavaka amin'ny sary olona volamena izay efa natsanganao.

Sary Faha 16: Ilay Lafaoro Nisy Afo

Sary Faha 16: Ilay Lafaoro Nisy Afo

Daniela 3:13-28; Eksodosy 20:3-5

Nampanantsoin'ny mpanjaka ireo naman'i Daniela telo lahy. Ary hoy izy taminy, "Raha tsy mivavaka amin'ny sary olona volamena ianao, dia hatsipy ho ao anaty lafaoro misy afo mirehitra. Ary iza moa izany Andriamanitra hahavonjy anareo amin'ny tanako izany?" Ireo lehilahy namaly hoe, "Indro, Andriamanitra Izay tompoinay dia mahavonjy anay, ary na dia tsy izany aza, aoka ho fantatrao, fa ny sary olona volamenanao dia tsy hotompoinay." Ka Sandraka, Mesaka ary Abednago dia natsipy tao anaty lafaoro misy afo mirehitra. Avy eo dia niantsoantso ny mpanjaka nanao hoe, "Jereo! Indro aho mahita efa-dahy mandehandeha eo anaty afo, ary ny fijery ilay fahefatra dia toa zanak'ireo andriamantra." Rehefa nivoaka tao anaty lafaoro izy telo lahy dia tsy may akory. Hoy ny mpanjaka nanao hoe, "Isaorana anie Andriamanitr'i Sandraka sy Mesaka ary Abednego, izay naniraka ny anjeliny hamonjy ny mpanompony...fa tsy misy andriamani-kafa mahavonjy tahaka izao." Ry namako, io Andriamanitra io ihany no mandidy ny firenena rehetra mano hoe, "Aza manao andriamani-kafa, fa Izaho ihany. Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao ka miankohoka eo anatrehany ka manompo azy."

Sary Faha 17: Daniela Mivavaka Amin'Andriamanitra

Sary Faha 17: Daniela Mivavaka Amin'Andriamanitra

Daniela 6:1-13

Daniela dia nanana fahefana lehibe teo amin'ny tany Babylona. Ireo manam-boninahitra sasany dia nialona azy. Tsy nahita fahadisoana teo aminy izy, fa Daniela dia nankatoa ny mpanjaka. Dia nandeha tany amin'ny mpanjaka ireo fahavalon'i Daniela nanao hoe, Tokony hanao lalana sy didy mafy hianao ry mpanjaka, ka na zovy na zovy no hanao fangatahina ato anatin'ny 30 andro, na amin'Andriamanitra na amin'ny olona, afa-tsy aminao ihany, ry mpanjaka o, dia hatsipy ao an-davaky ny liona izy." Ny mpanjaka nifanaiky tamin'ireo lehilahy ka nanao ny lalana vaovao. Ren'i Daniela io lalana vaovaon'ny mpanjaka io, kanefa mbola nanohy nivavaka tamin'Andriamanitra in- telo isan'andro toy ny taloha ihany izy. Rehefa hitan'ireo fahavalony fa nivavaka izy, dia nandeha tany amin'ny mpanjaka izy ireo ka nanao hoe, "Daniela dia tsy mankatoa ny didy izay efa nataonao."

Sary Faha 18: Daniela Tao An-Davaky Ny Liona

Sary Faha 18: Daniela Tao An-Davaky Ny Liona

Daniela 6:14-24

Ny mpanjaka dia tsy tia an'i Daniela ho faty ao an-davaky ny liona, saingy tsy afaka nanova ny lalana intsony izy, noho izany dia natsipy tao amin'ireo liona izy. Vao maraina ny ampitson'iny dia nihazakazaka ho eny amin'ny lavaky ny liona ny mpanjaka ka niantso nanao hoe, "Ry Daniela, mpanompon'Andriamanitra velona o, moa Andriamanitrao Izay tompoinao mandrakariva mahavonjy anao amin'ny liona va?" Ary dia namaly Daniela nanao hoe, "Andriamanitro efa naniraka ny anjeliny ka nanakombona ny vavan'ny liona." Dia faly indrindra ny mpanjaka. Dia nakarina avy ao an-davaky ny liona izy. Ary ny mpanjaka nandidy, ka ireo fahavalon'i Daniela dia natsipy tao amin'ny liona, ary ny liona nanapatapaka ny taolany. Ry namako, Tsy tokony hatahotra izay ataon'ny olona antsika isika raha mahatoky ilay Andriamanitra velona izay nanampy an'i Daniela sy ireo namany. Na dia vonoin'ny olona aza isika, dia mbola manana fanantenana, satria Jesosy dia tonga avy amin'Andriamanitra mba hananatsika fiainana mandrakizay ho an'izay tia azy sy manompo azy.

Sary Faha 19: Nehemia Nanoloana Ny Mpanjaka Lehibe

Sary Faha 19: Nehemia Nanoloana Ny Mpanjaka Lehibe

Nehemia 1:1 - 2:7

Nehemia dia niaina tany Babylona taorian'i Daniela. Nehemia dia Jiosy nahatoky an'Andriamanitra. Nehemia dia mpanompon'ilay mpanjaka lehibe. Indray andro raha nadroso divay ho an'i mpanjaka izy, dia hoy ny mpanjaka taminy, "Nahoana no malahelo tarehy hianao...?

Nehemia dia nalahelo nohon'ny Jerosalema, ilay tananan'ny razany, iazay potika ary ny Jiosy izay niaina tao dia nandalo ady sarotra lehibe. Ary Nehemia dia nilaza tamin'ny mpanjaka ny amin'ny Jerosalema ary ny olona Jiosy. Dia hoy ny mpanjaka, "Inona ary no angatahinao amiko? Nehemia nivavaka tamin'andriamanitra aloha dia vao niteny tamin'ny mpanjaka hoe, "Raha sitraky ny mpanjaka, dia alefaso ho any tanin'ny razako aho mba afahako manangana azy indray. Andriamanitra namaly ny vavaky Nehemia ary ny mpanjaka dia nanaiky ny fangatahany. Andriamanitra manampahefana amin'ireo mpanjaka rehetra sy ireo mpitondra eto ambonin'ny tany, ary rehefa mivavaka aminy ny olon'Andriamanitra, ary manao izay zavatra ankasitrahany , dia hanatanteraka izay fangatahana rehetra araka ny sitra-pony Izy.

Sary Faha 20: Nehemia Nizaha Ny Tanana Rava

Sary Faha 20: Nehemia Nizaha Ny Tanana Rava

Nehemia 2:8-20

Ny mpanjaka dia nanome fitaovana sy lehilahy an'i Nehemia mba hanorona ny tanana. Nehemia sy ireo mpanampy azy dia nandeha namakivaky ny lalana hatrany Jerosalema. Ireo fahavalon'ny Jiosy dia naheno ny amin'i Nehemia sy ny planiny. Ary dia tezitra mafy izy ireo. Tsy tian'izy ireo hisy hanampy ny Jiosy. Nehemia dia tsy natahotra ireo fahavalony. Nandeha nizaha an'ny Jerosalema izy, ary nandeha nanodidina ny manda rava ny tanana izy. Ny alina izy no nandeha mba tsy ahafantaran'ny olona izay ataony. Ny marainan'iny Nehemia niantso ireo Jiosy ka nanao hoe, "Andeha isika hanangana ny mandan'ny Jerosalema,mba tsy ho latsa intsony isika." Nolazain'ny tamin'izy ireo fa Andriamanitra dia miaraka aminy, ary nanana porofo ny amin'izany izy teo amin'ny mpanjakan'ny Babylona. Ary ireo Jiosy namaly nanao hoe, Aoka isika handrafitra azy."

Sary Faha 21: Fanorenana Ny Manda

Sary Faha 21: Fanorenana Ny Manda

Nehemia 3:1 - 6:19

Jereo ny sary. Nanomboka niasa ireo Jiosy. Ny sasany nanala ny fako ary ny sasany nanangana ny manda sy nametraka ny vavahady. Ireo fahavalon'ny Jiosy dia nihatezitra mafy hatrany. Ka nivavaka tamin'Andriamanitra indray i Nehemia. Nila an'Andriamanitra izy mba hampiseho azy ny tokony hataony. Avy eo dia nasiany lehilahy mitana fiadiana teo ambonin'ny manda mba hiaro ireo mpiasa. Ny rehetra dia samy nanana fiadiana ary efa vonona amin'ny ady. Ireo fahavalo dia tsy afaka namono an'i Nehemia sy ireo Jiosy sasany. Ary dia nitohy hatrany ny asa, ary tao anatin'ny 52 andro dia voatsangana ny manda. Tsy manana fahendrena mba hahalala ny tena tsara isika. Ary isika rehetra dia tsy manana hery hanao ny marina. Andriamanitra dia manana ny fahendrena rehetra sy ny hery. Toy Nehemia mila mivavaka amin'Andriamanitra isika, mahatoky Azy sy mankatoa Azy ary dia ho fantatsika fa Andriamanitsika dia hiady ho antsika.

Sary Faha 22: Ezra Mamaky Ny Lalana

Sary Faha 22: Ezra Mamaky Ny Lalana

Nehemia 8:1 - 13:31

Rehefa voahorina ny manda, dia nivory tao Jerosalema ireo Jiosy Ezra, ilay mpisoron'Andriamanitra, namaky tamin'izy ireo ny didin'Andriamanitra. Izay aoa amin'ny tenin'Andriamanitra, dia ny Baiboly. Ny sasany tamin'ireo olona dia nanomboka nitomany. Fantatr'izy ireo fa tsy nankatoa ny didin'Andriamanitra izy ireo. Izany no antony nahatongan'Andriamanitra nanao ireo fahavalony hamotika ny tananany. Ireo Jiosy dia te hiala amin'ny fahotany ary hanaraka ny lalan'Andriamanitra indray. Hoy Nehemia tamin'ieo olona, "Aza malahelo foana, fa ny fifalian'i Tompo no herinareo." Ry namako, mba manana fifaliana ve hianao? Andriamanitra dia manome antsika fifaliana ary hery rehefa mahafantatra an'Andriamanitra isika ary mankato ny tenin'ny soratra masina.(Ny Baiboly) Andeha ambarako anao ahoana no hahafahanao mahafantatra Ilay Andriamanitry Nehemia. Izy Ilay tokana sady Andriamanitra velona.

Sary Faha 23: Jesosy Teo Amin'Ny Hazo Fijaliana

Sary Faha 23: Jesosy Teo Amin'Ny Hazo Fijaliana

Jaona 19:17-30

Tsy misy afatsy lalana iray ihany no hahafahantsika mahafantatra an'Andriamanitra (Ilay mpahary lehibe). Andriamanitra dia naniraka ny zanany, Jesosy, mba hanoro antsika izany lalana izany. Jesosy dia niaina teto ambonin'ny tany efa taona maro lasa. Nanao soa betsaka Izy mba hanampiany ny olona. Nasehony antsika ny tokony fomba fiaina mba hahafaly an'Andriamanitra. Saingy isika dia tsy nanaraka ny lalany. Isika rehetra dia efa nanota teo anatrehan'Andriamanitra. Andriamanitra dia manafay ny mpanota izay mankahala ny lalany, ary aorian'ny fahafatesana, dia hesoriny ho amin'ny fanatrehany izy ary mandefa azy any amin'ny helo mirehitr'afo mandrakizay. Ny tenin'Andriamanitra dia mampianatra antsika fa avy tamin'ny vovoky ny tany no nanaovan'andriamanitra antsika ary rehefa maty isika dia hiverina vovoka ihany koa ny tenantsika. Fa ny fanahin'ny olona kosa, izay isan'ny tenantsika dia hiverina amin'Andriamanitra izay nanomeha azy antsika ka amin'izay isika no handray ny famaizan'Andriamanitra na ny valisoa. Henoy ange, Andriamanitra dia namonjy an'i Elisa sy Daniela tamin'ny famonoan'ny olona azy. Fa Andriamanitra kosa dia namela ireo olon-dratsy namono an'i Jesosy. Nofantsihiny teo amin'ny hazo fijaliana izy. Jesosy no nitondra ny famaizana ny amin'ny otan'ny olona rehetra satria tiany ny olona rehetra. Ankehitriny raha toa ka mibebaka isika, dia hamindra-fo ny amin'ny fahotantsika Andriamanitra ary ho afaka hahafantatra Azy sy hanaraka ny lalany indray isika. Ho an'izay manaraka marina an'i Jesosy, dia tsy hisy fanamelohana intsony aorian'ny fahafatesana, ary izy ireo dia ho tian'Andriamanitra sy hanompo Azy mandrakizay.

Sary Faha 24: Jesosy Manoro Ny Lalana Ho Amin'Ny Fiainana Mandrakizay

Sary Faha 24: Jesosy Manoro Ny Lalana Ho Amin'Ny Fiainana Mandrakizay

Matio 7:13-14; Jaona 14:6

Ry namako, rehefa manohy tsy mankatoa an'Andriamanitra ny olona, dia mandeha amin'ny lalana iray lehibe malalaka izy izay misy an'i satana izay lehibehan'ny ratsy rehetra. Izany lalana izany dia mitondra ho any amin'ny famaizana mandrakizay. Izay olona rehetra teraka eto ambonin'ny tany dia mandeha eo amin'io lalana malalaka io avokoa. (Izany dia marina ho ahy sy ho anao) Hoy ny tenin'Andriamanitra manao hoe, "Ny olona rehetra dia efa nanota avokoa." Satria ny olona rehetra dia mpanota, izay mendrika ny famaizan'Andriamanitra. Fa kosa Andriamanitra nandefa ny zanany Jesosy mba hitondra ny famaizana tokony ho antsika. Andriamanitra dia nanangana an'i Jesosy tamin'ny maty ary ankehitriny dia velona Izy mba hanoro antsika ny lalana ho amin'Andriamanitra. Jesosy nanao hoe, "Izaho no lalana sy fahamarinana ary ny fiainana, ary tsy misy makany amin'ny Ray raha tsy amin'ny anarako." Ireo izay manaraka ny lalan'i Jesosy, dia tsy hankany amin'ny famaizana mandrakizay, fa satana sy izay rehetra manaraka azy dia ho any. Mila manaraka ny lalan'i Jesosy isika ankehitriny. Izany dia sarotra sy lalana tery. Ary satria noho ny faharatsiana eto amin'izao tontolo izao, dia hijaly ny olona eto an-tany. Fa kosa Jesosy dia miaraka mandrakariva amin'ireo izay manaraka Azy, mba hanome azy hery. Ho an'ireo izay manaraka an'i Jesosy, dia misy fanantenana satria ny lalan'i Jesosy dia mitondra ho any an-danitra. Any an-danitra dia tsy misy fahoriana fa fifaliana sy fiadanana mandrakizay, ary ho an'izay rehetra mankany an-danitra dia hanompo sy hitia an'Andriamanitra ary ho eo amin'ny fanatrehan'Andriamanitra mandrakizay. Raha tianao ny hiala amin'ny lalan'ny satana ary handeha amin'ny lalan'i Jesosy izay mitondra ho amin'andriamanitra dia ataovy izao vavaka izao: Ry Andriamanitra Ray izay any an-danitra o, Efa nadeha tamin'ny lalan'ny satana izay nanaraka ny filako rehetra aho, dia ny fiheritreretan-dratsiko sy ny lalan-dratsiko. Mamela ny heloko fa mpanota aho. Misaotra Jesosy fa maty teo amin'ny hazo fijaliana Hianao, izay nitondra ny famaizana ny amin'ny otako rehetra. Misaotro Anao aho fa ny ranao no manadio ahy amin'ny fahotako rehetra. Ry Tompo Jesosy o, mandray Anao ho Tompoko sy Mpamonjiko aho. Misaotra Anao aho fa tamin'ny alalan'i Fanahy Masinao dia nomenao hery aho mba ho tonga zanak'Andriamanitra sy hankato ny teniny dia ny Baiboly. Amin'ny anaran'i Jesosy no angatahiko izany. Amen.

Related information

Free downloads - Here you can find all the main GRN message scripts in several languages, plus pictures and other related materials, available for download.

"Look, Listen and Live" audio-visual - A set of 8 programs of 24 pictures each for evangelism and Christian teaching. The series presents Old Testament characters, the life of Jesus, and the young church.

How to use GRN Audio visual resources - 1: Sharing the Gospel made easy - This article gives an introduction to some of the many different ways the GRN audio visual resources can be used in ministry.

How to use GRN Audio visual resources - 2: Going Deeper - This article gives further explanation of how people learn from the stories, and why the stories do not have a lot of commentary.

The GRN Audio Library - Evangelistic and basic Bible teaching material appropriate to the people's need and culture in a variety of styles and formats.

Copyright and Licensing - GRN shares it's audio, video and written scripts under Creative Commons

Creating DVDs using the GRN Slide show Videos - How to burn DVDs for specific people groups you are trying to reach

Choosing the right audio or video format - What audio and video file formats are available from GRN, and which one is best to use?