Jereo, Henoy, Hiaino Boky 3 Fanresena Tamin'Ny Alalan'Andriamanitra

Jereo, Henoy, Hiaino Boky 3 Fanresena Tamin'Ny Alalan'Andriamanitra

إستعراض: Joshua, Deborah, Gideon, Samson. 24 sections. It has a picture book to go along with the recording.

رقم النص: 420

لغة: Malagasy Merina

الفكرة: Eternal life (Salvation); Character of God (Nature, character of God, Word of God (the Bible), Power of God / Jesus); Living as a Christian (Obedience, No other gods, idols, Victory, Faith, trust, believe in Jesus); Bible timeline (Gospel, Good News); Sin and Satan (Spiritual Warfare, Deliverance, Judgement)

الجماهير: General

نمط: Monolog

فصيل: Bible Stories & Teac

الغرض: Teaching

نص من الإنجيل: Extensive

حالة: Publishable

النص

Lafiny A Fanresena Tamin'Ny Alalan'Andriamanitra Teny Fampidirana

Lafiny A Fanresena Tamin'Ny Alalan'Andriamanitra Teny Fampidirana

Fiarabana ho anareo ry namako. Amin'ity oronam-peo ity dia handre ny fomba nanampian'Andriamanitra ny olon'ny Isiraely mba handresy ireo fahavalony. Rehefa maheno izao feo FAMANTARANA izao ianao dia havadio ny sary ao amin'ny boky volontany.

Sary 1: Josoa Niady Tamin'Nireo Amalekita

Sary 1: Josoa Niady Tamin'Nireo Amalekita

Eksodosy 17:8-13; Matio 18:19

Ireo olon'ny Isiraely dia tsy nanana tany tena azy. Nirenireny tany an'efitra izy ireo. Mosesy no mpitondra azy ireo. Nisafidy zatovo lahy iray izy izay nantsoina hoe Josoa mba ho mpitarika ny miaramilany. Ireo Amalekita dia nanafika an'ny Isiraely, ka hoy Mosesy tamin'i Josoa, "Mifidiana lehilahy ho antsiaka, dia mandehana ka miadia amin'ny Amalekita. Rahampitso dia hijoro eo an-tampon'ny havoana aho ka hitana ny tehin'Andriamanitra ety an- tanako." Rehefa natsangan'i Mosesy ny tehin'Andriamanitra(miaraka amin'ny vavaka) dia Josoa sy ireo Isiraelita dia nahery afaka nandresy ireo Amalekita. Saingy ny tanan'i Mosesy dia nihavizana ary tsy tafakany intsony. Dia nahery tamin'ny ady indray ireo Amalekita. Noho izany dia nisy lehilahy roa nanohana ny tanan'i Mosesy nandritran'ny alina manontolo, ary Andriamanitra dia nanampy an'i Josoa handresy ireo Amalekita. Ireo lehilahy roa dia nanohona ny tanan'i Mosesy ary izy kosa nanangana ny tehin'Andriamanitra. Ny olon'Adriamanitra natao hahery amin'ny alalan'Andriamanitra mba handresy ireo fahavalo, satana, rehefa miaramivavaka izy ireo. Hoy Jesosy, Ilay zanak'Andriamanitra, izay nampanantena ny mpanompony manao hoe: "Raha misy roa aminareo mifanaiky ety ambonin'ny tany na amin'ny inona na amin'ny inona ka hangataka izany, dia ho azony avy amin'ny Raiko izay any an-danitra izany. Fa na aiza na aiza no iangonan'ny roa na telo amin'ny anarako dia ao afovoany Aho."

Sary Faha 2: Ireo Mpisafo-Tany Sy Ireo Voankazo Tao Kanana

Sary Faha 2: Ireo Mpisafo-Tany Sy Ireo Voankazo Tao Kanana

Nomery 13:1 - 14:38

Andriamanitra dia nampanantena an'ny Isiraely ny amin'ny tany Kanana. Ary tonga ny fotoana izay nampanirahan'ny Tompo an'i Mosesy mba handefa olona hisafo ny tany. Mosesy dia nandefa mpitondra 12 lahy, tao anatin'izany i Josoa sy Kaleba. Ireo lehilahy ireo dia niverina rehefa afaka 40 andro ary dia nitondra tatitra ho an' Mosesy toy izao izy; "Tonga tany amin'ny tany izay nanirahanao anay izahay, ka tondra-dronono sy tantely tokoa izy; ary ito no vokatra avy tany. Kanefa kosa mahery ny olona izay monina eo amin'ny tany; ary ny tanana dia mimanda sady lehibe dia lehibe." Avy eo Keleba nampangina ilay mpisafo iray ary hoy izy, "Andeha isika hiakatra mihitsy mba hahazoantsika azy, fa haharesy azy tokoa isika." Fa hoy kosa ny lehilahy izay niara-niakatra taminy: "Tsy mahazo miakatra handresy ny olona isika; fa mahery noho isika izy." Dia nilaza ratsy ny tany izay nosafony izy ireo. Tamin'iny alin'iny ireo olona dia nanadratra ny feony ka nitaraina sy nitomany ary nimonomonona tamin'ireo mpitondra, Mosesy sy Arona ary Andriamanitra. Tezitra Andriamanitra satria tsy nahatoky Azy izy ireo ary dia nentiny niverina tany amin'ny tany efitra izy ireo nandritra ny 40 taona. Ary ireo Isiraelita izay tsy natoky an'Andriamanitra dia maty tany an-efitra.

Sary Faha 3: Ny Zanaky Isiraely Niampita Ny Renirano

Sary Faha 3: Ny Zanaky Isiraely Niampita Ny Renirano

Josoa 1:1-2, 3:1-17

Rehefa maty i Mosesy dia i Josoa no notendren'Andriamanitra ho mpitondra ny Isiraely. Dia hoy Andriamanitra tamin'i Josoa: "Efa maty Mosesy mpanompoko; koa mitsangana, mita ity Jordana ity hianao sy ireo olona rehetra ireo ho eo amin'ny tany izay omeko azy, dia ny zanaky ny Isiraely...Mahereza sy matanjaha; fa hianao no hampandova ity firenena ity ny tany izay nianianako tamin'ny razany homena azy." Andriamanitra dia ninia fa homba an'i Josoa ary nandidy azy hitandrina ny teniny. Avy Andriamanitra dia nanambara tamin'i Josoa izay tokony hatao. Ireo mpisoron'ny Isiraely dia nanana vata iray nantsoina hoe fiaran'ny fanekena. Tao no nasiana ireo takelabato nisy ny didin'Andriamanitra. Andriamanitra dia nilaza tamin'izy ireo mba hitondra ny fiaran'ny fanekena hitan'ny reniranon'i Jordana. Niakatra tokoa ny rano tamin'izany fotoana izany, saingy raha vao nanatsoboka ny tongony teo amin'ny rano ireo mpisorona dia nijanona tsy nikoriana intsony ny rano ary maina. Ireo mpisorona dia nijoro tamin'ny tany maina teo afovoan'i Jordana, ary ireo olona rehetra nandeha tamin'ny tany maina mandra-pahatafitan'izy ireo an'i Jordana.

Andriamanitra dia te hampianatra anao sy izaho fa rehefa maniraka antsika hanao zavatra Andriamanitra dia mila mankatoa sy mahatoky Azy isika mba hanampiany antsika ny amin'izay zavatra rehetra ampanaoviny antsika.

Sary Faha 4: Ny Mandan'I Jeriko Dia Nirodana

Sary Faha 4: Ny Mandan'I Jeriko Dia Nirodana

Josoa 5:13 - 7:1

Ireo olon'ny Isiraely dia nitoby tao Kanana izay nifanakaiky ny tananan'i Jeriko. Ka izao no nambaran'Andriamanitra tamin'i Josoa, "Indro, efa natolotro eo an-tananao Jeriko sy ny mpanjakany mbamin'ny lehilahy maheriny. Koa mandehana manodidina ny tanana indray mandeha hianareo mpanafika rehetra, henemana no hanaovanao izany. Ary asio mpisorona fito mpitondra anjomarafito mafy faneno eo anoloan'ny fiaran'ny fanekena. Ary amin'ny andro fahafito dia hodidino impito ny tanana, ary aoka ny mpisorona hitsoka ny anjomara. Ary raha manao feo lavareny ny anjomara mafy faneno, ka renareo ny feon'ny anjomara dia hanakora mafy ny vahoaka rehetra; ka dia hirodana amin'izay ny mandan'ny tanana, ary hiakatra samy hizotra amin'izay hitsiny avy ny olona." Dia notanterahan'i Josoa sy ny olona izay nandidian'Andriamanitra azy. Ny mandan'ny Jeriko dia nirodana ary ny Isiraely dia nandresy ny tanana. Andriamanitra nilaza tamin'ny Isiraely mba tsy haka na dia zavatra iray aza amin'io firenena io fa zavatra voaozona ireny. Saingy lehilahy iray atao hoe Akana, dia tsy nankatoa an'Andriamanitra. Hambarako aminao ny momba azy aoriana kely.

Sary Faha 5: Isiraely Afaka Tao Ay

Sary Faha 5: Isiraely Afaka Tao Ay

Josoa 7:1-12, 6:18-19, 24

Nanakaiky an'i Jeriko dia nisy tananana fahavalo nantsoina hoe Ay. Josoa dia mila mandresy azy io koa, noho izany dia nandefa lehilahy mba hisafo ilay tanana izy. Ireo mpisafo dia niverina ka nanao hoe, "Aoka tsy hiakatra avokoa ny vahoaka rehetra, fa vitsy ihany izy." (Vitsy ny miaramila nananan'izy ireo) Noho izany dia miaramila vitsy ihany no nalefan'i Josoa mba hambabo an'i Ay. Saingy ireo lehilahin'ny Ay anefa dia nahery ka nandresy ny lehilahin'ny Isiraely. Ny sasany tamin'ireo Isiraelita dia maty ary ny ambiny nandositra mba hamonjy ny ainy. Avy eo i Josoa sy ireo lohaolon'ny Isiraely niankohoka teo amin'ny tany teo anoloan'ny fiara faneken'i Tompo. Fa hoy kosa Andriamanitra tamin'i Josoa, "Mitsangana, nahoana no miankohoka toy izao hianao? Efa nanota ny Isiraely ka nivadika ny fanekeko izay nandidiako azy; naka tamin'ireo volafotsy sy volamena izy ireo izay tokony ho an'ny tempolin'Andriamanitra ary nandainga izy ireo. Izany no antony mahatonga ny Isiraely tsy mahajanona eo anoloan'ny fahavalony." Ary ny Tompo nilaza mialoha tamin'ireo Isiraelita ny amin'ny hametrahan'izy ireo ny volafotsy sy ny volamena ao amin'ny tempolin'Andriamanitra. Amin'izany no hianarantsika fa Andriamanitra dia manafay ireo izay tsy mankatoa Azy.

Rehefa tsy mankatoa an'Andriamanitra isika dia, mamely tenantsika isika sady mamely ny hafa koa.

Sary Faha 6: Ny Fitsarana An'I Akana

Sary Faha 6: Ny Fitsarana An'I Akana

Josoa 7:14-26

Josoa namory ny olon'ny Isiraely rehetra teo anolohan'andriamanitra. Andriamanitra naneo tamin'i Josoa fa i Akana no nanota tamin'Andriamanitra. Hoy Josoa tamin'i Akana, "Lazao amiko izay nataonao, aza afeninao ahy izany." Ary hoy Akana, "Eny tokoa, izaho no nanota tamin'Andriamanitra, Andriamanitry Isiraely. Rehefa nahita ireo zavatra izay noraran'Andriamanitra tsy azo halaina aho, kapoty tsara sy sekely volafotsy ary anja-bolamena, nalaiko ireo ka nafeniko ao ambanin'ny tany ao amin'ny laiko." Dia nisy lehilahy naka ireo zavatra ireo ka nitondra izany teo amin'i Josoa. Avy eo Akana sy ireo fianankaviany ary ny fananany rehetra dia nopotehina avokoa, araka izay nandidian'Andriamanitra. Andriamanitra dia nionona tamin'ny fahatezerany ka hoy izy tamin'i Josoa, "Aza matahotra, na mivadi- po hianao. Ento miaraka aminao ny vahoaka rehetra mpanafika, ka mianga, iakaro Ay, ny vahoakany sy ny tananany ary ny taniny." Dia nankatoan'Andriamanitra ny Isiraely ary afaka nanohitra an'ny Ay. Andriamanitra dia mahita ny zavatra rehetra izay ataontsika. Tsy afaka manafina izay ratsy ataontsika aminy isika. Fa raha toa ka manaiky marina ny fahontantsika isika ka manambara izany amin'Andriamanitra, dia hamela antsika sy hanadio antsika amin'ny fahotana Izy.

Sary Faha 7: Ny Masoandro Sy Ny Volana Dia Nijanona

Sary Faha 7: Ny Masoandro Sy Ny Volana Dia Nijanona

Josoa 10:1-14

Ireo olona ratsy fanahin'ny Amorita dia nanomboka natahotra an'ny Isiraely. Ireo mpanjaka dimy lahy nitambatra mba hiady amin'ny Isiraely. Fa Andriamanitra nanao tamin'i Josoa hoe, "Aza matahotra azy, fa efa natolotro eo an-tananao izy. Tsy hisy hahajanona eo anoloanao izy na dia iray akory aza." Ary Josoa sy ireo miaramilany nandeha nivoaka mba hiady amin'ireo foko ireo, ary ireo foko ireo dia nandositra ny Isiraelita. Andriamanitra koa dia nandrotsaka havandra tamin'ireo fahavalo ka betsaka no maty. Ny ady dia nitoy nandritra ny andro manontolo. Josoa dia nivavaka ary Andriamanitra dia nampijanona ny masoandro sy ny volana tamin'io andro io mandrapahatongan'ny Isiraely handresy ny fahavalony. Tsy nisy andro tahaka izany intsony. Andriamanitra nanampy ny Isiraely mba handresy ireo olona ratsy tao Kanana. Ankehitriny Andriamanitra dia mbola mahery hanampy ireo izay mihady amin'ireo ratsy.

Sary Faha 8: Josoa Nampianatra Ireo Olona

Sary Faha 8: Josoa Nampianatra Ireo Olona

Josoa 23:1 - 24:31

Rehefa antitra Josoa dia namory ny olon'ny Isiraely rehetra.

Nampatsiahiviny azy ireo ny zava-dehibe nataon'Andriamanitra tamin'izy ireo, ary ny niadiavan'Andriamanitra ho an'izy ireo.

Josoa nanao tamin'ny Isiraely hoe, "Dia mahereza tsara hianareo hitandrina sy hanao izay rehetra voasoratra ao amin'ny bokin'ny lalan'i Mosesy(izay avy amin'Andriamanitra). Raha toa ka manompo sy mankatoa Ilay Andriamanitra tokana hianareo, dia handroka ireo firenena lehibe sy mahery eo anatrehanareo Izy ary handova ny tany Kanana hianareo. Raha toa ka manompo andriamanikafa hianareo, dia ho lany ringana hianareo amin'ny tany tsara izay efa nampanantenan'Andriamanitra. Tapaho ny hevitrareo, iza no hotompoinareo." Ry namako, Andriamanitra dia nitana ny teny fikasany rehetra ho an'i Josoa sy ny Isiraely. Nomeny tany izy ireo mba ho azy ary noreseny ireo fahavalony. Ny fahavalontsika dia satana. Fa kosa isika manana mpitondra lehibe izay efa nandresy ny satana. Izy no Tompo Jesosy Kristy, Ilay zanak'Andriamanitra. Mila tompoina sy hankatoavintsika Izy. Ho an'izay rehetra tia sy mankatoa Azy, Andriamanitra efa naneho ny teny fikasany fa hanomana toerana ho mandrakizay any an-danitra. Andriamanitra dia mitana ny teny fikasany. Koa amin'ity andro anio ity, ianao koa ve tsy mba hifidy ny hanompo an'Andriamanitra sy Jesosy Kristy.

Sary Faha 9: Debora Niteny Ho An'Andriamanitra

Sary Faha 9: Debora Niteny Ho An'Andriamanitra

Mpitsara 4:1-9

Rehefa maty Josoa, dia nihodina tamin'Andriamanitra ny olon'ny Isiraely. Nanompo ny andriamanitry ny Kananita izy ireo. Ka dia nanjakazaka tamin'ny Isiraelita ireo Kananita ary nampijaly azy ireo. Debora dia mpitondran'ny Isiraely. Izy io dia vehivavy feno fahalalana. Ireo olona dia tonga teo aminy mba haka torohevitra, ary izy no nampiavana rehefa misy ady. Nihezaka izy mba hampiverina an'ny Isiraely ho amin'Andriamanitra. Indray andro dia niantso an'i Baraka ravehivavy. Izy dia mpitondra ny miaramilan'ny Isiraely. Hoy izy taminy, "Mitondra iray alin-dahy ho any an-tendrombohitry Tabara. Sisera ary ireo miaramilan'ny Kanana dia ho avy hiady aminao. Kanefa Andriamanitra dia hanome anao fandresena." Baraka dia natahotra. Ho izy tamin'i Debora, "Raha tsy handeha hiaraka amiko ianao dia tsy handeha aho." Dia hoy Debora taminy, "Handeha hiaraka aminao aho, fa eo an-tanam-behivavy no hivarotan'Andriamanitra an'i Sisera." Ry namako, ny olona rehetra dia tokony hanompo an'Andriamanitra velona. Izy dia manampy izay rehetra mahatoky sy manompo Azy.

Sary Faha 10: Andriamanitra Manampy Handresena An'I Sisera

Sary Faha 10: Andriamanitra Manampy Handresena An'I Sisera

Mpitsara 4:10-16

Debora sy Baraka dia nitarika ny miaramilan'ny Isiraely ho an-tendrombohitry Tabala. Sisera ary ireo Kananita dia nandeha tany koa mba hiady hanohitra an'ny Isiraely. Sisera dia nanana kalesy vy 900. Natao izy ireny mba ho entina miady. Raha mbola teny am-pandrosona hanafika an'i Sisera i Bakara sy ireo miaramilan'ny Isiraely, dia nampifanaritahan'Andriamanitra ny filaminan'ireo miaramilan'ny Kananita. Ka dia nandositra izy ireo. Ireo miaramilan'ny Isiraely dia nanaraka azy ireo, ka namono azy ireo tamin'ny lelan-tsabany. Nohon'ny fanampin'Andriamanitra dia afaka nandresy ny miaramilan'ny Kanana ny miaramilan'ny Isiraely. Tsy nisy afatsy Sisera no afanandositra tamin'ny alalan'ny fidinany niala tamin'ny kalesy ka nandositra nandeha tongotra.

Sary Faha 11: Joela Nandresy An'I Sisera

Sary Faha 11: Joela Nandresy An'I Sisera

Mpanjaka 4:17-23

Sisera dia nandositra ho any amin'ny lain'ny vehivavy iray nantsoina hoe Joela. Joela dia tsy Isiraelita. (Fa ny olony dia mifankahazo tsara amin'ny Kananita) Hoy Joela tamin'i Sisera, "Miakara aty amiko, aza matahotra." Dia niakatra tao an-dain-dravehivavy mba hiery. Nomeny ronono izy mba ho sotroiny ary norakofany lamba firakotra, ary dia raikitory i Sisera. Ary avy eo Joela dia naka tsima-day sy tantana. Ary nadeha teo amin'i Sisera izy raha mbola natory Sisera, ary dia natsatony tamin'ny fihirifany ny tsima- day, ka nihatra tamin'ny tany. Ary nony, indro, avy Baraka nitady an'i Sisera, dia niantso azy Joela ka nanao hoe, "Avy aty, fa hasehoko anao ny lehilahy izay tadiavinao." Dia indro ny fatin'i Sisera niapatra teo, ary ny tsima-day teo amin'ny fihirifany.

Sary Faha 12: Isiraely Nanao Fankalazana

Sary Faha 12: Isiraely Nanao Fankalazana

Mpitsara 5:1-31

Andriamanitra no nanome hery ireo Isiraely mba handresy ireo Kananita. Debora sy Baraka dia nihira hira ho fiderana an'Andriamanitra, ary ireo olona dia nifaly niaraka tamin'izy ireo. Faly tokoa izy ireo tamin'ny nananany mpitarika tahakan'i Debora. Tahaka ny reny tokoa izy tamin'izy ireo. Nidera an'i Joela ihany koa izy ireo, satria tsy mba natahotra an'i Sisera izy. Andriamnitra dia nampiasa ireo vehivavy roa ireo mba hanavotra an'ny Isiraely.

Ry namako, Andriamanitra dia mampiasa ireo izay heverina fa malemy handresy ny matanjaka. Isika rehetra dia manana fahavalo antsoina hoe satana. Ka mba handresena an'i satana, Andriamanitra dia nandefa ny Tompo Jesosy Kristy mba ho faty teo amin'ny hazo fijaliana. Teo no nitondrany ny sazy rehetra ny amin'ny fahotantsika , dia ny fahotanao sy ny fahotako. Ny faharatsian'ny olona no nahatonga an'i Jesosy ho faty. Noheverin'izy ireo fa malemy Izy. Tadidinao tsara ahoana moa no nandresen'ireo Isiraely ireo fahavalony tamin'ny alalan'ny herin'Andriamanitra. Jesosy ihany koa dia nandresy an'i satana, izay fahavalon'ny olona rehetra, rehefa maty teo amin'nyhazo fijaliana Izy ary nitsangana tamin'ny maty. Rehefa nitsangana tamin'ny maty Jesosy, dia naneo Izy fa nandresy ny herin'ny fahotana, sy ny fahafatesana ary satana izay mamatotra ny olona rehetra. Amin'izany indrindra no efa nanafahany antsika tamin'ny herin'ny fahotana. Koa androany amin'ny alaln'i Jesosy dia afaka mandresy ny fahotana sy ny herin'ny satana isika, satria Jesosy dia efa nanome antsika fiainana mandrakizay ho an'izay rehetra mahatoky sy mino Azy. Noho izany andeha isika hihira sy hifaly ary hidera an'Andriamanitra tokana sady marina.

Lafiny B Fandresena Amin'Ny Alalan'Andriamanitra Teny Fampidirana

Lafiny B Fandresena Amin'Ny Alalan'Andriamanitra Teny Fampidirana

Satana dia mpamitaka ny olona ary tiany ho fitahina daholo ny olona manaraka an'Andriamanitra. Efa nasehoan'Andriamanitra antsika anefa ny fomba afahantsika mandresy an'i satana. Henoy sady mianara amin'ny alaln'izao fampianarana avy amin'ny Baiboly izao. Jereo ao amin'ny sary manaraka rehefa maheno izao feo (FAMANTARANA) izao ianao.

Sary Faha 13: Gideona Sy Ilay Anjelin'Andriamanitra

Sary Faha 13: Gideona Sy Ilay Anjelin'Andriamanitra

Mpitsara 6:1-24

Ny olon'ny Isiraely dia tsy nankatoa an'Andriamanitra indray ary nano zava-dratsy. Noho izany dia navelan'Andriamanitra ireo Mediana hanjaka eo aminy mandritra ny fito taona. Ireo Mediana dia nanimba ny vokatry ny Isiraely rehetra. Avy eo ny Isiraely nitaraina tamin'Andriamanitra mba hamonjy azy ireo. Indray andro nisy lehilahy iray natao hoe Gideona nively vary teo anilan'ny famiazam-boaloboka. Nafeniny ny Mediana izany. Ny Anjelin'Andriamanitra niseho tamin'i Gideona ka nanao hoe,"Andriamanitra no momba anao, ry lehilahy mahery." Gideona namaly hoe, "Raha momba anay Andriamanitra, nahoana no ozoin'izao rehetra izao izahay?" Fa Andriamanitra dia nampahery an'i Gideona, "Mandehana amin'izao herinao izao, ka vonjeo ny Isiraely amin'ny tanan'ny Mediana; tsy efa naniraka anao va Aho?" Gideona nahafantatra fa malemy sy tsinotsinona tokoa izy. Fa ilay Anjelin'Andriamanitra koa dia nilaza taminy hoe, "Homba anao tokoa Aho ary handresy ny Mediana ianao." Gideona dia nanome sakafo ho an'ilay Anjely. Ka notendren'ilay Anjely tamin'ny tehiny ny sakafo. Ka nisy afo nivoaka ka nandoro izany ary ilay Anjely dia niala teo amasony niaraka tamin'izany. Gideona dia nahafantatra avy eo fa Andriamanitra no niteny taminy. Andriamanitra dia nampanantena ny mpanompony fa homba azy mandrakariva Izy, ary Izy dia mahery mba hanampy antsika hanao ny sitra-pony, eny fa na dia miheritreritra azaisika fa tena malemy tokoa.

Sary Faha 14: Gideona Namotika Ireo Fanompoan-Tsampy

Sary Faha 14: Gideona Namotika Ireo Fanompoan-Tsampy

Mpitsara 6:25-32

Ny fianankavian'i Gideona dia nanompo ireo sampin'i Kananita. Io sampy io dia nantsoina hoe Bala sy Aseraha. Hoy Andriamanitra tamin'i Gideona, "Ravao ny alitaran'i Bala, izay an'ny rainao ary kapao ny Aseraha eo anilany. Ary manorena alitara ho an'Andriamanitra." Gideona dia natahotra ireo olona,fa kosa izy nankatoa an'Andriamanitra, ka tamin'izany alina izany dia naka folo lahy izy ary dia nandrava ny sampy izy ireo. Tezitra ny olona ary nitady hamono an'i Gideona, fa ny rainy niteraka azy kosa niaro azy ary hoy izy hoe, "Raha tena andriamanitra ny sampy dia aoka izy handahatra ho an'ny tenany." Saingy tsy nisy zavatra nitranga anefa. Ry namako, Andriamanitra dia lehibe noho ny sampy vita amin'ny hazo, na vato na zavatra hafa. Andeha isika hatahotra sy hankatoa ilay Andriamanitra velona izay tokana sady marina.

Sary Faha 15: Ny Miaramilan'I Gideona Nisotro Ny Rano

Sary Faha 15: Ny Miaramilan'I Gideona Nisotro Ny Rano

Mpitsara 7:16-25

Ireo Mediana dia nivory mba hiady amin'ny Isiraely. Gideona koa dia nampivory miaramila avy amin'ny Isiraely. Kanefa hoy Andriamanitra tamin'i Gideona, "Maro loara ny vahoaka eo aminao...na iza na iza no matahotra sy mangovitra, aoka izy hiverina." Maro tamin'ireo miaramilan'i Gideona no nandeha nody. Andriamanitra dia niteny tamin'i Gideona indray nanao hoe, "Mbola maro ihany ny olona. Koa ampidino ho amin'ny rano izy, ary no hizahako toetra azy ho anao." Ary dia nampidinin'i Gideona ho eo amin'ny rano ny olona mba hisotro. Maro tamin'izy ireo no nandohalika ka nisotro ny rano. Ary 300 lahy fotsiny no nileleka rano teo amin'ny tanany tahaka ny amboa. Ary hoy Andriamanitra, "Ny 300 lahy izay nilelaka rano no hamonjeko anareo ka hanolorako ny Midiana eo an-tananao."

Sary Faha 16: Ny Lehilahin'I Gideona Nanodidina Ny Tobin'I Mediana

Sary Faha 16: Ny Lehilahin'I Gideona Nanodidina Ny Tobin'I Mediana

Mpitsara 7:16-25

Lehibe tokoa ny tafiky ny Mediana ary tahaka ny andiam-balala eo amin'ny tany no fijery azy.(7:12) Tsy hita isa ny ramevany rehefa nitoby teo an-dohasaha izy ireo. Gideona dia tsy nanana afatsy 300 lahy, Kanefa Andriamanitra dia nilaza taminy amin'izay tokony hatao. Gideona dia nanome anjomara sy siny tsy nisy rano fa fanilo tao anatiny ho an'ny tsirairay avy.

Nanodidina ny tobin'ny Mediana izy ireo tamin'ny sasakalina. Dia niaraka nitsoka ny anjomarany izy rehetra, nively ny siny ary niantso mafy hoe izy: "Ny sabatr'Andriamanitra sy Gideona!"(7:20). Ireo Mediana dia natahotra ny amin'ny ainy ka nanomboka nifamono izy ireo. Ireo Mediana dia nandositra ireo lehilahin'i Gideona. Gideona dia nandefa hiraka mba hiantso ny ambiny tamin'ireo lehilahy mpiadin'ny Isiraely. Nanenjika ireo Mediana izy ireo ary namono maro tamin'izy ireo. Ry namako, mety malemy angamba isika kanefa raha mahatoky sy mankatoa an'Andriamanitra isika, dia hanampy antsika Izy handresy ilay satana fahavalo be.

Sary Faha 17: Samsona Namono Ilay Liona

Sary Faha 17: Samsona Namono Ilay Liona

Mpitsara 13:1 - 14:19

Taorian'ny nafatesan'i Gideona dia niodina indray tamin'Andriamanitra ny Isiraely. Noho izany dia navelan'Andriamanitra nofaizin'ireo Filistina izy. Avy eo Andriamanitra dia nandefa mpitondra ary nanome azy hery hamonjy an'ny Isiraely. Ny anarany dia Samsona. Rehefa tonga tao amin'i Samsona ny fanahin'Andriamanitra, dia tonga natanjaka ara-batana izy. Samsona dia tia vehivavy iray Filistina, ka hoy izy tamin-drainy, "Izy ihany no alao ho ahy, fa izy no mahafinaritra ahy."(14:3) Raha nandeha tany amin'ny tranon-dravehivavy i Samsona, dia nisy liona nanafika azy. Tena natanjaka be tokoa i Samsona, ka matiny tamin'ny tanany ilay liona. Novadiany ilay vehivavy Filistina, saingy tsy nanaja azy ravehivavy. Vokatry ny fahatezeran'i Samsona dia namono Filistina 30 izy. Ry namako, ny mpanompon'Andriamanitra dia tokony hanambady olona efa mino an'Andriamanitra sy maniky ny hankato an'Andriamanitra ary mitandrina ny didiny.

Sary Faha 18: Samsona Sy Ireo Amboahaolo Teny An-Tanimbary

Sary Faha 18: Samsona Sy Ireo Amboahaolo Teny An-Tanimbary

Mpitsara 15:1-17

Taty aorina kely Samsona dia niverina tany Filistina mba hitsidika ny vadiny, saingy ny rain-davehivavy dia efa nanome azy olon-kafa. Ka hoy Samsona nano hoe, "Tsy hanan-tsiny aho izao, na dia hanisy ratsy ny Filistina aza." Dia nandeha nivoaka izy ary nisambotra amboahaolo 300 ary nampifanendreny ny rambony tsiroaroa avy. Ka nafehiny teo anelanelan'ny rambony ilay hatao fanilo ary dia nalefany ho any amin'ny varin'ny Filistina ireny .

Tapitra may avokoa ny vokatr'izy ireo. Ireo Filistina dia nankahala an'i Samsona, ary nandeha tany Joda izy ireo mba hambabo azy. Ireo Isiraelita tany Joda namatotra an'i Samsona ary nanolotra azy teo amin'ireo Filistina. Ary avy eo ny Fanahin'Andriamanitra nilatsaka teo amin'i Samsona ka feno hery izy. Ka dia afaka avokoa ireo fatorany. Dia naka valanoranom-boriky izy ary namono 1000 lahy.

Sary Faha 19: Ireo Filistina Nanapaka Ny Volon'I Samsona

Sary Faha 19: Ireo Filistina Nanapaka Ny Volon'I Samsona

Mpitsara 16:4-22

Samsona dia tsy mbola nanapaka ny volony mihitsy. Ny volony lava no porofo fa avy amin'Andriamanitra izy, izay nampatanjaka azy. Samsona dia tia vehivavy Filistina iray indray. Ny anarany dia Delila. Nataon-dravehivavy izay fomba nahalalana ny zavamiafina ny amin'ny hery lehiben'i Samsona. Ary tamin'ny farany dia nolazainy tamin-dravehivavy nanao hoe, "Andriamanitra dia nilaza tamin'ny ray aman- dreniko mba hanokana ahy ho amin'ny fanompona an'Andriamanitra. Raha haratana ny voloko, dia hiala amiko ny heriko." Indray alina, rehefa natory i Samsona, dia niantso ireo Filistina i Dalila. Notapahan'izy ireo ny volony. Ary niala tamin'i Samsona Andriamanitra, ary tsy nanan-kery intsony Samsona. Ireo Filistina dia namatotra an'i Samsona, ary napotsak'izy ireo ny masony ary nataony niasa tao am- ponja izy. Tao aoriana kely anefa dia nanomboka naniry indray ny volony.

Sary Faha 20: Samsona Namotika Ireo Filistina

Sary Faha 20: Samsona Namotika Ireo Filistina

Mpitsara 16:23-31

Teny faly tokoa ireo Filistina rehefa tao am-ponja i Samsona ary ny mpitarika an'izy ireo dia nanao fanatitra ho an'ny andriamaniny. Nalain'izy ireo nivoaka ny fonja i Samsona jamba mba hanao fampisehona ho azy ireo. Nisy olona maro be tokoa teo amin'ny tempoly ary teo an-tampotrano koa nisy olona 3000. Avy eo dia nataon'izy ireo fimehezana izy. Ary hoy Samsona tamin'ny zatovo izay nitantana azy: "avelao kely aho hitsapa ny andry izay manohana ny trano, hiankinako aminy." Samsona dia nivavaka tamin'Andriamanitra nanao hoe, "Tsarovy aho, ka ampaherezo izao indray mandeha izao monja." Dia natosiky Samsona tamin'ny heriny manontolo tamin'ny tanany roa ireo andry ary dia nirodana teo ambonin'izy rehetra ny tempoly. Samsona sy ireo Filistina tao amin'ny tempoly dia maty tao daholo. Andriamanitra dia nanome an'i Samsona fandresena teo amin'ny Filistina. Ary ny maty izay novonoiny teo amin'ny nahafatesany no be lavitra noho izay novonoiny tamin'ny andro niainany. Ry namako, tsy misy afatsy ny herin'Andriamanitra ihany no handresentsika an'i satana. Izany hery izany dia ho azontsika amin'ny fotoana izay hanarahantsika an'Andriamnitra sy hanompoantsika Azy.

Sary Faha 21: Jesosy Namoaka Ireo Fanahy Ratsy

Sary Faha 21: Jesosy Namoaka Ireo Fanahy Ratsy

Lioka 8:26-39

Taona maro taty aorian'i Gideona sy Samsona,dia niaina tao amin'ny tanin'i Isiraely Jesosy.

Indray andro dia nifanena tamin'ny lehilahy iray izay nanana demonia. Ilay lehilahy niankohoka teo anoloan'i Jesosy ary nano hoe, "Moa mifaninona akory izaho sy hianao ry Jesosy, zanak'Andriamanitra avo indrindra o?" Ireo fanahy ratsy ireo nahafantatra fa Jesosy dia zanak'Andriamanitra. Jesosy dia nandidy ny fanahy maloto hivoaka tamin-dralehilahy. Ireo fanahy ratsy dia niditra tao anaty kisoa. Ary ireo kisoa dia nitratrevatreva tamin'ny hantsana ho any amin'ny farihy, ka dia maty tany. Ireo olona dia nanomboka nahita fa Jesosy dia nana hery ambonin'i satana sy ireo fanahy ratsy. Eny fa na dia ny fanahy aza manaiky Azy. Ny tenin'Andriamnitra(Ny Baiboly) dia mampianatra antsika fa Jesosy dia efa nahazo ny hery rehetra avy any an'danitra sy ety an-tany. Manana hery Izy handroaka demonia. Ny fanahy ratsy dia manana hery lehibe, fa kosa izy ireo dia afaka roahina amin'ny anaran'i Jesosy sy ny herin'ny Fanahy Masina.

Sary Faha 22: Jesosy Nandroaka Ireo Lehilahy Ratsy Fanahy

Sary Faha 22: Jesosy Nandroaka Ireo Lehilahy Ratsy Fanahy

Lioka 19:45-48, 20:1-2

Indray andro Jesosy dia nandeha tao amin'ny tempolin'Andriamanitra tao Jerosalema. Ireo olona dia nahatonga ny tranon'Andriamanitra ho lasa toeram-pivarotana biby fanao fanatitra. Nanangom-bola hoa azy ireo izy ireo tamin'ny alalan'ny famitahana ny sasany. Jesosy dia nandroaka ireo mpivarotra sy ireo biby. Nambarany azy ireo ny tenin'Andriamanitra manao hoe, "Efa voasoratra hoe ny ny tranoko dia trano fivavahana, fa hianareo kosa nanao azy ho zohy fieren'ny jiolahy." Isanandro Jesosy dia nampianatra tao amin'ny tranon'Andriamanitra. Saingy ny sasany tamin'ireo mpitarika jiosy dia nitady hevitra mba hamonoana an'i Jesosy. Indray andro dia nanotany an'i Jesosy izy ireo: Fahefana manao ahoana no anaovanao izao zavatra izao?

Sary Faha 23: Jesosy Dia Velona Taorian'Ny Nahafatesany

Sary Faha 23: Jesosy Dia Velona Taorian'Ny Nahafatesany

Matio 28:16-20

Ireo mpitarika Jiosy izay fahavalon'i Jesosy, no nampiasa olonkafa mba hamono an'i Jesosy. Jesosy dia nohomboana amin'ny hazo fijaliana. Ary maty teo Izy. Fa tamin'ny andro faha telo dia nanagana Azy tamin'ny maty Andriamanitra. Andriamanitra dia nanome an'i Jesosy hery handresy ny fahafatesana. Tsy mety maty intsony Izy. Ny fitsanganany tamin'ny maty dia profo manambara fa zanak'Andriamanitra Izy. Hoy Jesosy tamin'ireo mpanaraka Azy, "Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an- tany, koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra...mampianara azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary indro Izaho momba anareo mandrakariva."

Jesosy naharesy ny ota sy ny fahafatesana. Ho an'izay rehetra manaraka an'i Jesosy, Andriamanitra dia manome ny Fanahy Masiny mba hanampy azy ireo hitia an'Andriamanitra ary hankatoa ny teniny. Andeha isika hitia sy hankatoa an'i Jesosy Kristy. Dia hiaina ao amintsika Izy. Ny fiainan'i Jesosy dia Fiaianam-baovao avy amin'Andriamanitra. Izany fiainana izany dia maharitra mandrakizay, eny fa na dia maty aza ny nofontsika. Izany no vaovao mahafaly izay tokony ho ren'ny olona rehetra.

Sary Faha 24: Ny Miaramilan'Andriamanitra

Sary Faha 24: Ny Miaramilan'Andriamanitra

Efesiana 6:10-18

Jesosy nandresy ny satana, ary Izy dia manome antsika hery mba hitsangana hanohitra an'i satana sy ny asa ratsiny. Tsy afaka manao izany anefa isika raha tsy vonona hiady, tahaka ny miaramila eo amin'ny sary. Efa vonona izy ho amin'ny ady. Voalohany indrindra dia tsy maintsy milaza ny amin'ny fahamarinan'Andriamanitra isika ary miaina araka izany. Mila ataontsika tahaka ny fehikibo izany ka hanaovantsika na aiza na aiza alehantsika. Mila mitia ny hafa isika ary manao izay rariny eo anatrehan'Andriamanitra. Ny zavatra tsara izay heritreretintsika sy tenenintsika ary ataontsika dia miaro antsika tahaka ny vy fiarovan-tratra amin'ny asa ratsy sy teny ratsy. Mila vonona isika mba hanambara ny hafa ny vaovao mahafaly izay fiadanana ao amin'i Jesosy. Izany tahaka ny miaramila mikiraro sy vonona hiady. Izany dia manmpy antsika hijoro tsara hanohitra an'i satana ary miaro ny tongontsika tsy ho solafaka handeha amin'ny lalan-dratsiny. Mila isika mino fa Jesosy dia efa maty mba hanafaka antsika sy ny olon- drehetra ho afaka amin'ny herin'ny satana sy ny fahotana. Izany no ampinga hiaro antsika amin'ny satana. Satana dia mitady haka fanahy antsika mba hanota. Izy dia te hamotika antsika. Ny tenin'Andriamanitra dia mampianatra antsika fa Jesosy dia efa namonjy ny mpino rehetra ho afaka amin'ny fanamelohana vokatry ny ota. Ary ny mpino dia efa afaka tamin'ny fahafatesana mba ho amin'ny fiainana mandrakizay. Ny fahafantarana izany dia miarao ny sain'ny mpino mba tsy ho amin'ny ahiahy, tahaka ny fiarovan- dohan'ny miaramila. Ny tenin'Andriamanitra dia sabatry ny Fanahy Masina, io no fahamarinan'Andriamanitra. Ny mpino rehetra dia mila mampiasa ny tenin'Andriamanitra(Ny Baiboly) mba hanapotehina ny laingan'i satana. Araka izany dia mila mivavaka amin'Andriamanitra isika, miheno ny valim-bavany sy mankato ny didiny. Ary dia hahanana anjara ny amin'ny fandresen'Andriamanitra ny satana, sy ny fahotana ary ny fhafatesana mandrakizay isika.

معلومات ذات صلة

تحميلات مجانية - هنا يمكنك أن تجد نصوص رسائل GRN الرئيسية فى عدة لغات، بالإضافة إلى صور ومواد أخرى مرتبطة، متوفرة للتحميل.

"أنظر، إسمع وأحيا" صوتمرئي - مجموعة ذات ثمانية أنظمة، لكل نظام ٢٤ صورة ممتازة للبشارة والتعاليم المسيحية. تقدم هذه السلسلة دراسات فى شخصيات العهد القديم، حياة يسوع المسيح والكنيسة الشابة.

كيف تستخدم المواد الصوتمرئية فى GRN - الجزء١: مشاركة الإنجيل اصبحت سهلة - الموضوع يعطى مقدمة عن كم الطرق المختلفة لاستخدام موارد GRN السمعية والبصرية فى الخدمة.

كيف تستخدم موارد GRN الصوتمرئية - الجزء٢: الدخول الى العمق - يقدم هذا الموضوع المزيد من الشرح عن كيفية تعلم الناس من القصص، ولماذا لا تحتوى القصص على تعليقات كثيرة.

مكتبة GRN الصوتية - المواد التبشيرية و التعليمية للكتاب المقدس الملائمة لإحتياجات الناس و ثقافاتهم متاحة فى أشكال و أنماط عديدة.

Copyright and Licensing - GRN shares it's audio, video and written scripts under Creative Commons

Creating DVDs using the GRN Slide show Videos - How to burn DVDs for specific people groups you are trying to reach

Choosing the right audio or video format - What audio and video file formats are available from GRN, and which one is best to use?