Good News

Good News

Samenvatting: Short Bible stories from Genesis through the ascension. How to become a follower of Jesus. 40 sections. It has a picture book to go along with the recording.

Scriptnummer: 395

Taal: Malagasy Merina

Thema: Sin and Satan (Temptation, Deliverance, Light/Darkness, Sin, disobedience, Satan (the devil)); Christ (Jesus, Our Substitute, Resurrection of Jesus, Son of God, Saviour of Sinful Men, Birth of Christ, Ascension, Sacrifice / Atonement, Death of Christ, Life of Christ); Eternal life (Salvation, Eternal / everlasting life, Broad & Narrow Ways); Character of God (Love of God, Holy Spirit, Grace and Mercy, Nature, character of God, Word of God (the Bible), Power of God / Jesus); Living as a Christian (Fruit of the Spirit, Prayer, petition, New Nature, Worship, Witnessing, Church, Christianity, Second Birth, Obedience, No other gods, idols, Peace with God, Leaving old way, begin new way, Forgiveness, Faith, trust, believe in Jesus, Peace (between men), Children of God, Family, relationships, Spiritual Life, Christian values); Life event (Death); Bible timeline (Creation, Law of God, End Time, Second Coming, Gospel, Good News, People of God); Problems (Materialism, Evil Spirits, demons, Fear, Problems, troubles, worries)

Gehoor: General

Stijl: Monolog

Genre: Bible Stories & Teac

Doel: Evangelism

Bijbelse verwijzing: Extensive

Toestand: Publishable

Tekst van het script

Teny Fampidirana

Teny Fampidirana

Miarahaba anareo ry namako. Andeha mba hieno an'ity Filazantsara ity. Jereo ny sary ao amin'ny boky ary henoy tsara. Isaky ny maheno feo famantarana tahaka izao hianao, dia jereo ny sary manaraka ao amin'ny boky an-tsary.

Sary 1: Mialohan'Izao Tontolo Izao

Sary 1: Mialohan'Izao Tontolo Izao

Tany am-piandohan'ny fotoana dia tsy nisy afatsy Andriamanitra irery ihany. Andriamanitra nanao izao tontolo izao ary nandidy ny fahazavana mba hazava satria ny zavatra rehetra dia maizina. Araka izay hitanao eto amin'ny sary, dia nampisaraka ny rano ambanin'ny habakabaka tamin'ny rano ambonin'ny
habakabaka. Ny rano tety ambany dia ny ranomamy sy ny ranomasina, ary ny rano eny ambony dia izay hitantsika eny amin'ny rahona. Andriamanitra nanao ny masoandro mba hanapaka ny andro, ary ny volana mba hanapaka ny alina. Tsara Andriamanitra. Nataony ny zavatra rehetra mba hanapaka ny zavatra rehetra.

Sary Faha 2: Miteny Andriamanitra

Sary Faha 2: Miteny Andriamanitra

Ny boky eo amin'ity sary ity dia antsoina hoe Ny Baiboly. Izany dia tenin'Andriamanitra ary manambara amin-tsika ny momba an'Andriamanitra sy ny lalany. Andriamanitra dia tena tia ny olona rehetra tokoa. Isika dia te hanao zavatra araka izay tiantsika ary izany no mampisaraka antsika amin'Andriamanitra. Ny Baiboly dia mampiseo ny lalana tokana mba hiraisantsika amin'Andriamanitra. Ireto fampianarana (marina) izay hohenoinao ireto dia avy ao amin'ny Baiboly daholo.

Sary Faha 3: Izao Tontolo Izao

Sary Faha 3: Izao Tontolo Izao

Andriamanitra, tamin'ny alalan'ny teniny, nanao ny zavatra rehetra ho tsara. Izy no nanao ny tany sy ny tendrombohitra; ny ranomasina ary ny ranomamy koa. Ary avy eo Izy namorona ny zava-mananaina rehetra, ny trondro tao anaty rano, ny vorona teny ambony hazo ary ny biby rehetra. Andriamanitra dia afa-po tamin'ny zavatra nataony, fa tsara izany.

Sary Faha 4: Adama Sy Eva

Sary Faha 4: Adama Sy Eva

Andriamanitra avy eo nanao ny lehilahy voalohany nantsoina hoe Adama, ary ny vehivavy voalohany natsoina hoe Eva. Nomeny fahefana izy ireo mba hikarakara ny zavatra rehetra izay nataony teto ambonin'ny tany.
Izy ireo dia naman'Andriamanitra ary niresaka taminy teo an-tsaha izay nitoerany. Andriamanitra dia nanome alalana azy ireo mba hihinana ny voa rehetra, afatsy ny avy amin'ny hazo manokana iray. Eo amin'ny sary ankavia dia hitanao izy ireo tsy mankato an'Andriamanitra ka mihinana ny voa izay voarara. Nanota izy ireo ary ny fifandraisany tamin'Andriamanitra dia potika. Eo amin'ny sary ankavanana dia mampiseho ny fomba namaizan'Andriamanitra an'i Adama sy Eva tamin'ny alalan'ny fandroahana azy tany ivelan'ny saha. Nanomboka tamin'izay fotoana izay ny olona dia voatery niasa mafy mba hahazoana sakafo mba hohanina, ary nahatsapa koa fangirifirina, sy haretina ary fahafatesana.

Sary Faha 5: Kaina Sy Abela

Sary Faha 5: Kaina Sy Abela

Adama sy Eva dia nanana zanaka roalahy nantsoina hoe Kaina sy Abela. Kaina dia nialona an'i Abela ary indray andro dia novonoiny Abela. Andriamanitra nanafay an'i Kaina tamin'ny fahotany tahaka ny namaizany an'i Adama sy Eva. Isika dia taranaky Adama sy Eva ary samy efa nanota daholo isika rehetra. Ny fahotana dia mampisaraka antsika amin'Andriamanitra. Mila faizina isika nohon'ny fahotantsika.

Sary Faha 6: Ny Sambo-Fiaran'I Noa

Sary Faha 6: Ny Sambo-Fiaran'I Noa

Taona maro be no efa lasa, ary maro be ireo taranaky Adama. Ireo olona ireo koa dia nanota sy tsy nankato an'Andriamanitra. Ny fahotan'ny olona dia nialehibe ka nanapa-kevitra Andriamanitra mba hamotika azy ireo amin'ny alalan'ny safo-drano lehibe. Tsy nisy olona afatsy iray ihany no nitia sy nankato an'Andriamanitra. Ny anarany dia Noa. Andriamanitra dia nilaza tamin'i Noa mba hanao sambo iray lehibe izay mba hahafahany sy ny fianankaviany ho voavonjy. Noa dia nitory ny amin'ny fahamarinan'Andriamanitra nandritra ny taona nanorenany ilay sambo. Ireo olona dia tsy nety nino ny fampitandreman'Andriamanitra mba hiodina amin'ny lalan-dratsiny ka mba ho voavonjy amin'ny safo-drano.

Sary Faha 7: Ny Safo-Drano

Sary Faha 7: Ny Safo-Drano

Noa dia nametraka karazam-borona sy biby rehetra tao anaty sambo araka izay nandidian'Andriamanitra mba hataony.
Avy eo Noa sy ny vadiny ary ny zanany lahy telo niaraka tamin'ny vadiny avy nankao anatin'ny sambo koa. Andriamanitra nanakatona ny varavarana. Nandefa oram-be sy rano avy any ambanin'ny tany Izy izay nanafotra ny tany.
Efa tara loatra tamin'izany ho an'izay mba te ho voavonjy. Noa sy ny fianankaviany tao anatin'ny sambo dia tsy nisy naninona, fa ny olona rehetra tany ivelan'ny sambo dia rendrika avokoa.
Noa dia voavonjy satria nino an'Andriamanitra no sady nankato Azy izy.

Sary Faha 8: Abrahama, Saraha, Isaka

Sary Faha 8: Abrahama, Saraha, Isaka

Taona maro no efa lasa ary ny taranaky Noa dia tonga foko maro.
Abrahama dia lehilahy iray izay nitia sy nankato an'Andriamanitra. Andriamanitra dia nanome toky an'i Abrahama fa ny taranany dia ho tonga firenena lehibe.
Abrahama sy Saraha vadiny dia tsy nanan-janaka, fa Abrahama kosa nino ny faneken'Andriamanbitra. Ity sary ity mampiseho fa nanan-janaka izy ireo rehefa tena antitra tokoa ary izy dia nantsoiny hoe Isaka. Ny Tompo Jesosy Kristy izay tonga mba hamonjy izao tontolo izao, dia taranaka avy amin'i Abrahama sy Isaka. Holazanay aminao ny momba an'i Jesosy aoriana kely ao.

Sary Faha 9: Mosesy Sy Ny Didin'Andriamanitra

Sary Faha 9: Mosesy Sy Ny Didin'Andriamanitra

NY taranaky Abrahama dia tonga firenena lehibe nantsoina hoe Israely. Mosesy dia taranaky Abrahama ihany koa. Mosesy ihany koa nitia sy nankato an'Andriamanitra. Indray andro, Andriamanitra dia niantso an'i Mosesy tany an-tendrombohitra ary tany no nanomezan'Andriamanitra azy ny didiny mba hampianarina ny olona. Ity sary ity dia mampiseho an'i Mosesy midina avy any an-tendrombohitra, izay miaraka amin'ny didin'Andriamanitra, izay voasoratra amin'ny takelabato.

Sary Faha 10: Ny Didy Folo

Sary Faha 10: Ny Didy Folo

Ireto avy ireo didin'Andriamanitra izay nomeny an'i Mosesy. Izany dia mampiantra an-tsika mba hitia sy hankato Ilay Andriamanitra tokana sady marina. Eo amin'ny voalohan'ny (Eo amin'ny sary izay eo amin'ny tampony an-kavanana) dia mahita isika fa tsy tokony hanompo sampy na sarin-javatra voasikotra izay toy ny endrika biby na zavatra hafa. Tsy maintsy manompo Ilay tokana(Mpanao izao tontolo izao) sy Andriamanitra velona isika. (Eo amin'ny sary manaraka) ny raim-pianankaviana sy ny reny sy ny zanaka rehetra dia miara-manompo amin'Andriamanitra. Ny olona rehetra dia tokony hanokana andro iray isa-kerin'andro mba hanompoina ny Tompo. (Ny manaraka) ny zanaka dia tsy maintsy mankato sy manome voninahitra ny ray aman-dreny. (Eo amin'ny sary izay eo amin'ny farany ambany amin'ny an-kavia) ny didin'Andriamanitra manao hoe: Aza mamono olona; (manaraka) Aza mijangajanga. (Ny sary farany) dia aza mangalatra (na maka ny zavatra izay tsy an-tsika) na mamgalatra ny zavatra tsaran'ny olona. Andriamanitra dia tian-tsika mba hitazona ny didiny.

Sary Faha 11: Sorona Ho An'Ny Fahotana

Sary Faha 11: Sorona Ho An'Ny Fahotana

Rehefa manota ny olona (amin'ny alalan'ny fandikana ny didin'Andriamanitra), dia mila izy manao sorona zanak'ondry ho an'Andriamanitra. Ny zanak'ondry dia maty mba hisolo toerana ilay mpanota.
Ny zanak'ondry dia famantarana ny Zanak'Andriamanitra, dia Ny Tompo Jesosy kristy. Jesosy dia tonga mba ho faty izay soron'Andriamanitra ho an'ny olona rehetra eto amin'izao tontolo izao. Izy dia maty noho ny amin-tsika. Izy dia "Zanak'Ondrin'Andriamanitra izay nitondra ny fahotan'izao tontolo izao." Jesosy dia tonga sorona ho an'ny fahotantsika izay tamin'ny nahafatesany teo amin'ny hazo fijaliana. Minoa an'i Jesosy Kristy, ambarao aminy ny fahotanao, ka mibeba (mihodina amin'ny fahotana) ary Andriamanitra dia hamela heloka anao.

Sary Faha 12: Ny Anjely, Maria Ary Josefa

Sary Faha 12: Ny Anjely, Maria Ary Josefa

Ankehitriny, andeha henointsika ny fomba nahaterahan'i Jesosy Kristy. Fotoana maro lasa izay, Andriamanitra dia nampanantena mba handefa Ny Mpamonjy (Olona mba hamonjy an-tsika amin'ny fahotantsika). (Eo amin'ny sary an-kavia) Mahita hianao anjely izay avy any an-danitra mba ho eo amin'ilay tovovavy atao hoe Maria. Maria dia virijiny izay nanaiky ho fofom-badin'i Josefa. Ilay anjely dia nilaza tamin-dravehivavy fa ny Fanahin'Andriamanitra dia ho tonga eo aminy ka hanjary hito-jaza izy. Ny anaran'ilay zaza dia hantsoina hoe Jesosy, ny zanak'Andriamanitra. (Araka izay hitanao eo amin'ny sary an-kavanana) Ilay anjely ihany koa dia nitranga tamin'i Josefa tamin'ny alalan'ny nofy.
Hoy izy tamin'i Josefa, "Aza matahotra ny hampakatra an'i Maria ho vadinao. Izy dia mitoe-jaza tamin'ny alalan'ny herin'ny Fanahy Masin'Andriamanitra. Ny anaran'ny zaza dia atao hoe Jesosy (izay midika hoe Mpamonjy). Izy dia hamonjy ny olona amin'ny fahotany."
Josefa dia nankato an'Andriamanitra (ary tsy nandry tamin'i Maria izy raha tsy taorian'ny nahateran'ny zaza.)

Sary Faha 13: Ny Nahaterahan'I Jesosy

Sary Faha 13: Ny Nahaterahan'I Jesosy

Josefa sy Maria dia voatery mba handeha tany Betlehema. Nohon'ny fahabetsahan'ny olona tao an-tanana, dia tsy nisy toerana ho azy ireo intsony tamin'ny alina. Voatery natory tao an-tranon'omby izy ireo ary tao Maria no niteraka an'i Jesosy. Maria dia mbola virijiny raha niteraka an'i Jesosy. Tamin'izany alina izany dia nisy anjely nitranga tamin'ireo lehilahy mpiandry ondry vitsivitsy raha mbola niandry ny ondriny teny akaiky teny izy ireo. Nambarany tamin'izy ireo ny fahaterahan'i Jesosy ao Betlehema. Ary nisy anjely maro nitranaga teny amin'ny lanitra izay nihira sy nidera an'Andriamanitra. Ireo lehilahy ireo dia nandeha nivantana avy hatrany mba hahita ny Mpamonjy Jesosy.

Sary Faha 14: Jesosy Mpampianatra

Sary Faha 14: Jesosy Mpampianatra

Eto amin'ny sary eo amin'ny an-kavia, dia mahita an'i Jesosy isika raha mbola 12 taona Izy. Izy dia miresaka ny momba an'Andriamanitra amin'ireo mpampianatra sy mpitondran'ny Isiraely, izay miheno sy mametram-panotaniana aminy. Gaga izy ireo ny amin'ny fahalalana lehibe izay ananany ny amin'Andriamanitra. Ny sary manaraka dia mampiseho an'i Jesosy rehefa tonga lehilahy lehibe nampianatra ny olona ny momba an'Andriamanitra. Maro ny olona nino ny fampianarany ary nankato Azy. Ny olona sasany dia tsy nety nino sy nanohitra Azy. Andriamanitra dia tiantsika mba hino sy hatoky ary hanaraka an'i Jesosy.

Sary Faha 15: Ny Asa Fahagagan'I Jesosy

Sary Faha 15: Ny Asa Fahagagan'I Jesosy

Ireto sary ireto dia mampiseho ny hery lehibean'Andriamanitra Ray izay nomeny an'i Jesosy mba hanaovany fahagagana. Eo amin'ny sary an-kavanana, Jesosy dia mikasika lehilahy iray izay efa jamba hatrany am-piterahana, sy tsy afaka nahita.
Ny sary eo afovoany dia mampiseho Azy manangana ilay zaza efa maty mba ho velona indray toy ny rainy sy ny reniny izay mijoro ka mijery azy.
Farany, dia hitantsika Jeosy mandeha eo ambony rano. Izy dia mandeha eo ambony rano mba ho any amin'ireo mpianany izay eo ambony sambo eny an-dranomasina. Ny Tompo Jesosy dia nanao fahagagana maro tahaka izao mba hampisehoana fa Izy dia Zanak'Andriamanitra. Ny herin'i Jesosy dia afaka mba hanampy an-tsika ihany koa.

Sary Faha 16: Jesosy Dia Nampijaliana

Sary Faha 16: Jesosy Dia Nampijaliana

Jesosy dia nanao zavatra mahasoa maro ary maro ny olona no nanaraka Azy. Jesosy dia mora fanahy. Nanasitrana ny marary sy nampianatra ny lalan'Andriamanitra Izy. Tonga Izy mba hamonjy ny very, ny mpanota. Na ahoana na ahoana, ny olona ratsy fanahy dia tsy tia an'i Jesosy rehefa nantsoiny hoe mpanota izy ireo. Ny mpitondra ny olona dia nialona an'i Jesosy. Tsy nino izy ireo fa Jesosy dia Zanak'Andriamanitra. Nosamborin'izy ireo Jesosy, nolazany lainga ny momba Azy, ary nokapohiny Izy. Nasiany satroka tsilo teo amin'ny lohany, ary nororany sy nakorainy Izy. Saingy Jesosy dia tsy nanohitra azy ireo. Fantany fa hahazo Azy izany. Navelany ny olon-dratsy mba handratra sy hamono Azy. Izy dia tonga mba ho faty ho soron'Andriamanitra mba hanesorana ny famaizana ny amin'ny fahotan'ny olona.

Sary Faha 17: Jesosy Dia Novonoina

Sary Faha 17: Jesosy Dia Novonoina

Ny Tompo Jesosy avy eo dia nofantsihina teo amin'ny hazo fijaliana. Ny hazo fijaliana dia nitsatoka nahitsy tamin'ny tany ary Jesosy dia niantona teo mandra-pahafatiny. Nisy olona meloka roa ihany koa nomboana niaraka tamin'i Jesosy. Tamin'izany andro izany dia fomba mahatsiravina toy izany no hamonoana ny olona meloka. Saingy Jesosy dia mbola tsy nanao zavatra ratsy. Izy dia tonga ho sorona mba ho vidin'ny fahotan'ny olona rehetra. Isika rehetra dia efa nanota avokoa ary tokony ho faty nohon'ny amin'ny otan-tsika isika. Jesosy no nahazo ny famaizana izay tokony ho antsika rehetra. Raha manaiky hianao fa mpanota isika ary miodina tanteraka amin'ny fahotantsika, Andriamanitra dia hamela heloka sy hanadio an-tsika amin'ny fahotana. Minoa an'i Jesosy Kristy dia hovonjena hianao.

Sary Faha 18: Ny Fitsanganana Amin'Ny Maty

Sary Faha 18: Ny Fitsanganana Amin'Ny Maty

Ny fahavalon'i Jesosy dia nihevitra fa nopotehiny tanteraka Izy, nefa tsy izany no nitranga! Taorian'ny nahafatesan'i Jesosy teo amin'ny hazo fijaliana, dia nalevon'ireo namany teo amin'ny fasana iray ny faty. Nakaton'izy ireo ny varavaran'ny fasana tamin'ny alaln'ny vato lehibe. Lasa ny roa andro ary ny fahatelony Jesosy dia nitsangana tamin'ny maty. Raha nandeha teny amin'ny fasana ireo vehivavy, dia hitan'izy ireo fa ny vato dia voakodia ary Jesosy dia tsy tao intsony. Nisy anjely roa teo ary nilaza tamin'izy ireo fa Jesosy dia velona. "Tsy ato Izy, efa nitsangana Izy." hoy izy ireo. Rehefa nitsangana tamin'ny maty Jesosy dia noporofoiny fa Andriamanitra Izy. Jesosy dia mbola velona ankehitriny ary Izy dia mahery nohon'i satana sy ny fahafatesana.

Sary Faha 19: Mino Tomasy

Sary Faha 19: Mino Tomasy

Taorian'ny nitsanganan'i Jesosy tamin'ny maty, dia maro tamin'ireo mpianany no nahita Azy, sy nireska taminy ary niaranisakafo taminy. Tomasy, iray tamin'ireo mpianatry Jesosy dia tsy nety nino fa Jesosy dia tena nitsangana tamin'ny maty sy velona indray. Hoy izy nanao hoe, "Raha tsy hitako eo amin'ny tanany ny holatry ny nohomboana, ka ataoko eo amin'ny holatry ny nohomboana ny ratsan-tanako, dia tsy mba hino aho." Hitantsika eto amin'ny sary fa Jesosy dia tonga ary nampiseho an'i Tomasy ny holatry ny nohomboana. Tsy nanana ahiahy intsony Tomasy. Niankohoka teo anatrehan'i Jesosy izy ka nanao hoe, "Tompoko sy Andriamanitro!" Hoy Jesosy nanao hoe, "Sambatra izay tsy mahita Ahy nefa mino."

Sary Faha 20: Ny Fiakarana Any An-Danitra

Sary Faha 20: Ny Fiakarana Any An-Danitra

Nandritra ny 40 andro taorian'ny nitsanganan'i Jesosy tamin'ny maty, dia niseho matetika tamin'ny olona maro Izy. Maro ny olona nahita fa velona Izy.
Eto Jesosy dia efa vonona ny hiverina any amin'ny Rainy any an-danitra. Efa vitany ny asa izay nakanesany mba hatao. Jesosy nilaza tamin'ireo mpianany mba hanambara amin'ny olona rehetra ny filazantsara. Ireo mpianatra dia nijery an'i Jesosy raha nandao ny tany ka niakatra tany an-danitra Izy.
Nisy anjely roa niseho ka nilaza tamin'ireo mpianatra fa indray andro Jesosy dia hiverina avy any an-danitra ho ety an-tany tahaka ny nahitan'izy ireo Azy nandeha. Mandra-pahatongan'izany fotoana izany, dia mbola any an-danitra Jesosy. Izy dia manomana ny toerana ho an'izay rehetra mino sy manaraka Azy. Ahoana kosa ary ny aminao ankehitriny? Hino sy hanaraka an'i Jesosy ve hianao? Moa ve efa vonona hianao mba hihaona aminy?

Sary Faha 21: Ny Hazo Fijaliana

Sary Faha 21: Ny Hazo Fijaliana

Inona moa no antony nahatonga an'i Jesosy ho faty teo amin'ny hazo fijaliana? Jesosy dia maty mba hamonjy ny mpanota amin'ny famaizana ho amin'ny ota. Tadidio, fa ny ran'i Jesosy Kristy, Zanak'Andriamanitra, dia manadio antsika amin'ny fahotana rehetra. Jesosy dia mbola tsy nanota mihintsy, saingy maty izy mba hitondra ny fahotana izay mampisaraka antsika amin'Andriamanitra. Ny hazo fijaliana dia mampatsiahy antsika fa Jesosy Ilay Zanak'Ondrin'Andriamanitra izay tanteraka (masina, tsy nanota, madio)natao sorona ho antsika. Rehefa mino an'i Jesosy isika ka mibebaka, dia avelan'Andriamanitra ny fahotantsika. Jesosy dia manao antsika ho zanak'Andriamanitra indray. Ny sary manaraka dia hanampy anao mba hahazo tsara ny dikan'ny hoe mpino (Kristiana na mpanaradia an'i Jesosy).

Sary Faha 22: Ny Lalana Roa

Sary Faha 22: Ny Lalana Roa

Jesosy dia nampianatra fa misy lalana roa. Ny olona rehetra izay teraka dia eo amin'ny lalana malalaky ny fahotana izay mitondra ho amin'ny fahapotehana (afo sy ny helo). Isika rehetra dia manana fahotana voa-janahary izay nolovantsika tamin'i Adama. Jesosy dia tiantsika handeha eo amin'ny lalana ety izay mintondra ho eo amin'Andriamanitra any an-danitra. Raha misy olona eto amin'ity fiainana ity mino an'i Jesosy sy manaraka Azy, dia hahazo ny fiainana mandrakizay izy. Niodina tamin'ny lalana malalaka izy ary niditra ao amin'ny lalana ety izay mitondra ho any an-danitra. Tsy misy fitsarana ho amin'ny fahotana intsony ho an'ireo izay ao amin'ny lalana ety.
Tsy an-katerena: Raha manapa-kevitra hianao mba hanaraka an'i Jesosy, dia afaka mivavaka amin'Andriamanitra tahaka izao hianao: "Andriamanitra o, Tiako ny hanambara fa mpanota aho. Mino aho fa Jesosy dia maty teo amin'ny hazo fijaliana mba hitondra ny fahotako. Mamindra fo amiko ary diovy ny ato am-poko ka ataovy ho iray amin'ireo fianankavianao aho. Tiako ny hanaraka ny lalam-piainan'i Jesosy, ary aorian'ny fahafatesana dia hiaramiaina aminao any an- danitra. Misaotra Andriamanitra o."
Raha tena mino sy mivavaka amin'ny fonao tsotra tahaka izany hianao, dia hiditra ao amin'ny lalana ety izay lalan'ny fifaliana sy ny fiadanana miaraka amin'Andriamanitra.

Sary Faha 23: Ny Zanak'Andriamanitra

Sary Faha 23: Ny Zanak'Andriamanitra

Jesosy dia mandray ny olona avy amin'ny foko sy firenena ary fiteny samy hafa. Izy ireo dia nino Azy ary lasa zanak'Andriamanitra. Izy ireo dia eo amin'ny lalana ety izay mitondra any an-danitra. Ny olon'Andriamanitra dia tahaka ny fianakaviana iray, izy ireo dia iray ao amin'ny Tompo Jesosy.

Sary Faha 24: Nateraka Indray

Sary Faha 24: Nateraka Indray

Indray alina, nisy mpampianatra fivavahana nantsoina hoe Nikodemosy, tonga teo amin'i Jesosy mba hianatra ny momba an'Andriamanitra. Jesosy nilaza taminy fa izay rehetra maniry te ho fianakavian'Andriamanitra dia mila fiainana vaovao. Izay toy ny nateraka indray. Isika dia tsy manana hery hanova ny tenantsika. Ny Fanahy Masin'Andriamanitra dia manome antsika fiainana vaovao rehefa mino sy manaraka an'i Jesosy isika. Tonga olom-baovao isika, izay
zanak'Andriamanitra.

Sary Faha 25: Ny Fahatongavan'Ny Fanahy Masina

Sary Faha 25: Ny Fahatongavan'Ny Fanahy Masina

Ireo lehilahy ireo dia mpianatry Jesosy. Rehefa nampakarina tany an-danitra Jesosy, dia nampanatena Izy fa handefa ho an'izy ireo ny Fanahy Masina. Folo andro taorian'ny nandehanan'i Jesosy tany an-danitra, dia niaraka nivory tamin'ny toerana iray ireo mpianatra. Tamin'izay indrindra, ny Fanahy Masin'Andriamanitra tonga ka nameno azy rehetra araka izay efa nampanatenainy. Ireo olona ireo dia feno hery mba hiteny amin'ny fiteny samy hafa, ary mba hilaza amin'ny hafa ny zava-tsoa izay nataon'Andriamanitra tamin'izy ireo. Ny Fanahin'Andriamanitra dia mitoetra ao amin'ireo izay tena mino sy manaraka an'i Jesosy marina, ary manome azy ireo hery mba hitia sy hankato an'i Jesosy.

Sary Faha 26: Mandeha Eo Amin'Ny Hazavana

Sary Faha 26: Mandeha Eo Amin'Ny Hazavana

Mialohan'ny hinoan'ny olona iray an'i Jesosy, dia tahaka io lehilahy eo amin'ny sary an-kavia io izy, izay mandeha eo amin'ny maizina. Matetika dia lavo sy tafalatsaka ao amin'ny fahotana izy satria tsy manana fahazavana izy mba hitari-dalana azy. Rehefa matoky an'i Jesosy Tompo isika, dia tonga tahaka ny lehilahy iray izay mandeha eo amin'ny lalana mahitsy amin'ny andro mazava! Hoy Jesosy nanao hoe: "Izaho no fahazavan'izao tontolo izao. Raha misy manaraka Ahy, dia tsy handeha eo amin'ny maizina izy." Andriamanitra dia manome ny Fanahy Masina mba hanampy sy hampianatra ny mpino rehetra ny lalam-piainany.

Sary Faha 27: Fankatoavana Ny Tenin'Andriamanitra

Sary Faha 27: Fankatoavana Ny Tenin'Andriamanitra

Ny mpino iray (Kristiana, mpanaradia) ao amin'i Jesosy Kristy dia olom-baovao ary izy dia mankato ny tenin'Andriamanitra. Izy dia feno fisaorana fa Andriamanitra dia efa namela ny fahotany. Ny mpino dia tsy mijangajanga; Izy dia tsy miady ary tsy mifanditra, izy dia tsy mangalatra sy tsy manompo sampy na andriamani-kafa na fanahy hafa.
Ny Fanahy Masina dia manome hery ny mpino mba hiodina amin'ny zavatra ratsy ho amin'ny zavatra tsara.

Sary Faha 28: Ny Fianakaviana Kristiana

Sary Faha 28: Ny Fianakaviana Kristiana

Jereo ity fianakaviana ity izay mandeha eo amin'ny lalan'Andriamanitra. Ralehilahy dia tia ny vadiny ary ravehivavy dia manome voninahitra ny vadiny araka ny teny izay nandidian'Andriamanitra.
Izy ireo dia mifanampy sy mifankahery, ary mampianatra ireo zanany mba hitia an'Andriamanitra, sy mba hianatra avy amin'ny teniny ary hankatoa izany. Ny fianakaviana Kristiana dia natao mba hiaraka mivavaka sy miasa ho an'Andriamanitra.

Sary Faha 29: Tiavo Ireo Fahavalonao

Sary Faha 29: Tiavo Ireo Fahavalonao

Jesosy dia nampianatra ireo mpanaraka Azy mba hitia ny olona rehetra, eny fa na dia ny fahavalony aza. Isika dia tokony hanampy izay olona mila fanampiana, eny fa na dia olona avy amin'ny foko hafa aza. Jesosy dia nanambara tantara iray momba ilay lehilahy iray izay novonoin'ny mpangalatra sy nendahiny. Lehilahy iray izay avy amin'ny foko hafa no nahita ny ratra nahazo an'ilay mpivahiny. Nanampy sy nikarakara ny ratra mahatsiravina izay nahazo ilay lehilahy izy satria nila izany io lehilahy io. Tsy nitady valiny tamin'izany izy. Jesosy nilaza fa isika dia natao mba hanao zava-tsoa tahaka izany koa.

Sary Faha 30: Jesosy Ilay Tokana Mahery

Sary Faha 30: Jesosy Ilay Tokana Mahery

Ireo lehilahy ireo dia mandoro sampy sy ody. Izy ireo dia nino ireny mialohan'ny nahatonga an'izy ireo ho mpanaraka an'i Jesosy. Fa ny Kristiana mpino dia tsy maintsy manala ny zavatra rehetra izay avy amin'ny satana sy ireo fanahy ratsy. Ny Tompo dia mahery noho ny satana, ireo fanahy ratsy, sampy, ody. Isika mpino dia tsy hilaina matahotra an'i satana. Andriamanitra tokana ihany no tsy maintsy hangatahantsika mba hiaro an-tsika.

Sary Faha 31: Famoahana Fanahy Ratsy

Sary Faha 31: Famoahana Fanahy Ratsy

Eto amin'ity sary ity dia mahita isika lehilahy etoeran'ny fanahy ratsy maro. Tsy afaka nofatorana tamin'ny tady na rojo-vy izy satria ireo fanahy ratsy tao anatiny dia natanjaka be. Jesosy nandidy ireo fanahy ratsy mba hivoaka ao amin-dralehilahy, ka nivoaka izy ireo. Izy ireo dia natao mba hankato an'i Jesosy izay mahery lavitra nohon'ny satana sy ireo demoniny. Ilay lehilahy dia afaka tamin'ireo fanahy ratsy ary nandeha niteny tamin'ireo namany ny amin'y zavatra nataon'i Jesosy taminy. Jesosy dia mahery lavitra nohon'ny satana sy ireo fanahy ratsiny, ary izy rehetra ireny dia tsy maintsy mankato an'i Jesosy.
Tsy an-katerena: Raha toa hianao ka voahelingelin'ireo fanahy ratsy, dia mangata amin'ireo mpino hafa mba hivavaka miaraka ho anao. Mangataha amin'i Tompo mahery Jesosy Kristy mba hanala an'izy ireo.

(Raha toa hianao ka hitoeran'ny fanahy ratsy iray na maro, dia azonao atao no mangataka an'ireo mpino (Kristiana) mba hivavaka ho anao ary angataka amin'Andriamanitra amin'ny anaran'i Jesosy mba handroaka ireo fanahy ratsy, ary mba handidy azy ireo mba tsy hivery intsony.) Raha toa ka tianao sy hankatoavinao Jesosy, dia hitoetra ao amin-tsika Izy. Ny heriny dia miharo an-tsika ary satana dia tsy afaka hamely an-tsika.

Sary Faha 32: Fanarahana An'I Jesosy

Sary Faha 32: Fanarahana An'I Jesosy

Ity sary ity dia mampiseho mpino iray izay azom-panahy mba hijanona tsy hanaraka an'i Jesosy.
Satana dia tiantsika mba hanadino an'Andriamanitra ary mba hieritreritra ny amin'ny vola, fitafiana, sigara, zava-pisotro mahery ary ireo zavatra maro samy hafa. Satana dia milaza amin-tsika fa hahafaly an-tsika ireny zavatra ireny, singy lainga izany. Satana dia mpandainga ary izy dia mihezaka ny hamitaka sy handringana an-tsika. Fa Andriamanitra dia efa nanao hoe: "Toero ny devoly ary handao anao izy." Andriamanitra dia Raintsika any an-danitra. Fantany ny zavatra hilain'ny zanany ary efa nampanatena Izy fa "hanome zavatra tsara ho an'ireo izay mangataka aminy." Rehefa matoky an'Andriamanitra isika ary makanto ny Zanany lahy Jesosy, dia hanana ny herin'Andriamanitra koa isika amin'ny fotoanan'ny fakam-panahy.

Sary Faha 33: Raha Manota Isika

Sary Faha 33: Raha Manota Isika

Jesosy nilaza izao tantara izao: Zatovolahy iray nandao ny tranony, nandeha lavitra izy ary nanao zavatra ratsy maro. Nolaniany foana ny vola izay nomen-drainy azy, nijangajanga sy niaina tamin'ny faharatsiana izy. Rehefa tapitra avokoa ny volany , dia nisy mosary nanerana ny tany ary ralehilahy dia lasa nahantra sy noana mafy. Nanenina izy noho ny fahotany, ary dia niverina tany amin-drainy izy ary nangataka famelan-keloka taminy. Satria ny rainy dia nitia azy fatratra, ka nandray ny zatovolahiny izy mba hiverina ao an-tranony. Io tantara io dia mampiseho an-tsika fa raha manota isika, dia tsy maintsy mifona tanteraka, sy milaza ny fahotantsika amin'Andriamanitra ary miodina amin'izany fahotana izany. Satria Andriamanitra dia tiantsika fatratra, Izy dia hamela ny fahotantsika ary mandray antsika indray ho amin'ny fifandraisana aminy.

Sary Faha 34: Aretina

Sary Faha 34: Aretina

Ralehilahy sy ravehivavy eto, dia malahelo endrika satria ny fianakaviany dia marary mafy. Inona ny zavatra afaka ataon'ny olon'Andriamanitra raha toa ka marary izy ireo? Tokony hivavaka amin'i Tompo izy ireo ary mino fa Izy dia hanao ny tsara indrindra. Andriamanitra dia afaka manasitrana ny olona marary raha toa izany ny sitra-pony, na manampy azy mba hahita ny fanafody tena hilaina. Andriamanitra dia tiantsika ary Izy no mitantana ny zavatra rehetra mitranga amin'ireo zanany. Andriamanitra dia miaro ny mpino amin'i satana, noho izany dia tsy tokony hatahotra azy isika, fa kosa mino an'i Jesosy mba hiaro an-tsika. Jesosy dia miaraka amin-tsika mba hanome an-tsika ny fiadanany amin'ny fotoan-tsarotra.

Sary Faha 35: Fahafatesana

Sary Faha 35: Fahafatesana

Isika rehetra dia mahafantatra fa indray andro dia ho faty isika. Fa inona kosa no zava-mitranga avy eo?
Rehefa maty ny mpino iray, dia mankany amin'i Tompo Jesosy Kristy ny fanahiny. Ny Baiboly izay tenin'andriamanitra milaza amin-tsika fa hiaraka amin'i Jesosy isika. Ireo naman'ilay maty sy ireo izay tia azy dia tsy tokony halahelo be tafahoatra. Isika dia natao tsy hataotra ny fahafatesana satria fanta-tsika fa Andriamanitra tiantsika ary namomnjy an-tsika tamin'ny fahotana. Ny tsy mpino dia tsy manana ny fanantenana tsara ny amin'ny fiainana izay miaraka amin'Andriamanitra aorian'ny fahafatesany. Izy ireo dia handeha any amin'ny toerana famaizana.
Aiza moa no halehanao rehefa maty hianao?

Sary Faha 36: Ny Tenan'I Kristy

Sary Faha 36: Ny Tenan'I Kristy

Eto isika dia mahita ny sasany amin'ireo momba ny tena. Ny momba ny tena tsirairay avy dia samy manana ny asa manokana ho azy. Ny maso natao mba hijerevana, ny sofina mba handrenesana ary ny vava mba hihinana sy hitenenana. Ny momba ny tena rehetra dia miaramiasa. Raha marary ny momba ny tena iray, dia mijaly ny tena manontolo. Andriamanitra milaza fa ny mpino dia toy ny momba ny tena maro izay ao amin'ny tena iray ihany (izay antsoina hoe fiangonana). Jesosy no lohan'izany tena izany. Andriamanitra efa nanendry ny mpino rehetra mba hanao, ohatra: mpitory, mpampianatra momba ny amin'Andriamanitra, mihira ny hira fiderany, mamboly mba hohanin'ny fianakaviana, na mahandro ny sakafon'izy ireo. Ny tsirairay dia tsy maintsy miasa ho an'i Tompo Jesosy mba hanampy ny tena manontolo ao amin'ny Kristy mba hahery. Ny mpino rehetra dia tsy maintsy mifankatia ary miaraka miasa raha tsy izany ny tenan'i Kristy dia hijaly.

Sary Faha 37: Fivoriana Miaraka

Sary Faha 37: Fivoriana Miaraka

Ny mpino rehetra dia tokony hivory matetika mba hiarahana mivavaka amin'Andriamanitra. Tokony isika mianatra avy amin'ny Baiboly izay tenin'Andriamanitra, ary mihira fiderana sy mivavaka. Tokony mitondra fanomezana amin'ny asan'Andriamanitra ihany koa isika. Ny Tompo ihany koa dia nandidy an-tsika mba hatsiaro ny fahafatesan'ny Tompo Jesosy ho an-tsika. Eto isika dia mahita mpino mifampizara mofo ary miaraka misotro. Ny mofo dia natao ho fahatsiarovana ny tenan'i Jesosy izay potipotika teo amin'ny hazo fijaliana ho an-tsika. Ny fisotroana dia natao ho fahatsiarovana ny rany izay nalatsaka mba hanadio ny fahotantsika ary mba hitondra an-tsika hanakaiky an'Andriamanitra. Tsy maintsy tadidiantsika ny fahafatesany ho an-tsika mba hafahan-tsika hitia Azy amin'ny fontsika rehetra.

Sary Faha 38: Jesosy Dia Mbola Ho Avy

Sary Faha 38: Jesosy Dia Mbola Ho Avy

Amin'ny fotoana marin'Andriamanitra, Jesosy dia ho avy tampoka avy any an-dantra, toy izay efa nampanantenainy. Ho tonga Izy mba haka izay tena mpino rehetra (dia ny fianakaviana'Andriamanitra). Ny Tompo Jesosy dia hampitsangana ireo olon'Andriamanitra rehetra efa maty, ary ho foana ny fasan'izy ireo. Ny olon'Andriamanitra izay mbola velona eto dia hiakatra miaraka amin'izy ireo. Ny mpino rehetra dia hiaona amin'i Jesosy eny amin'ny lanitra ary hiara-mipetraka aminy mandrakizay. Ireo tsy mpino dia ho tafajanona mba hiatrika ny fitsarana mahatsiravina avy amin'Andriamanitra. Isika dia tsy mahafantatra ny fotoana marina hiverenan'i Jesosy, kanefa kosa isika dia tokony ho vonona mandrakariva. Efa vonona ve hianao mba hiaona amin'i Tompo Jesosy izay mety hiverina androany?

Sary Faha 39: Famoazana Voa

Sary Faha 39: Famoazana Voa

Raha ny hazo eto amin'ny sary mamoa voa, ny mpino kosa mamoa ny vokatry ny Fanahy Masina. Hoy Jesosy manao hoe, "Izaho no voaloboka, hianareo no sampany. Izay miray amiko, ary Izaho aminy, dia mamoa be izy."
Ny Fanahy Masin'Andriamanitra dia velona sy miasa ao anatin'ny fon-tsika mba hanome vokatry ny FITIAVANA, FIFALIANA, FIADANANA, FAHARI-PO, FAHAMORAM-PANAHY, FANAOVAN-TSOA, FAHAMARINANA, FAHALEMEM-PANAHY, FAHONONAM-PO eo amin'ny fiainantsika.
Raha misy sampana tsy mamoa kosa, dia hotapahina, ka ho faty izy ireo, ary hodorana. Ny mpanaraka an'i Jesosy dia tsy maintsy mamoa be - ny tiana tenenina eto dia toy ny FITIAVANA, sns., ary izany dia hanome voninahitra an'Andriamanitra, Ilay Ray tsara indrindra any an-danitra.

Sary Faha 40: Filazana Amin'Ny Olona Hafa

Sary Faha 40: Filazana Amin'Ny Olona Hafa

Jesosy dia mandidy ny Kristiana mpino rehetra mba handeha hilaza amin'ny hafa ny vaovao mahafaly momba an'i Jesosy, ka hahatonga an'izy ireo ho voavonjy amin'ny fahotana sy ny helo. Ity sary ity dia mampiseho mpino iray izay mankato an'i Jesosy, ary milaza amin'ny hafa ny momba Azy. Ny Fanahy Masin'Andriamanitra dia hanampy an-tsika mba ho vavolombelon'i Kristy Jesosy. Ary hianao dia afaka manazava amin'ny namanao sy ny olona hafa ny zavatra nianaranao tao amin'ity boky ity.

Verwante informatie

Vrij te downloaden - Download Bijbelverhalen in audio formaat en Bijbellessen in duizenden talen, afbeeldingen, scripts en andere verwante materialen die geschikt zijn voor evangelisatie en gemeenteopbouw.

Audio-visuele materialen - Goed Nieuws - 'Goed Nieuws' is een platenboek met 40 illustraties uit de Bijbel met bijbehorende audio opnamen. Het geeft een overzicht van de Bijbel vanaf de Schepping tot en met Christus. Dit omvat de Bijbelse boodschap van verlossing en eenvoudig onderricht over het christelijke leven. Deze opnamen zijn beschikbaar in meer dan 1300 talen.

Hoe audio-visuele materialen van GRN te gebruiken? - 1: Het evangelie op een eenvoudige manier delen met de ander - In dit artikel kunt u lezen op welke verschillende manieren u de audio-visuele materialen van GRN kunt gebruiken binnen uw bediening.

Hoe audio-visuele materialen van GRN te gebruiken? - 2: Verdieping - In dit artikel kunt u lezen hoe mensen leren uit verhalen en waarom er niet veel commentaar aan de verhalen wordt toegevoegd.

De GRN-audiobibliotheek - Evangelisatiemateriaal en basisbijbelonderricht, aangepast aan de behoeften en de cultuur van het volk, in verschillende stijlen en formaten.

Copyright and Licensing - GRN shares it's audio, video and written scripts under Creative Commons

Creating DVDs using the GRN Slide show Videos - How to burn DVDs for specific people groups you are trying to reach

Choosing the right audio or video format - What audio and video file formats are available from GRN, and which one is best to use?